Seminera sy Institiota
Fampahafantarana ny Ny fianakaviana mandrakizay: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (Fampianarana ny filazantsara faha 200)


Fampahafantarana ny Ny fianakaviana mandrakizay: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (Fampianarana ny filazantsara faha 200)

Inona no andrasana amin’ny mpampianatra filazantsara?

Rehefa miomana hampianatra ianao, dia zava-dehibe ny mahatakatra ireo Tanjon’ny Seminera sy Institiota Fianarana ny Filazantsara:

“Ny tanjontsika dia ny hanampy ny zatovo sy ny tanora manambady sy tsy manambady hahatakatra sy hiantehitra amin’ny fampianarana sy ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy, sy ho mendrika ny hahazo ireo fitahiana avy amin’ny tempoly, ary hiomana sy hanomana ny fianakaviany ary ny hafa ho amin’ny fiainana mandrakizay miaraka amin’ny Ray any An-danitra” (Fampianarana sy Fianarana ny Filazantsara: Boky Torolalana ho an’ireo Mpampianatra sy Mpitarika ao amin’ny Seminera sy Institiota fianarana ny Filazantsara [2012], x).

Afaka manatratra io tanjona io ianao amin’ny alalan’ny fiainana amim-pahazotoana ny filazantsara, sy ny fampianarana ny filazantsara amin’ny fomba mahomby amin’ireo mpianatrao, ary ny fitantanana araka ny tokony ho izy ny kilasinao na ny fandaharam-pianaranao. Rehefa miomana sy mampianatra ny filazantsara araka ireo fomba ireo ianao, dia ho mendrika hahazo ny fitarihan’ny Fanahy Masina (jereo ny F&F 42:14).

Fahafahana ho anao ny manampy ireo mpianatra hianatra amin’ny alalan’ny Fanahy Masina mba hahafahan’izy ireo mampahatanjaka ny finoany sy hampiorim-paka ny fiovam-pony. Afaka manampy ireo mpianatra hanatanteraka izany ianao rehefa mitarika azy ireo mba hamantatra sy hahatakatra ary hahatsapa ny fahamarinana sy ny lanjan’ireo fotopampianarana sy fitsipika manan-danjan’ny ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ka hampihatra izany.

Ilay boky torolalana hoe Fampianarana sy Fianarana ny Filazantsara dia loharano tena ilaina mba hahatakarana ny lamin’ny fampianarana sy ny fomba hahitana fahombiazana ao an-dakilasy.

Inona avy ireo tanjon’ity fampianarana ity?

Ity fandaharam-pianarana ity, Ny fianakaviana mandrakizay (Fianarana ny filazantsara faha-200), dia fandalinana ny anjara asa fototry ny fianakaviana ao amin’ny drafitry ny famonjena araka izay ampianarina ao amin’ny soratra masina sy ny tenin’ireo mpaminany maoderina. Ny fotopampianarana sy lohahevitra ary fitsipika ao anatin’ilay fandaharam-pianarana dia notsongaina manokana avy ao amin’ny “Ny fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao” (Ensign na Liahona, nôv. 2010, 129). Ao amin’ilay fandaharam-pianarana dia hohalalinina sy hifampiresahana ary horefesina ao amin’ny sahan-kevitry ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ireo fanontaniana sy olana mikasika ny fanambadiana sy ny fianakaviana.

Ity fandaharam-pianarana ity dia hanome fahatakarana bebe kokoa ho an’ireo mpianatra momba ny zavatra mampifandray ny fanaovana sy fanajana fanekempihavanana ary ny fahazoana fitahiana eto amin’ity fiainana ity sy any amin’ny tontolo ho avy. Ny fotopampianarana sy fitsipika mikasika ny fanambadiana sy ny fianakaviana dia hojerena sy hofakafakaina mba hahatakaran’ireo mpianatra hoe nahoana no tena azo ampiharina izy ireo . Hahatakatra bebe kokoa ireo mpianatra hoe nahoana izy ireo no afaka matoky sy manaraka ny fampianaran’ireo mpaminany maoderina.

Inona no andrasana amin’ireo mpianatra?

Mba hahazoana isa takiana hahazoana diplaoma amin’ny institiota, dia takina hamaky ireo andinin-tsoratra masina sy ireo lahatenin’ny fihaonamben’ny fiangonana ary ireo fitaovana hafa voatanisa ao amin’ilay fizarana hoe Vakitenin’ny Mpianatra hita ao amin’ny lesona tsirairay ireo mpianatra. Tsy maintsy mahafeno ireo fepetra takina mikasika ny fanatrehana fotoam-pianarana ihany koa ireo mpianatra ary haneho fa mahay ireo lesona amin’ny alalan’ny fanatanterahana fitsapam-pahaizana.

Ahoana no nandrafetana ireo lesona ao amin’ity boky torolalana ity?

Ity fampianarana ity dia narafitra ho an’ny fampianarana mandritra ny tapa-taona ary ahitana lesona 28 izay nosoratana ho an’ny fotoam-pianarana maharitra 50 minitra. Raha mianatra indroa isan-kerinandro ny mpianatrao dia mampianara lesona iray isaky ny fotoam-pianarana. Raha indray mandeha isan-kerinandro ihany ny mpianatrao no mianatra mandritra ny 90 na 100 minitra dia mampianara lesona roa natambatra isaky ny fotoam-pianarana. Ny topimaso amin’ny ankapobeny ho an’ny lesona tsirairay dia ahitana fizarana efatra:

  • Fampidirana

  • Vakiteny Enti-mandalina

  • Sosokevitra Enti-mampianatra

  • Vakitenin’ny Mpianatra

Fampidirana

Io fizarana io dia manome fampahalalana fohy momba ny lohahevitra sy ireo tanjon’ny lesona.

Vakiteny Enti-mandalina

Io fizarana io dia manolotra loharanom-pitaovana hovakiana, toy ny hafatra avy amin’ny mpaminanin’ny andro farany sy ireo mpitarika hafa an’ny Fiangonana, izay hanampy anao hahatakatra bebe kokoa ireo fotopampianarana sy fitsipika ary ireo fahamarinana ao amin’ny filazantsara izay voaresaka ao amin’ilay topimaso ho an’ny lesona.

Sosokevitra Enti-mampianatra

Ilay fizarana hoe Sosokevitra Enti-mampianatra dia ahitana torolalana izay manampy anao mba hahafantatra ny hoe inona no ampianarina sy ny hoe amin’ny fomba ahoana no hampianarana azy (jereo koa ny fizarana 4.3.3 sy 4.3.4 ao amin’ny boky torolalana Fampianarana sy Fianarana ny Filazantsara). Ireo asa ampanaovina ho enti-mianatra izay aroso dia natao mba hanampiana ireo mpianatra hamantatra sy hahatakatra ary hampihatra ireo fahamarinana masina. Azonao atao ny mampiasa ny sasany amin’ireo izay tolokevitra na izy rehetra rehefa ataonao izay hampifandray azy ireny amin’ny fomba fampianaranao sy izay hanomezana ny zavatra ilain’ny mpianatra sy mety amin’ny toe-javatra misy azy ireo. Rehefa mandinika ny fomba hampifanarahana ny votoatin’ny lesona amin’izay zavatra ilaina ianao, dia ataovy izay hanarahana ity torohevitra avy amin’ny Loholona Dallin H. Oaks ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity:

Sary
Loholona Dallin H. Oaks

“Matetika ny Filoha Packer no nampianatra, araka ny fahenoako azy, hoe mandray aloha isika, ary avy eo vao mampifanaraka. Raha mahafantatra tsara ny lesona nomena izay asaina ampianarintsika isika, dia ho afaka hanaraka ny Fanahy Masina isika mba hahafahana mampifanaraka tsara ny lesona amin’izay ilaina. Kanefa raha ny fahafahana manova no resahina dia misy fakampanahy mahazo antsika mba hanomboka amin’ny fampifanarahana fa tsy hanomboka amin’ny fanarahana izay efa misy ao. Mila fandanjalanjana izany. Olana mipetraka mandrakariva izany. Kanefa ilay hoe manaraka aloha vao mampifanaraka dia tena fomba tsara ahafahana mampianatra ireo fotopampianarana marina” (“A Panel Discussion with Elder Dallin H. Oaks” [Fampitana amin’ny alalan’ny zanabolana ataon’ny Seminera sy Institiota fianarana ny Filazantsara, aog. 7, 2012], si.lds.org).

Ity fandaharam-pianarana ity dia ahitana teny nataon’ireo mpitarika ny Fiangonana izay mety ho hita amin’ny fiteny maro. Rehefa miomana ny hampianatra ianao, dia azonao atao ny mampifanaraka ny lesona amin’ny alalan’ny fampiasana ireo teny hafa nambaran’ny mpitarika ny Fiangonana izay mifandraika amin’ilay lohahevitra.

Ilay fizarana hoe Sosokevitra Enti-mampianatra ao amin’ny lesona tsirairay dia ahitana fanambarana fotopampianarana na fitsipika iray farafahakeliny, izay miseho amin’ny endri-tsoratra matevina. Rehefa hitan’ireo mpianatra ireo fahamarinana ireo ka mizara ny zavatra nianarany izy, dia mety tsy hitovy amin’izay voasoratra ao amin’ity boky torolalana ity ny teny ampiasainy. Rehefa izay no mitranga, dia tandremo sao manao izay hiheveran’izy ireo hoe diso ny valinteniny. Na izany aza, raha misy teny nambara izay azo ahitsy mba ho marina kokoa, dia ataovy amim-pahamalinana izay hahatakaran’izy ireo izany mazava tsara.

Ity fandaharam-pampianarana ity dia maneho ny fomba hampidirana ny zavatra fototra amin’ny fampianarana sy fianarana ny filazantsara amin’ny fampianarana manaraka ny lohahevitra (jereo ny Fampianarana sy Fianarana ny Filazantsara, 10, 23–31, 38–41). Ato ho ato, ny Seminera sy Institiota dia hamoaka taratasy iray antsoina hoe “Fampianarana Manakara ny Lohahevitra amin’ny Institiota fianarana ny Filazantsara,” izay hanome fanazavana bebe kokoa ny amin’ny hoe ahoana no hampidirana ireo zavatra fototra amin’ny ny fampianarana sy fianarana ny filazantsara ao amin’ny fampianarana manaraka ny lohahevitra.

Nijoro ho vavolombelona ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ny amin’ireo fitahiana izay azo rehefa mandalina ny filazantsara manaraka ny lohahevitra isika:

Sary
Loholona David A. Bednar

“Raha toa ka mitondra fahalalana fototra mivelatra be ny famakiana ny soratra masina hatramin’ny voalohany hatramin’ny farany, dia mampitombo ny halalin’ny fahalalana kosa ny fandalinana manaraka ny lohahevitra. Ny fikarohana fifandraisana, lamina ary lohahevitra ao anatin’ny fanambarana dia mampiorim-paka ny fahalalantsika ara-panahy sy mampitombo izany … . Mampivelatra ny fomba fijerintsika sy ny fahatakarantsika ny drafitry ny famonjena izany.

“Raha ny fijeriko, dia ampahany amin’ny hevitry ny hoe ‘mivoky’ amin’ny tenin’i Kristy ny mikaroka amim-pahazotoana mba hahitana ny fifandraisana sy ny lamina ary ny lohahevitra. Izany fomba fianarana izany dia afaka manokatra ny varavaran’ilay loharanon’ny fahalalana ara-panahy sy manazava ny fahatakarantsika amin’ny alalan’ny Fanahin’ny Tompo, ary miteraka fankasitrahana lalina ho an’ireo soratra masina sy karazana fanolorantena ara-panahy izay tsy afaka ny ho azo amin’ny fomba hafa. Ny fikarohana toy izany dia mahatonga antsika hiorina eo amin’ny vatolampin’ny Mpanavotra sy hahatohitra ireo rivotry ny faharatsiana amin’izao andro farany izao” [David A. Bednar, “A Reservoir of Living Water” (Takariva amorom-patan’ny Brigham Young University, 4 feb. 2007), 3, speeches.byu.edu].)

Vakitenin’ny Mpianatra

Io fizarana io dia mitanisa andinin-tsoratra masina sy lahateny nataon’ny mpitarika ny Fiangonana ary loharanom-pitaovana hafa izay hampitombo ny fahatakaran’ireo mpianatra ireo lohahevitra hita ao amin’ny lesona. Omeo andraikitra sy amporisiho ireo mpianatra hamaky ireo loharanom-pitaovana ireo alohan’ny hanatrehany fotoam-pianarana tsirairay. Rehefa mandalina ireo loharanom-pitaovana nentanim-panahy ireo izy dia tsy vitan’ny hoe ho vonona kokoa handray anjara amin’ny fifanakalozan-kevitra ao am-pianarana fotsiny, fa hahazo fahatakarana misimisy ihany koa momba ireo lohahevitra ao amin’ny fandaharam-pianarana. Omeo ny lisitry ny Vakitenin’ny Mpianatra rehetra ireo mpianatra amin’ny fiandohan’ny taom-pianarana.

Ahoana no ahafahako miomana hampianatra?

Hanampy anao ny Tompo rehefa miomana ny hampianatra ianao. Rehefa miomana ianao, dia mety ho hitanao hoe manampy ny mametraka ireto fanontaniana manaraka ireto amin’ny tenanao:

  • Moa ve aho miezaka ny miaina ny filazantsara mba hahatonga ahy ho mora mahatsapany Fanahy Masina mandritra ny fiomanako sy ny fampianarako?

  • Efa nivavaka ve aho mba hahazo ny fitarihan’ny Fanahy Masina?

  • Efa nandalina ireo andinin-tsoratra masina sy vakiteny enti-mandalina nasaina novakina ve aho?

  • Efa namaky ny fandaharam-pampianarana ve aho sy nanapa-kevitra raha misy zavatra tokony amboarina mba hampifanaraka izany amin’ny zavatra ilain’ny mpianatro?

  • Ahoana ny fomba ahafahako manara-maso ny vakitenin’ny mpianatra mba hahazoako antoka fa mahazo ny tombontsoa betsaka indrindra avy amin’izany ireo mpianatra?

  • Ahoana no ahafahako manampy ny mpianatro tsirairay handray anjara feno amin’ny lesona?

Mety hanampy ireto sosokevitra manaraka ireto:

  • Amporisiho ireo mpianatra hamaky ireo andinin-tsoratra masina sy ireo lahatsoratra nasaina novakina alohan’ny fotoam-pianarana tsirairay.

  • Takio amin’ny mpianatra ny hanatontosany ny anjara asany amin’ny maha-mpandranto fahalalana azy.

  • Omeo fahafahana matetika ireo mpianatra hanazava ireo fotopampianarana sy fitsipika amin’ny teniny manokana sy hizara traikefa mifandray amin’izany ary hijoro ho vavolombelona momba ny zavatra fantany sy tsapany.

  • Ovaovao ireo asa ampanaovina sy ny fomba fampianaranao isaky ny fotoam-pianarana ary ovaovao isaky ny lesona koa izany.

  • Mamorona tontolo ahafahana mianatra izay manasa ny Fanahy Masina ary hahazoan’ireo mpianatra fahafahana sy andraikitra hifampianatra sy hianatra avy amin’ny andaniny sy ny an-kilany (jereo ny FF 88:78, 122).

  • Hahita lesona miresaka ny fahaiza-manao amin’ny fandalinana ny soratra masina voafaritra tsara ianao manerana ny fandaharam-pianarana. Araraoty izany mba hanampiana ireo mpianatra ho lasa mahaleo tena kokoa amin’ny fandalinana ny soratra masina sy hanolo-tena kokoa amin’ny fianarana avy amin’ny soratra masina mandritra ny fiainany.

Nampianatra ny Loholona Richard G. Scott ao amin’ny Kôlejin’ny Roambinifololahy hoe:

Sary
Loholona Richard G. Scott

“Ataovy izay hisian’ny fandraisana anjara betsaka satria ny fampiasan’ny mpianatra ny fahafahana misafidy toy izany no manome fahafahana ny Fanahy Masina hampianatra. … Rehefa tenenin’ireo mpianatra ny fahamarinana, dia voamarina ao amin’ny fanahin’izy ireo izany ary manamafy ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo manokana” (“To Understand and Live Truth” [takariva iarahana amin’ny Loholona Richard G. Scott, 4 Feb. 2005], 3, si.lds.org).

Ahoana no ahafahako mampifanaraka ny lesona amin’izay ilain’ireo manana kilema?

Rehefa miomana ny hampianatra ianao dia aoka hahatsiaro ireo mpianatra izay mila fanampiana manokana. Amboary ireo asa atao sy ny zavatra andrasana amin’izy ireo mba hanampiana azy ireo hahomby. Mitadiava fomba hanampiana azy ireo hahatsapa fa tiana sy voaray tsara ary mpandray anjara feno tahaka ny rehetra. Ataovy izay hisian’ny fifampitokisana.

Mba hahazoana hevitra sy loharano fanampiny, dia jereo ny pejin’ny Loharanom-pahalalana mikasika ireo Manana Kilema ao amin’ny disabilities.lds.org sy ny fizarana antsoina hoe “Kilasy sy Fandaharam-pianarana Mifanaraka amin’ny zavatra ilain’ireo Mpianatra manana Kilema” ao amin’ny boky torolalana mikasika ny fitsipika arahin’ny Seminera sy Institiota fianarana ny filazantsara.

Hamoaka printy