Seminera sy Institiota
Lesona 24: Mpikamban’ny Fiangonana olon-dehibe tokan-tena


Lesona 24

Mpikamban’ny Fiangonana olon-dehibe tokan-tena

Fampidirana

Ny Filazantsaran’i Jesoa Kristy dia manamafy ireo fitahiana mandrakizay azo amin’ny alalan’ny fanambadiana sy ny fifandraisan’ny fianakaviana. Mbola maro tokoa ireo mpikamban’ny Fiangonana no mihevitra ny tenan’izy ireo ho ao anatin’ny toe-javatra izay tsy hananan’izy ireo fahafahana hanambady sy hanana fianakaviana amin’izao fotoana izao. Ity lesona ity dia manamafy fa ireo mpikamban’ny Fiangonana tokan-tena dia mandray anjara goavana ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra. Na dia misy fahatarana aza ny fahatongavan’ireo fitahian’ny fanambadiana indraindray, dia tsy holavina velively izy ireny ho an’ireo izay mitandrina am-pahamarinana ireo fanekempihavanana nataony tamin’ Andriamanitra.

Vakiteny Enti-mandalina

  • Gordon B. Hinckley, “Tafatafa niarahana tamin’ireo olon-dehibe tokan-tena,” Ensign, Mar. 1997, 58–63.

  • Spencer J. Condie, “Manambara ny fisian’ireo fampanantenana lehibe sy sarobidy tokoa,” Ensign na Liahona, Nôv. 2007, 16–18.

Sosokevitra Enti-mampianatra

1 Korintiana 12:12–20, 25–27

Mpikambana tokan-tena ao amin’ny fianakaviana iray mazoto ao am-piangonana

Asao ny mpianatra hizara ireo fanamby mety hosedrain’ireo mpikamban’ny Fiangonana tokan-tena rehefa mandray anjara ao amin’ny paroasy na sampana izay ahitana mpikambana maro efa manam-bady aman-janaka. (Ireo mpikamban’ny Fiangonana tokan-tena dia mety hahatsapa hakiviana sy ho irery na koa hoe tsy tafiditra amin’ireo fampianarana mikasika ny fanambadiana sy ny fianakaviana amin’ireo fivoriana sy kilasy misy.)

  • Araka ny hevitrao, ahoana no fomba ahafahan’ireo mpikamban’ny Fiangonana hafa manampy ireo olon-dehibe tokan-tena hahatsapa fa manan-danja izy ireo ary tafiditra ao amin’ireo fivoriana sy fiaraha-mientan’ny Fiangonana?

Asehoy ity fanambarana nataon’ny Filoha Howard W. Hunter ity (1907–95), ary miangavia mpianatra iray hamaky mafy izany:

Sary
Filoha Howard W. Hunter

“Natao ho an’ny mpikambana rehetra ny Fiangonana. … Isika rehetra, na manam-bady na tokan-tena, dia samy manana ny maha-izy azy sy samy manana ny zavatra ilainy avokoa, eo anivon’izany ny faniriana mba horaisina toy ny zanak’ Andriamanitra sarobidy. …

“Ity dia fiangonan’i Jesoa Kristy, fa tsy Fiangonana ho an’ireo olona manam-bady na tokan-tena na ihany koa hoe Fiangonana ho an’ny vondron’olona hafa na olon-tokana” (“The Church Is for All People,” Ensign, Jona,1989, 76).

Hazavao fa ny Apôstôly Paoly dia nampitaha ny Fiangonana amin’ny vatan’olombelona sy ny mpikambana tsirairay ao amin’ny Fiangonana amin’ireo faritra samy hafa amin’ny vatana. Manasà mpianatra vitsivitsy hifanesy hamaky mafy ny 1 Korintiana 12:12–20 ary ny ambiny rehetra kosa hikaroka ny fomba nampitahan’i Paoly ny mpikamban’ny Fiangonana amin’ireo faritra samy hafa amin’ny vatana.

  • Inona avy ireo olana mety hosedraintsika raha toa ka misy ampahany iray na maromaro tsy ampy amin’ny vatantsika?

  • Inona no fitsipika izay ampianarin’ny fanoharana nataon’i Paoly antsika momba ny Fiangonana sy ny mpikambana ao aminy? (Mety hahita fitsipika manan-danja vitsivitsy ireo mpianatra. Alaivo antoka ny fanamafisana ireto fitsipika manaraka ireto: Ny mpikamban’ny Fiangonana rehetra dia manan-danja ary afaka manao fandraisana anjara goavana ao amin’ny Fiangonana.)

  • Inona avy ireo fandraisana anjara tao amin’ny Fiangonana efa hitanao nataon’ireo mpikamban’ny Fiangonana tokan-tena avy ao amin’ny paroasy na sampana misy anao?

Mangataha mpianatra iray hamaky ny 1 Korintiana 12:25–27. Asao ny iray kilasy hikaroka ny zavatra azon’ny mpikamban’ny Fiangonana atao mba hanjary hiray hina.

  • Inona no zavatra azon’ny mpikamban’ny Fiangonana rehetra atao, na ny manam-bady na ny tokan-tena, mba hifanampy ka hahatsapa fa miray hina amin’ireo mpikambana avy amin’ny paroasy na sampana hafa?

Asehoy ity fanambarana avy amin’i Loholona Robert D. Hales ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity :

Sary
Loholona Robert D. Hales

“Isika rehetra dia anisan’ ilay fiarahamonin’ny olomasina, mifampiankina isika, ary samy manao ezaka hanatratrarana tanjona mitovy. Ny tsirairay amintsika dia mety afaka hanasaraka ny tenantsika amin’ny fianakavian’ny [paroasy na sampana misy antsika] noho ny tsy fitoviana misy. Fa tsy tokony kosa isika hanakatona na hanasaraka ny tenantsika amin’ireo fahafahana noho ny fahasamihafana tsikaritsika amin’ny tenantsika. Fa andeha kosa isika hizara ireo fanomezana sy talentantsika amin’ny hafa, hitondra fifaliana sy fanantenana mamirapiratra ho azy ireo, ary ny fanaovana izany dia hanandratra ny fanahintsika ho ambonimbony kokoa” (“Belonging to a Ward Family,” Ensign, Marsa 1996, 16).

  • Ahoana no nanampy anao hahatsapa ho miray hina bebe kokoa amin’ny mpikambana hafa ireo ezaka nataonao mba hanaiky ireo antso sy handray anjara ao amin’ny paroasy na sampana misy anao?

Hebreo 11:1, 6, 8–13, 16

Miandry ireo fitahiana nampanantenaina

Asehoy ity fanambarana nataon’ny Loholona Dallin H. Oaks avy ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo manaraka ity, ary miangavia mpianatra iray hamaky mafy izany:

Sary
Loholona Dallin H. Oaks

“Ireo tokan-tena dia tokony haniry ny fanambadiana any amin’ny tempoly ary hanao laharampahamehana ireo ezaka atao mba hahazoana io. Ireo zatovo sy tanora tokan-tena dia tokony hanohitra ireo foto-kevitra marina ara-politika fa diso kosa amin’ny fomba fijery ny mandrakizay izay mampidina ny lanjan’ny fanambadiana sy ny fananan-janaka” (“Faniriana,” Ensign na Liahona, Mey 2011, 45).

  • Nahoana araka ny hevitrao no mahatsapa hakiviana ireo mpikambana tokan-tena sasany rehefa misaintsaina ny fotopampianarana fa “ny fanambadiana eo amin’ny lehilahy sy vehivavy dia tendrin’ Andriamanitra ary ny fianakaviana dia fototry ny drafitry ny Mpahary ho an’ny anjara mandrakizain’ny zanany”? (“Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao,” Ensign na Liahona, Nôv. 2010, 129).

Hazavao fa na dia lafatra aza ny fanambadiana sy ny fianakaviana, dia maro amin’ireo olon-dehibe tokan-tena mpikamban’ny Fiangonana no tsy mahazo antoka raha toa ka hanambady izy ireo na tsia. Ireo izay efa nisara-bady na mananontena dia mety misaintsaina raha toa ka hanambady indray izy ireo.

Vakio mafy izao fanambarana manaraka izao izay nataon’ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, ary asao ny mpianatra hikaroka ny zavatra nataon’ny Mpamonjy mba hahatanteraka ireo fitahiana mandrakizay ho an’ireo izay tsy manana ny fitahiana avy amin’ny fanambadina sy ny fianakaviana:

Sary
Loholona D. Todd Christofferson

“Ny fanambarana ny fahamarinana fototra mikasika ny fanambadiana sy ny fianakaviana dia tsy midika akory hoe tsy miraharaha na manambany ny fahafoizan-tena sy ny fahombiazana asehon’ireo izay tsy mbola afaka miaina io rafitra tena tsara io amin’izao fotoana izao. Ny sasany aminareo dia tsy afaka mahazo ireo fitahiana avy amin’ny fanambadiana noho ny antony maro ka tafiditra ao anatin’izany ny tsy fisian’ny olona mendrika azo alaina ho vady, ny fironana any amin’ny fiarahan’ny lahy samy lahy na ny vavy samy vavy, ny fahasembanana ara-batana na ara-tsaina, na fahatahorana tsotra ny tsy fahombiazana izay manarona ny finoana na amin’izao fotoana izao fotsiny aza. Na mety efa nanambady ianao fa nitsahatra izany fanambadiana izany ary lasa ianao irery no misahana zavtra izay na olon-droa miaraka aza zara raha mahavita izany. Ny sasany aminareo izay manambady dia tsy afaka mahazo zaza na dia manam-paniriana lehibe sy mitalaho amam-bavaka aza.

“… Mijoro ho vavolombelona amim-pahatokiana isika fa efa noraisin’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy an-tanana mialoha ary, amin’ny farany, honerany daholo ny fihafiana sy ny famoizan-javatra rehetra nozakain’ireo izay mitodika any Aminy. Tsy misy na iza na iza voafidy mialoha mba hahazo kely kokoa noho ny zavatra rehetra omen’ny Ray ny zanany” (“Nahoana no ilaina ny manambady sy manorina fianakaviana,” Ensign na Liahona, Mey 2015, 52).

  • Inona no fotopampianarana ampianarin’ny Loholona Christofferson mikasika ny hoe iza no handray ireo fitahiana lehibe indrindra avy amin’ Andriamanitra? (Soraty eny amin’ny solaitrabe izao fotopampianarana manaraka izao: Ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy no hahafahan’ny tsirairay avy amintsika mandray ireo fitahiana rehetra nampanantenain’ny Raintsika any An-danitra amin’ny farany.)

  • Inona no zavatra tsy maintsy ataon’ny olona iray mba hahazoany ilay fanantenana izay voalaza ao amin’io fotopampianarana io?

Asehoy izao teny manome toky avy amin’ny Filoha Spencer W. Kimball (1895–1985) manaraka izao, ary mangataha mpianatra iray hamaky mafy izany:

Sary
Filoha Spencer W. Kimball

“Mampanantena anareo izahay fa raha ny momba mandrakizay no jerena, dia tsy hisy fanahy ho very ireo fitahiana feno sy avo ary mandrakizay noho ny zavatra izay vokatry ny toe-javatra nisy teo aminy fa tsy noho ny safidiny, fa ny Tompo dia tsy hivadika na oviana na oviana amin’ireo fampanantenany, ary any aoriana any ny olo-marina rehetra dia hotolorana ny zavatra rehetra izay natao ho azy avy kanefa very taminy tsy noho ny hadisoany” (“The Importance of Celestial Marriage,” Ensign, ôkt. 1979, 5).

Mijoroa ho vavolombelona fa na dia misy fahatarana aza ny fahatongavan’ireo fitahiana avy amin’ Andriamanitra indraindray, dia tsy holavina velively izy ireny any amin’ny mandrakizay ho an’ireo izay mikatsaka ny miaina am-pahamarinana.

Asao ny mpianatra hisaintsaina ny ohatra tamin’ i Abrahama sy i Saraha, izay nandray ireo fampanantenana avy amin’ Andriamanitra mikasika ny fianakavian’izy ireo izay taraiky na tsy tanteraka nandritra ny fiainan’izy ireo teto an-tany (jereo ny Genesisy 13:14–17; 15:4–7; 17:1–8, 15–16). Ampahatsiahivo ireo mpianatra fa tahakan’i Abrahama sy i Saraha, indraindray dia misy ireo fotoana hitsapàna ny finoantsika amin’ny alalan’ireo fampanantenana izay tonga tara na tsy tanteraka mihitsy aza mandritra ny fiainana eto ambonin’ny tany.

Mangataha mpianatra iray hamaky mafy ny Hebreo 11:1, 6 ary ny mpianatra kosa mandritra izany hikaroka ny famaritana ny finoana.

  • Inona no ampianarin’ireo andinin-tsoratra masina ireo mikasika ny dikan’ny finoana? (Ampahatsiahivo ny mpianatra hijery ao amin’ny andininy 1, fanovozan-kevitra eny ambanin’ny pejy b, izay milaza fa ny zavatra dia mety hidika ihany koa hoe antoka, ny manan-danja indrindra, na fototra. Aza adinoina ny manampy ireo mpianatra hampitombo ny fahaizana mandalina soratra masina manokana amin’ny alalan’ireo fitaovana enti-mandalina mandritra ny mpianatra.)

  • Midika inona ilay fehezanteny manao hoe “fanehoana ny zavatra tsy hita”? (Ny finoana dia fahatokiana na fijoroana ho vavolombelona amin’ireo zavatra tsy hita nefa misy. Ity fahatokiana ny zavatra tsy hita maso sy antenaina ity dia tonga rehefa mampihatra sy manaja ny fitsipiky ny filazantsara ihany isika—ary indrindra rehefa sarotra ny manatanteraka izany. Ny finoana dia asa mifono fankatoavana izay miafara amin’ny fanomezana ara-panahin’ny fijoroana ho vavolombelona. Izany dia fananana finoana sy fahatokisana ampy ny Tompo mba hankatò Azy na dia tsy mahita izay mety ho vokany aza amin’ny voalohany.)

Manasà mpianatra vitsivitsy hifanesy hamaky mafy ny Hebreo 11:8–13, 16 ary ny ambiny rehetra kosa hikaroka ny fomba nampiharan’i Abrahama sy i Saraha ny finoan’izy ireo nandritra ireo toe-javatra sarotra. Torohy hevitra ireo mpianatra mba hanipika ireo teny na fehezanteny izay maneho ny fomba nampiharan’i Abrahama sy i Saraha ny finoan’izy ireo.

  • Ny andininy 13 dia milaza fa na dia maty tsy naharay “ireo fampanantenana” aza i Abrahama sy i Saraha ary ireo olona hafa, dia tazan’izy ireo “avy lavitra” izany ary nanana finoana izy ireo amin’ny fahaizan’ Andriamanitra manatanteraka ireo fampanantenana ireo. Amin’ny fomba ahoana no hanampian’ny ohatra avy amin’ireo olomasina taloha ireo ny olomasina maoderina izay manana fitsapa-pinoana noho ny tsy fahazoana ireo fitahiana nampanantenaina amin’ity fiainana ity? (Isika rehetra dia tsy maintsy mianatra ny antony ilana ny fampiharana ny finoana sy ny fankatoavana ny didin’ny Tompo na dia toy ny tsy ho tonga aza ireo fitahiana izay antenaintsika rehefa maniry azy ireo isika.)

  • Inona araka ny eritreritrareo ny dikan’ny hoe “Ireo vahiny sy mpandalo ”? (Izy ireo dia nahafantatra fa ity fiainana mety maty ity dia mandalo fotsiny ihany ary ity tany ity dia tsy ilay toerana fonenan’izy ireo.)

Asehoy izao fanambarana nataon’ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo manaraka izao:

Sary
Loholona Jeffrey R. Holland

“Ny fitahiana sasany dia tsy maharitra ela dia mirotsaka, ny sasany somary taraiky, ary ny sasany kosa dia tsy mirotsaka mihitsy raha tsy any an-danitra; fa hoan’ireo izay manaiky ny Filazantsaran’ i Jesoa Kristy, dia mirotsaka ihany izy ireo. Izany no hanomezako teny vavolombelona manokana” (“An High Priest of Good Things to Come,” Ensign, nôvambra 1999, 38).

  • Nahoana ny fahalalana fa tsy misy fitahiana ho lavina ho an’ireo izay mahatoky no afaka manampy ireo mpikamban’ny Fiangonana izay mahatsapa alahelo na fahadisoam-panantenana satria tsy manam-bady na manan-janaka izy ireo?

  • Afaka mieritreritra fotoana iray izay nahatsapanao hakiviana ve ianao kanefa nisafidy ihany ny hampihatra finoana sy handroso hatrany teo amin’ny fiainanao?

Raha mbola misy ny fotoana dia zarao izao toro-hevitra avy amin’ny Loholona Dallin H. Oaks manaraka izao:

Sary
Loholona Dallin H. Oaks

“Raha toa ianao ka mijery fotoana fotsiny ihany hieritreretana hanatanterahana ny fanambadiana, dia atsaharo ny fiandrasana. Mety tsy hanana mihitsy ny fahafahana hanao fanambadiana manara-penitra ianao amin’ity fiainana ity, koa atsaharo ny fiandrasana ary mirosoa amin’izay. Omano ny tenanao amin’ny fiainana—na dia fiainana samirery aza—amin’ny alalan’ny fianarana, fananana traikefa, ary fanaovana drafitra. Aza miandry ny fahasambarana hatosika any aminao. Katsaho izany amin’ny alalan’ny fanompoana sy ny fianarana. Amboary ny fiainanao. Ary matokia ny Tompo” (“Dating versus Hanging Out,” Ensign, Jona 2006, 14).

Ampaherezo ireo mpianatra hitady fomba izay ahafahan’izy ireo mampitombo ny finoany an’i Jesoa Kristy sy hahatoky ny fahaizany manatanteraka ireo fitahiana nampanantenaina.

Vakitenin’ny Mpianatra

Hamoaka printy