Seminera sy Institiota
Lesona 20: Fitandrovana ny Finoana sy ny Fijoroana ho Vavolombelona


Lesona 20:

Fitandrovana ny Finoana sy ny Fijoroana ho Vavolombelona

Fampidirana

Manana andraikitra masina ny fianakaviana sy ny tsirairay hampitombo ny finoana an’i Jesoa Kristy sy hitandro ny fijoroana ho vavolombelona ho matanjaka. Nampitandrina ny Mpamonjy fa amin’ny andro farany dia mety ho voafitaka na dia “ireo olom-boafidy” aza (Joseph Smith—Matio 1:22). Ity lesona ity dia mifantoka amin’ny fampatanjahana ny fijoroana ho vavolombelona mba ho voaro amin’ireo herin’ny fahavalo izay mikatsaka ny handrava ny finoana

Vakiteny Enti-mandalina

Sosokevitra Enti-mampianatra

Jaona 14:26–27; Efesiana 4:11–14; 1 Nefia 15:23–24; 2 Nefia 31:19–20; Almà 5:45–46; Helamàna 3:28–30; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 11:13–14; 21:4–6

Manome fiarovana amin’ny fahavalo ny fijoroana ho vavolombelona matanjaka

Hazavao fa indray mandeha ny Loholona Joseph B. Wirthlin (1917–2008) tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia niresaka momba ireo andian’alika dia izay nirenireny nanerana ny ambanivohitr’i Ukraine taona maro lasa izay. Ny hany zavatra nampatahotra azy ireo dia ny afo. Rehefa manao dia hiala amin’ireo tanàna ny olona dia tsy maintsy manao tsangan’afo maromaro somary lehibe sy miambina izany tsy ho faty mandritra ny alina mba handroahana ireo alika dia.

Manasà mpianatra iray hamaky izao fanambarana manaraka izao:

Loholona Joseph B. Wirthlin

“Ireo mpandeha dia nahatakatra fa ny fanamboarana sy ny fitazomana ilay tsangan’afo miredareda mba tsy ho faty dia tsy hevitra nahafa-po na koa hoe nanamorana ny dia fotsiny ihany, fa izany dia fomba nitsinjovana ny aina. …

“Tsy voatery hiaro ny tenantsika amin’ireo andian’alika dia isika rehefa mizotra amin’ny làlam-piainana ankehitriny, fa amin’ny fomba fijery ara-panahy kosa dia miatrika ireo alika dia mpamitaka avy amin’i Satana isika izay miendrika fakam-panahy, faharatsiana ary ota. Isika dia miaina ao anatin’ny fotoan-tsarotra izay mampirangorango ireo alika dia izay mivezivezy manerana ny ambanivohitra ara-panahy rehetra eny, mitady ireo malemy am-pinoana sy ireo izay tsy manana fahatokian-tena matanjaka amin’ny zavatra izay inoany. … Mora handairan’ny fanafihana isika rehetra. Kanefa isika dia afaka manamafy ny tenantsika amin’ny fiarovana izay omen’ny fijoroana ho vavolombelona mirehitra antsika, toy ilay tsangan’afo izay natsangana sy nokarakaraina tamim-pitandremana” (“Spiritual Bonfires of Testimony,” Ensign, Nôv. 1992, 34).

  • Nahoana no “fomba fitsinjovana ny aina” ny fitazomana ny fijoroana ho vavolombelona ho matanjaka amin’izao fotoana izao? (Aorian’ny resadresaka fohifohy dia soraty eny amin’ny solaitrabe izao manaraka izao: Rehefa manamafy ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika isika dia tsy ho mora handairan’ireo fanafihana ny finoantsika.)

  • Ahoana no ahafahan’ny fananana fijoroana ho vavolombelona matanjaka hanampy anao hampahatanjaka ireo izay ao an-tokantrano sy ny hafa mba hanohitra ireo fanafihana ny finoan’izy ireo?

Asehoy na soraty eny amin’ny solaitrabe izao tabilao manaraka izao. Aza ampidirina ao ireo fitsipika mahitsy izay ao anaty fononteny ireo; ireo fitsipika ireo dia nomena mba ho tombontsoan’ny mpampianatra. Asao ny mpianatra hamaky ireo andian-tsoratra masina ao amin’ny iray amin’ireo fizarana ao anatin’ilay tabilao sy hikaroka ireo fitsipika izay manampy hiaro amin’ireo hery izay mamparefo ny finoana. Asao ny mpianatra hamintina ny zavatra novakian’izy ireo amin’ny fomba tsotra hilazana fitsipika na fotopampianarana iray ary hizara izany avy eo.

2 Nefia 31:19–20

Helamàna 3:28–30

Efesiana 4:11–14

F&F 21:4–6

Jaona 14:26–27.

F&F 11:13–14

1 Nefia 15:23–24

Almà 5:45–46

(Rehefa mitàna ny finoantsika hiorina ao amin’i Kristy isika dia afaka ny hibosesika handroso ao amin’ilay lalana ety sy tery izay mitondra any amin’ny fiainana mandrakizay.)

(Rehefa manaraka ireo apôstôly, mpaminany, sy ireo mpitarika hafa avy amin’ny Tompo isika dia afaka ny ho voaro amin’ny fitaka.)

(Afaka handefa fiadanana sy fitarihana ny Tompo amin’ny alalan’ny Fanahy Masina rehefa voatafika ny finoantsika.)

(Ny fifadian-kanina sy ny vavaka ary ny fandalinana soratra masina dia mampahatanjaka ny finoana sy ny fijoroana ho vavolombelona ary mamela antsika haharitra ireo olana.)

  • Ahoana no efa nampahatanjaka anao na ny olona iray izay fantatrao mba hanohitra ireo fanafihana ny finoana ireo fitsipika ireo?

  • Ahoana no mety hampiasanao ireo fampahalalana ireo mba hampahatanjaka ny olona iray fantatrao izay manana olana amin’ny finoany?

Ampahatsiahivo ny mpianatra izao manaraka izao: Ny finoana dia fanomezana avy amin’ Andriamanitra izay omena toy ny valisoa noho ny fahamarinan’ny tena manokana. Izany dia omena tsy tapaka rehefa misy ny fahamarinana, ary arakaraky ny haben’ny refin’ny fankatoavana ny lalàn’ Andriamanitra no maha-lehibe ihany koa ny finoana azo” (Bruce R. McConkie, Mormon Doctrine, 2nd ed. [1966], 264). Mijoroa ho vavolombelona fa ny fananana finoana an’i Jesoa Kristy, ny fanarahana ireo mpaminany, ny fikatsahana ny Fanahy sy ny fandalinana ireo soratra masina dia hiaro sy hampahatanjaka ny fijoroana ho vavolombena. Rehefa tsy tontosaintsika ireo zavatra ireo dia hanjary harefo ny finoana ary ho very ny fijoroana ho vavolombelona.

Manasà mpianatra iray hamaky amin’ny feo avo izao fanambarana manaraka izao izay nataon’ny Loholona M. Russell Ballard ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Loholona M. Russell Ballard

“Taona vitsy taty aoriana dia tonga namangy ahy ny iray tamin’ireo misionerako tsara hofana izay niara-nanompo tamiko nandritra ny nanompoako ho filohan’ny Misiona tany Toronto. Nanontany azy aho, ‘Elder, inona no azoko hanampiana anao?

“‘Filoha,’ hoy izy namaly, mieritreritra aho hoe mihamarefo ny fijoroako ho vavolombelona.’

“‘Saika tsy nampino ahy izany. Nanontany azy aho ny mampitombina izany.

Nilaza izy fa “‘tamin’ny fotoana voalohany namakiako ireo lahatsoratra mankahala ny Môrmôna vitsivitsy dia,’ ‘Nanana fanontaniana aho, ary tsy hisy olona hamaly izany ho ahy. Very hevitra sy mieritreritra aho hoe mihamarefo ny fijoroako ho vavolombelona.’

“Nanontany azy aho hoe inona ireo fanontaniana nananany ireo, ary nolazaina ahy izany. Ireo fanontaniana ireo dia olana mahakasika ny fenitra arahan’ireo olona manohitra ny Fiangonana, kanefa dia nila fotoana kely aho hanangonako ireo fitaovana mba ahafahako hanome valim-panontaniana mazava. Koa dia nametraka fotoana izahay mba hihaonana afaka 10 andro, tamin’ny fotoam-bavaka dia nilaza taminy aho fa hamaly ny tsirairay avy amin’ireo fanontaniany. Rehefa handeha izy, dia nangataka azy aho hijanona kely.

“‘Elder, efa nanontany ahy fanontaniana vitsivitsy ianao androany,’ hoy aho taminy. Ankehitriny dia manana iray ho anao aho.’

“‘Eny, Filoha?’

“‘Oviana ianao no namaky farany ny Bokin’i Môrmôna?’ Hoy aho nanontany.

Nikimpy ny masony. Niondrika nijery ny tany izy nandritra ny fotoana fohy. Ary avy eo dia nijery ahy izy. Tena efa ela, Filoha,’ hoy izy nilaza tamim-pahatsorana.

“Eny,” hoy aho. ’Efa nomenao ahy ny andraikitro. Koa rariny ihany koa ny hanomezako anao ny andraikitrao. Tiako ianao hampanantena ahy fa hamaky ao amin’ny Bokin’i Môrmôna farafahakeliny adiny iray isan’andro manomboka izao mandra-pahatongan’ny fotoana hihaonantsika manaraka.’ Nanaiky izy hanao izany

“Folo andro taty aoriana dia niverina tao amin’ny biraoko izy, ary efa vonona aho tamin’izay. Navoakako avokoa ireo taratasiko mba hanombohako hamaly ny fanontaniany, kanefa dia najanony aho.

“‘Filoha,’ hoy izy, ‘tsy ilaina izany.’ Ary avy eo dia nanazava izy hoe: ‘Fantatro fa marina ny Bokin’i Môrmôna. Fantatro fa mpaminanin’ Andriamanitra i Joseph Smith.

“‘Tsara izany, ’ hoy aho taminy. ’Fa na izany aza dia handray ny valin’ireo fanontanianao ihany ianao. Fotoana lava no nanomanako ity, koa mahazoa toerana ary mihainoa.’

“Ary dia namaly ny fanontaniany rehetra aho sy nanontany azy hoe: ’Ry Elder, inona no zavatra nianaranao tamin’ity?’

“Ary hoy izy, ’Omeo fehim-potoana mitovy ny Tompo.’

“Aoka isika handrakitra izany hevitra izany ao an-tsaintsika sy hitondra izany manaraka antsika hamakivaky ity dingan’ny fiainana mety maty ity. Andao isika hanome ny Tompo fehim-potoana mitovy” (“When Shall These Things Be?” Ensign, des. 1996, 60).

  • Inona no zavatra nianaranareo avy amin’ny traikefa nozarain’ny Loholona Ballard?

  • Ahoana no mety ahafahan’ny fanomezana “fehim-potoana mitovy” ny Tompo eo amin’ny fiainanao sy ny fiainam-pianakavianao hanome tanjaka hanoheranareo an’i Satana?

  • Ahoana no mety hanomanan’ny fampiharana ireo fitsipika ireo anao ankehitriny mba ho tonga vady sy ray aman-dreny tsara?

Farano ity ampahana lesona ity amin’ny fangatahana mpianatra iray hamaky izao fanambarana manaraka izao izay nataon’ny Loholona Richard G. Scott ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Loholona Richard G. Scott

Rehefa mivavaka tsy tapaka maraina sy hariva isika, ka mandalina isan’andro ny soratra masintsika, sy manao takarivan’ny mpianakavy isan-kerinandro, ary mandeha tsy tapaka any amin’ny tempoly dia mamaly amim-pahavitrihana ilay fanasana nataon’[i Jesoa Kristy] mba “hanatona Azy.” Arakaraka ny ananantsika bebe kokoa ireo fahazarana ireo no vao maika mampanosika bebe kokoa an’i Satana handratra antsika, saingy hihena ny fahafahany manao izany. Amin’ny alalan’ny fampiasana ireo fitaovana ireo no hampiharantsika ny fahafahantsika misafidy mba hanekena ireo fanomezana feno avy amin’ny Sorompanavotany.

Mijoro ho vavolombelona aho fa rehefa manatona Azy amim-pahavitrihana isika dia afaka ny hahatohitra izay fakam-panahy rehetra, sy hahazaka izay ratram-po sy olana rehetra atrehantsika” (“Ataovy Voalohany amin’ny Laharam-pahamehanareo ny Fampiasana Finoana,” Ensign na Liahona, Nôv. 2014, 94).

Anontanio ireo mpianatra raha toa ka misy afaka hizara traikefa izay azo zaraina amin’izy ireo mahakasika ny fomba nandreseny ireo fanamby mifandraika amin’ny finoan’izy ireo.

Lioka 22:31–32; 3 Nefia 18:32; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 108:7–8

Manamafy ny finoan’ny hafa

Asaivo mananga-tànana ireo mpianatra raha toa ka mahafantatra olona izy ireo izay manana olana amin’ny fihazonana ny fijoroany ho vavolombelona.

Asao ny mpianatra handalina sy hampitaha ny Lioka 22:31–32; 3 Nefia 18:32; sy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 108:7–8 ary hianatra ny andraikitra izay ananantsika amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana mahatoky antsika, indrindra amin’ireo ao an-tokantrano. Rehefa ampy ny fotoana nanaovana izany dia asao ireo mpianatra hizara ny zavatra nianarany. Tokony ho takatry ny mpianatra izao fitsipika manaraka izao: Rehefa niova fo ao amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy isika dia manana andraikitra hampahatanjaka ny finoan’ny hafa.

Zarao ity teny nataon’ny Filoha Thomas S. Monson ity:

Filoha Thomas S. Monson

“Nahita aho fa antony lehibe roa no manazava amin’ny ankapobeny ny fiverenana ho mavitrika indray sy ny fiovan’ny toetra sy ny fahazarana ary ny fihetsika. Voalohany, miverina ny olona satria nisy olona nampiseho azy ireo zavatra azon’izy ireo atao izay mahasoa mandrakizay sy nanampy azy ireo hanapa-kevitra ny hanatanteraka izany. Ny olona malaindaina dia tsy afaka ny hionona amin’ny zavatra antonontonony rehefa hitan’izy ireo fa azon’izy ireo tratrarina ilay tsara dia tsara.

“Faharoa, miverina ny hafa satria nanatanteraka ny fangatahan’ny Mpamonjy ireo olon-tiana na ’mpiray fanjakana amin’ny olomasina’ ka nitia ny namany tahaka ny tenany [Efesiana 2:19] ary nanampy ny hafa hanatanteraka ireo nofinofiny sy ireo zava-kinendriny.

“Ny zavatra nandrisika tao anatin’izany dingana izany dia ny fitsipiky ny fitiavana—ary mbola ho izany hatrany” (“Our Responsibility to Rescue,” Ensign, ôkt. 2013, 5).

  • Nahoana araka ny hevitrao no zava-dehibe izay mandrisika ny fampatanjahana ny finoan’ny hafa ny fitiavana?

  • Oviana ianao na ny olona fantatrao no efa nanampy tamin’ny fampatanjahana ny finoan’ny olona iray izay manana olana ara-panahy?

  • Inona ireo dingana azonareo atao mba hahomby kokoa amin’ny fanamafisana ny finoan’ny hafa?

Farano ny lesona amin’ny fizarana fijoroana ho vavolombelona fa afaka manampy amin’ny famerenana sy ny fampatanjahana ny finoan’ireo namany sy fianakaviany ireo mpianatra rehefa maneho fitiavana sy manaraka ireo fitsipika voaresaka nandritra ity lesona ity.

Vakitenin’ny Mpianatra