Seminera sy Institiota
Lesona 17: Ny didy ho maro fara sy hihabetsaka ary hameno ny tany


Lesona 17

Ny didy ho maro fara sy hihabetsaka ary hameno ny tany

Fampidirana

Ampahany iray izay tsy afa-misaraka amin’ny drafitra mandrakizain’ny Ray any An-danitra ny didy ho maro fara sy hihabetsaka ary hameno ny tany izay mbola manan-kery amin’izao fotoana izao. Ity lesona ity dia hanampy ny mpianatra hahita fa afaka ho tarihin’ny Fanahy Masina izy ireo amin’ny fanapaha-kevitra izay hataony momba ny fananan-janaka rehefa mandalina ny tenin’ireo mpaminany velona sy mikatsaka ny fitarihan’ny Ray any An-danitra amin’ny alalan’ny vavaka.

Vakiteny Enti-mandalina

  • Neil L. Andersen, “Zanaka,” Ensign na Liahona, Nôvambra. 2011, 28–31.

  • Russell M. Nelson, “Fanalan-jaza: Fanararaotana ireo tsy manana fiarovan-tena,” Ensign, Ôk. 2008, 32–37.

Sosokevitra Enti-mampianatra

Genesisy 1:27–28; 9:1; 35:11

Ny didy ho maro fara sy hihabetsaka ary hameno ny tany dia mbola manan-kery

Soraty eny amin’ny solaitrabe ireto andalana manaraka ireto izay ao amin’ny “Ny fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao” alohan’ny fotoam-pianarana:

“Ny didy voalohany izay nomen’ Andriamanitra an’i Adama sy i Eva dia momba izay mety haha-ray aman-dreny azy amin’ny maha-mpivady azy. Ambaranay fa ny didin’ Andriamanitra ho an’ ny zanany mba hitombo ka hameno ny tany dia mbola manan-kery.”

Atombohy ny fotoam-pianarana amin’ny fametrahana ny fanontaniana hoe:

  • Inona no hevitrao rehefa misaintsaina ireo fehezanteny roa ireo ianao?

Asao ny mpianatra handalina ny Genesisy 1:27–28, Genesisy 9:1, ary ny Genesis 35:11, ka hikaroka ny anaran’ireo olona izay nodidian’ Andriamanitra mba hitombo sy hameno ny tany. Azonao atao ny mamporisika ny mpianatra hampifandray ireo an-dalantsoratra masina ireo ao amin’ny soratra masin’izy ireo, ary hanamboatra lisitr’ireo soratra masina mifampitohy. Ataovy izay ahatakaran’ny mpianatra fa ity didy ity dia efa nomena nandritra ny fotoam-pitantanan’ny filazantsara rehetra.

Asehoy ity fanambarana nataon’ny Loholona Neil L. Andersen ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity, ary mangataha mpianatra iray hamaky izany mafy:

Loholona Neil L. Andersen

“Tena voninahitra lehibe ho an’ny mpivady izay afaka manan-janaka ny manome vatana ara-nofo ho an’ireo zanaka fanahy an’ Andriamanitra ireo. Mino ny fianakaviana isika ary mino ny zanaka.

“Rehefa ateraky ny mpivady ny zaza iray, dia manatanteraka ny ampahan’ny drafitry ny Raintsika any An-danitra izy ireo, dia ny hitondra zanaka ho ety an-tany” (“Zanaka,” Ensign na Liahona, Nôvambra. 2011, 28).

Tsindrio manokana ilay fehezanteny farany ao amin’io fanambarana io amin’ny alalan’ny fanehoana izao fitsipika manaraka izao: Rehefa ateraky ny mpivady ny zaza iray, dia manatanteraka ny ampahan’ny drafitry ny fahasambarana avy amin’ny Raintsika any An-danitra izy ireo. Miresaha momba ilay fehezanteny eny amin’ny solaitrabe ary manontania hoe:

  • Nahoana araka ny hevitrao no namerina ny didy mba “hitombo sy hameno ny tany” ny Tompo amin’izao androntsika izao amin’ny alalan’ireo mpaminany maoderina? (Ohatra amin’izany, azonao atao ny milaza amin’ny mpianatra fa hatramin’ny 1960 dia nihena hatrany amin’ny 45 isan-jato ny taham-piterahan’ny reny manam-bady tany Etazonia.)

  • Inona ireo antony azo heverina fa mahatonga ny mpivady hirona amin’ny fananan-janaka vitsy? (Mety ho tafiditra ao anatin’ ny valinteny ny hoe tsy fisiana ara-bola, mbola mamarana fianarana, fiandrasana mba hanombohana hiasa.)

  • Ahoana no ahafahan’ny fahatakarana ny drafitr’ Andriamanitra ho an’ny zanany hanampy ny mpivady iray izay hanapa-kevitra amin’ny fotoana hiterahan’izy ireo sy ny isan-janany?

Hazavao fa handray fitahiana avy amin’ Andriamanitra ireo mpivady izay hanome fahafahana azy ireo hitandrina ilay didy mba hiteraka na dia mandritra ny fotoana sarotra aza. Zarao izao traikefa manaraka izao avy amin’ny zavatra niainan’ny Loholona James O. Mason ao amin’ny Fitopololahy, araka ny efa nambaran’ny Loholona Neil L. Andersen:

Loholona Neil L. Andersen

“Herinandro vitsy monja taorian’ny fanambadiany dia nanana traikefa iray ny Loholona Mason, traikefa izay nanampy azy hanao ho laharampahamehana ny andraikiny ao amin’ ny fianakaviany. Hoy izy hoe:

“‘Izaho sy i Marie dia nieritreritra fa mba hahafahako mamita ny fianarana ho mpitsabo dia tena ho nilaina ny hanohizan’i Marie ny asany. Na dia tsy izany loatra aza no tena nirianay hatao, dia voatery nampiandrasana taorian’izany ny fananan-janaka. [Raha namadibadika gazetibokin’ny Fiangonana iray tao an-tranon’ny ray aman-dreniko aho] dia nahita lahatsoratra iray nosoratan’ny Loholona Spencer W. Kimball, izay tao amin’ny Kôlejin’ ny Roambinifololahy tamin’ izany, [izay nanantitrantitra] ny andraikitra mifanaraka amin’ ny fanambadiana. Araka ny hevitry ny Loholona Kimball dia andraikitra iray masina ny mihabetsaka sy mameno ny tany. Ny tranon’ ny ray aman-dreniko dia [akaikin’ny] Birao Fandraharahana an’ny Fiangonana. Avy hatrany aho dia nandeha tongotra nankeny amin’ny birao, ary 30 minitra taorian’ny namakiako ilay lahatsoratra, dia efa nipetraka teo ampitan’ny latabatra nisy an’ny Loholona Spencer W. Kimball aho.’ (Sarotsarotra kokoa ny hahatanteraka izany amin’ izao androntsika izao.)

“‘Nazavaiko fa te ho tonga dokotera aho. Tsy nisy fomba hafa ankoatra ny fanemorana ny fanananay zanaka. Nihaino tsara ahy ny Loholona Kimball ary avy eo dia namaly tamin’ ny feo malefaka izy, “Ry rahalahy Mason, tian’ ny Tompo ve ianao handika ny iray amin’ ireo didy manan-danja mba hahatongavanao ho dokotera? Raha ampian’ ny Tompo ianao, dia sady afaka manana ny fianakavianao ianao no afaka ho tonga dokotera ihany koa. Aiza re ny finoanao?”’

Notohizan’ny Loholona Mason ny tantara: ‘Tsy ampy herintaona taorian’izay akory dia teraka ny zanakay voalohany. Niasa mafy izaho sy i Marie ary dia nosokafan’ ny Tompo ny varavaran’ ny lanitra.’ Nahazo zanaka roa fanampiny ry Mason talohan’ ny nivoahany tao amin’ny sekolin’ny mpitsabo efa-taona taty aoriana” (“Zanaka,” 29).

  • Inona no manaitra anao momba io traikefa io?

Tsindrio manokana fa ny hoe manambady dia ampahany tena manan-danja amin’ny fitandremana ny didy mba hiteraka. Vakio izao fanambarana manaraka izao avy ao amin’ny fanambarana ho an’ny fianakaviana:

“Natao ho teraka ao anatin’ny fatotry ny fanambadiana ny ankizy, ary hotezain’ny ray sy ny reny izay manaja amim-pahatokiana tanteraka ny voady nataony tamin’ny fanambadiana.”

  • Inona ireo tombontsoa hananan’ireo zanaka izay “teraka ao anatin’ny fatotry ny fanambadiana”?

  • Inona ireo eritreritra sy fahatsapana anananao mahakasika ny fanampiana ny Ray any An-danitra hanatanteraka ny drafiny amin’ny alalan’ny fiterahana?

1 Nefia 15:11; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:6

Fikatsahana ny fitarihan’ny Tompo

Asehoy ity fanambarana nataon’ny Loholona Neil L. Andersen ity, ary mangataha mpianatra iray hamaky mafy izany:

Loholona Neil L. Andersen

“Ny hoe rahoviana no hanan-janaka sy ny hoe firy ny isan’ny zaza hateraka dia fanapahan-kevitra manokana ataon’ny mpivady sy ny Tompo. Fanapahan-kevitra masina izany—fanapahan-kevitra tokony atao amin’ ny alalan’ny vavaka amin-kitsimpo ary tanterahana am-pinoana lehibe” (“Zanaka,” 28; nampiana soramandry).

  • Inona no dikan’ny hoe ireo fanapahan-kevitra ireo dia tokony “tanterahina amin’ny finoana lehibe”?

Asao ny mpianatra handalina ny 1 Nefia 15:11 sy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:6 ary hianatra ireo fitsipika sasantsasany izay azon’ny mpivady ampiasaina rehefa mikatsaka valiny amin’ireo fanontaniana mahakasika ny fotoana tokony hiterahana sy ny isan’ny zanaka hateraka izy ireo.

  • Inona ireo fitsipika hitanareo ao amin’ireo andalana ireo izay afaka manampy ny mpivady hanapa-kevitra amin’ny fotoana hiterahan’izy ireo sy ny isan’ny zanaka hateraka. (Hamafiso ity fitsipika manaraka ity: Rehefa mampihatra finoana sy mikatsaka ny Tompo amim-bavaka ireo mpivady dia hitarika azy ireo amin’ireo fanapahan-kevitra momba ny fiterahana Izy.)

  • Nahoana araka ny eritreritrao no manan-danja ho an’ny mpivady ny manontany ny Tompo momba ireny zavatra ireny?

Asehoy ity fanambarana nataon’ny Loholona Dallin H. Oaks ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity, ary mangataha mpianatra iray hamaky izany mafy:

Loholona Dallin H. Oaks

“Firy no zanaka tokony hananan’ny mpivady iray? Izay rehetra mety ho voakarakaran’izy ireo! Mazava ho azy fa ny mikarakara zanaka dia tsy midika fotsiny hoe manome aina azy ireo. Tsy maintsy tiavina, beazina, ampianarina, omena sakafo sy fitafiana ary trano fialofana ka mba ho tsara fanombohana izy ireo sy ho tonga ray aman-dreny tsara” (“The Great Plan of Happiness,” Ensign, Nôvambra. 1993, 75).

  • Ahoana no mety hanampian’ny fampianarana nataon’ny Loholona Oaks ny mpivady iray hahafantatra ny isan’ny zanaka tokony aterak’izy ireo?

Mandritra ity lesona ity dia mananà fo mahatakatra ny mety ho fahatsapan’ireo mpianatra izay mety tsy hanana fahafahana ny ho tonga ray aman-dreny eto amin’ity fiainana ity. Mety hanampy izao fanambarana nataon’ny Loholona Neil L. Andersen manaraka izao:

Loholona Neil L. Andersen

“Ny fiterahana dia mety ho lohahevitra iray mahavaky fo ho an’ireo mpivady mahatoky izay mahafantatra fa izy ireo dia tsy afaka ny hanana ireo zanaka izay efa nantenain’izy ireo mafy, na ho an’ireo mpivady izay nihevitra ny hanana fianakaviana maro anaka kanefa manana fianakaviana kelikely kokoa.

“Tsy afaka ny hanazava foana ny fahasarotan’ ny fiainana an-tany isika. Indraindray ny fiainana dia toa tena miangatra—indrindra rehefa hoe ny faniriantsika lehibe indrindra dia ny manao araka izay handidian’ ny Tompo. Amin’ny maha-mpanompon’ny Tompo ahy dia hamafisiko aminareo fa azo antoka ity fampanantenana ity: ‘Ireo mpikambana mahatoky izay miaina ao anatin’ny toe-javatra izay tsy mamela azy ireo handray ny fitahian’ny fanambadiana mandrakizay sy ny fitahiana amin’ny maha-ray aman-dreny mandritra ity fiainana ity dia hahazo ireo fitahiana nampanantenaina rehetra any amin’ny mandrakizay raha toa ka mitandrina ny fanekempihavanana izay efa nataony tamin’ Andriamanitra izy ireo’ [Manuel 2: Administration de l’Eglise (2010), 1.3.3]” (“Enfants,” 30).

Salamo 127:3; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 59:6

Ny Fahamasinan’ny fiainana

Mangataha mpianatra iray hamaky mafy ny Salamo 127:3.

  • Midika inona ny hoe “lova avy amin’i Jehovah ny zanaka maro”? (Fanomezana avy amin’ Andriamanitra ny zanaka.)

Vakio izao manaraka izao avy amin’ny fanambarana momba ny fianakaviana: “Hizingizininay ny fahamasinan’ny fiainana sy ny maha-zava-dehibe izany eo amin’ny drafitra mandrakizay an’ Andriamanitra.” Mijoroa ho vavolombelona momba ity fitsipika ity: Rehefa takatsika fa fanomezana avy amin’ Andriamanitra ny zanaka dia hahatakatra tsaratsara kokoa ny fahamasinan’ny fiainan’izy ireo isika. Amin’ny faritra maro manerana izao tontolo izao dia ekena ny fanalan-jaza koa an-tapitrisany maro ny fanalan-jaza tontosa isan-taona. Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny lalàna napetraky ny Fiangonana mahakasika ny fanalan-jaza dia zarao izao fanambarana manaraka izao ary asao ny mpianatra hihaino hoe rahoviana sy amin’ny toe-javatra manao ahoana no azo ekena ny fanalan-jaza:

“Ny fiainan’ny olombelona dia fanomezana masina avy amin’ Andriamanitra. Ny fiandaniana ny fanalan-jaza mba hifanaraka amin’izay tian’ny fiaraha-monina na ny tena manokana dia mifanohitra amin’ny didy sy ny sitrapon’ Andriamanitra. … Nampangain’ireo mpaminanin’ny andro farany ny fanalan-jaza tao anatin’ny fampiasan’izy ireo ny fanambaran’ny Tompo hoe: “Tsy … hamono olona, na hanao zavatra toy izany ianao” (F&F 59:6). Ny torohevitr’izy ireo mahakasika io lohahevitra io dia mazava tsara. Tsy tokony hanaiky, na hanao, na hamporisika, na hiantoka fanalan-jaza na hanampy amin’ny fanaovana izany ny mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. Ireo mpikamban’ny Fiangonana izay mamporisika amin’ny fanalan-jaza na amin’ny fomba ahoana na amin’ny fomba ahoana izany dia tokony hiatrika ny fitsipi-pifehezan’ny Fiangonana.

“Nilaza ny mpitarika ny Fiangonana fa mety misy toe-javatra manokana vitsivitsy izay azo hanekena ny fanalan-jaza toy ny hoe raha toa ny fitondrana vohoka, vokatry ny firaisana ara-nofo tamin’ny havana na vokatry ny fanolanana, ary raha toa ka tandindomin-doza ny ain’ilay reny na ny fahasalamany araka ny hevitry ny dokotera manam-pahaizana, na raha toa ka fantatry ny dokotera manam-pahaizana fa misy tsy fetezany ilay zaza vao mitsaika ka mety tsy ho velona alohan’ny hahaterahany akory ilay zaza. Kanefa na dia ireo toe-javatra ireo aza dia tsy tonga dia manamarina avy hatrany ny fanalan-jaza. Ireo izay sendran’ireo toe-javatra ireo dia tsy tokony hieritreritra ny fanalan-jaza raha tsy aorian’ny firesahany amin’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana eo an-toerana sy aorian’ny fahazoany fanamafisana avy amin’ny vavaka lalina” (Gospel Topics, “Abortion,” lds.org/topics).

  • Inona ireo toe-javatra manokana azo hanekena ny fanalan-jaza?

  • Na dia miseho aza ireo toe-javatra ireo, inona no torohevitra tokony katsahin’ireo izay misaintsaina ny hanatanteraka izany?

Zarao izao fanambarana manaraka izao mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra fa ny fananganan-jaza dia fanoloana tsy misy fitiavan-tena ny fanalan-jaza:

“Izahay dia maneho ny fanohananay ireo ray aman-dreny tsy manam-bady izay mametraka ny zanak’izy ireo ao amin’ny tokantrano milamina izay ahitana ray sy reny mba hatsangana. Maneho ny fanohananay ihany koa izahay amin’ireo mpivady izay manangana ireo zaza ireo.

“… Ny fananana fifandraisana feno fiarovana sy mikolokolo ary tsy tapaka amin’ilay ray sy ilay reny dia tena manan-danja ho tombontsoan’ny zaza iray. Rehefa misafidy ny fananganan-jaza, ireo ray aman-dreny tsy manambady dia manolotra ho an’ny zanany ity fitahiana tena manan-danja indrindra ity. Fanapahan-kevitra tsy misy fitiavan-tena sy feno fitiavana ny fananganan-jaza izay hitahy ilay zaza sy ny ray aman-dreny niteraka azy ary ireo ray aman-dreny izay hanangana azy eto amin’ity fiainana ity sy mandritra ny mandrakizay” (Fanambarana avy amin’ny Fiadidiana Voalohany, Ôktôbra. 4, 2006, araka ny voalaza ao amin’ny Ensign, Ôktôbra. 2008, 37).

Rehefa mamarana ny fotoam-pianarana ianao dia zarao ny fijoroanao ho vavolombelona mikasika ny fifaliana izay efa nentin’ny ankizy teo amin’ny fiainanao. Amporisiho ny mpianatra hiomana am-pahamendrehana amin’izany fahafahana masina izany dia ny hitondra zanaka ho eto amin’ity izao tontolo izao ity.

Vakitenin’ny Mpianatra