Ny soratra masina
Almà 41


Toko 41

Mitsangana ho amin’ny toetry ny fahasambarana tsisy farany na fahoriana tsisy farany ny olona amin’ny Fitsanganana amin’ny maty—Tsy fahasambarana na oviana na oviana ny faharatsiana—Ny olon’ny nofo dia tsy manana an’ Andriamanitra eo amin’izao tontolo izao—Amin’ny Famerenana amin’ny laoniny, ny olona tsirairay dia mandray indray ny endrika sy ny toetra nananany tamin’ny fiainana mety maty. Tokony ho 74 taona talohan’i Kristy.

1 Ary ankehitriny anaka, dia somary manan-kolazaina ihany aho momba ny famerenana amin’ny laoniny izay efa voateny; fa indro, efa naolan’ny sasany ny soratra masina, ka efa naniasia izy noho izany zavatra izany. Ary takatro fa efa sahirana koa ny sainao momba izany zavatra izany. Nefa indro, hohazavaiko anao izany.

2 Lazaiko aminao anaka, fa ny drafitry ny famerenana amin’ny laoniny dia ilaina araka ny fahamarinan’ Andriamanitra; fa ilaina ny tokony hamerenana ny zava-drehetra amin’ny laminy tsirairay avy. Indro, ilaina sy rariny, araka ny hery sy ny fitsanganan’i Kristy amin’ny maty, ny tokony hamerenana ny fanahin’ny olona amin’ny vatany, ary ny rantsambatana tsirairay dia tokony haverina aminy ihany.

3 Ary ilaina araka ny fahamarinan’ Andriamanitra ny tokony hitsarana ny olona araka ny asany; ary raha tsara ny asany teo amin’izao fiainana izao ary tsara ny fanirian’ny fony, dia tokony haverina amin’izay tsara koa izy amin’ny andro farany.

4 Ary raha ratsy ny asany, dia haverina ratsy aminy izany. Noho izany, ny zava-drehetra dia haverina amin’ny laminy tsirairay avy, ny zavatra tsirairay ho amin’ny firafiny voajanahary—ny mety maty atsangana ho tsy mety maty, ny fahalòvana ho tsy fahalòvana—atsangana ho amin’ny fahasambarana tsisy fiafarany mba handova ny fanjakan’ Andriamanitra, na ho amin’ny fahoriana tsisy fiafarany mba handova ny fanjakan’ny devoly, ny iray amin’ny an-daniny, ny hafa amin’ny ankilany—

5 Ny iray atsangana ho amin’ny fahasambarana araka ny faniriany fahasambarana, na tsara araka ny faniriany ny tsara; ary ny hafa ho amin’ny ratsy araka ny faniriany ny ratsy; fa tahaka ny efa naniriany ny hanao ratsy nandritra ny manontolo andro dia tahaka izany no hananany loka ratsy rehefa tonga ny alina.

6 Ary dia toy izany koa amin’ny an-daniny. Raha efa nibebaka tamin’ny fahotany izy, sy naniry fahamarinana mandra-pahatapitry ny androny, dia toy izany no hamaliana azy fahamarinana.

7 Izy ireo no ireo izay avotan’ny Tompo; eny, izy ireo no ireo izay alaina hivoaka, izay afahana amin’ny alin’ny haizina tsisy fiafarany; ary dia toy izany no ijoroany na ahalavoany; fa indro, izy ireo ihany no tompon’ny tenany na hanao ny tsara, na hanao ny ratsy.

8 Ankehitriny, ny didin’ Andriamanitra dia tsy azo ovaina; noho izany, voaomana ny lalana ka na zovy na zovy no tia izany dia mahazo mandeha aminy ary ho voavonjy.

9 Ary ankehitriny, indro anaka, aza mankahatra fanafintohinana indray mandeha intsony hanohitra an’ Andriamanitrao amin’ireo lafiny amin’ny fotompampianarana ireo, izay efa nankaharanao hatramin’izao mba hahavitana fahotana.

10 Aza mihevitra, satria efa nolazaina ny momba ny famerenana amin’ny laoniny, fa ianao dia haverina avy amin’ny fahotana ho amin’ny fahasambarana. Indro, lazaiko aminao, ny faharatsiana dia tsy fahasambarana na oviana na oviana.

11 Ary ankehitriny anaka, ny olon-drehetra izay ao amin’ny toetra voajanahary, na holazaiko hoe, ao amin’ny toetry ny nofo, dia ao amin’ny ngidin’ny afero sy ao amin’ny famatoran’ny heloka; tsy manana an’ Andriamanitra izy eo amin’izao tontolo izao, ary efa nandeha nanohitra ny toetran’ Andriamanitra izy; noho izany, izy dia ao amin’ny toetra mifanohitra amin’ny toetry ny fahasambarana.

12 Ary ankehitriny, indro, moa ve ny hevitry ny teny hoe famerenana amin’ny laoniny, dia ny fandraisana zavatra iray avy amin’ny toetrany voajanahary sy ny fametrahana izany ao amin’ny toetrany tsy voajanahary, na ny fametrahana izany eo amin’ny toetrany mifanohitra amin’ny toetrany voajanahary?

13 Ry anaka, tsy izay no fisehoan-javatra; fa ny hevitry ny teny hoe famerenana amin’ny laoniny kosa dia ny famerenana indray ny ratsy ho amin’ny ratsy, na ny nofo ho amin’ny nofo, na ny avy amin’ny devoly ho amin’ny avy amin’ny devoly—ny tsara ho amin’izay tsara; ny rariny ho amin’izay rariny; ny hitsiny ho amin’izay hitsiny; ny feno famindram-po ho amin’izay feno famindram-po.

14 Noho izany anaka dia ataovy izay hamindranao fo amin’ny rahalahinao; ataovy araka ny hitsiny, mitsarà araka ny rariny ary manaova ny tsara lalandava; ary raha ataonao ireo zavatra rehetra ireo, dia handray ny lokanao ianao amin’izany; eny, hanana ny famindram-po averina aminao indray ianao; hanana ny hitsiny averina aminao indray ianao; hanana ny fitsarana ara-drariny averina aminao indray ianao; ary hanana ny tsara avaly anao indray ianao.

15 Fa izay alefanao any ivelany no hiverina aminao indray sy haverina amin’ny laoniny; noho izany, ny teny hoe famerenana amin’ny laoniny dia manameloka tanteraka kokoa ny mpanota, ary tsy manamarina azy mihitsy.