Fanampiana amin’ny fandalinana
DJS, Galatiana 3


DJS, Galatiana 3:19–20. Ampitahao amin’ny Galatiana 3:19–20

I Mosesy no mpanalalana amin’ny fanekempihavanana voalohany na ny lalàna. I Kristy no mpanalalana amin’ny fanekempihavanana vaovao.

19 Koa amin’izany dia natovana ny lalàna noho ny fandikan-dalàna, ambara-piavian’ny taranaka amin’izay nanaovana fampanantenana tao amin’ny lalàna nomena an’i Mosesy, izay natokan’ny tanan’ireo anjely ho mpanalalana amin’ny fanekempihavanana voalohany (ny lalàna).

20 Ankehitriny ity mpanalalana ity dia tsy mpanalalana amin’ny fanekempihavanana vaovao; fa misy mpanalalana iray amin’ny fanekempihavanana vaovao, izay i Kristy, araka izay voasoratra ao amin’ny lalàna momba ny fampanantenana natao tamin’i Abrahama sy ny taranany. Ankehitriny dia i Kristy no mpanalalan’ny fiainana; fa izany no fampanantenana izay nataon’ Andriamanitra tamin’i Abrahama.

Hamoaka printy