Dikantenin’i Joseph Smith—Tovana Teny fanoloranaIzao manaraka izao dia ampahany nofantenana tao amin’ny Baiboly King James, Dikantenin’i Joseph Smith (DJS). Notaomin’ny fanahin’ny Tompo i Joseph Smith Mpaminany mba hamerina amin’ny laoniny ireo fahamarinana ao amin’ny lahatsoratry ny Baiboly King James izay efa very na novana hatramin’ny nanoratana voalohany ireo teny. Ireo fahamarinana naverina amin’ny laoniny ireo dia nampazava ny fotopampianarana sady nanatsara ny fahatakarana ny soratra masina. DJS, Genesisy DJS, Genesisy 1–8Ity lahatsoratry ny Baiboly ity dia naverin’i Joseph Smith tamin’ny laoniny ary navoaka tao amin’ny Voahangy Lafo Vidy ho Fantina avy amin’ny Bokin’i Mosesy. DJS, Genesisy 9Taorian’ny safodrano dia nangataka ny Tompo i Noa mba tsy hanozona ny tany intsony. DJS, Genesisy 14Nitsodrano an’i Abrama i Melkizedeka. Voasoritsoritra ny asa fanompoana lehiben’i Melkizedeka sy ireo fahefana ary fitahiana avy amin’ny Fisoronana Melkizedeka. DJS, Genesisy 15Nahafantatra ny amin’ny Fitsanganana amin’ny maty i Abrahama ary nahita fahitana mikasika ny asa fanompoana nataon’i Jesoa fony Izy niaina teto an-tany. DJS, Genesisy 17Tsy nahatandrina ireo ôrdônansin’ny filazantsara ny olona, anisan’izany ny batisa. Nohazavain’ Andriamanitra tamin’i Abrahama ny fanekempihavanan’ny famorana sy ny taona hahatongavan’ny ankizy ho tompon’andraikitra. DJS, Genesisy 19Notoherin’i Lota ny faharatsian’i Sodoma ary narovan’ny anjely izy. DJS, Genesisy 21Nitsaoka an’ilay Andriamanitra maharitra mandrakizay i Abrahama. DJS, Genesisy 48Lasa fokon’i Isiraely i Efraima sy i Manase. Toy ny namonjen’i Josefa fahiny ny fianakaviany teo amin’ny ara-nofo no hamonjen’ny taranany an’i Isiraely eo amin’ny ara-panahy amin’ny andro farany. DJS, Genesisy 50I Josefa tany Egypta dia naminany mikasika ny fanafahan’i Mosesy an’i Isiraely amin’ny fambaboan’ny Egyptiana; ny mikasika ny sampana iray amin’ny taranak’i Josefa notarihina hankany amin’ny tany lavitra iray izay hahatsiarovana azy ireo ao amin’ny fanekempihavanan’ny Tompo; ary mikasika ny fiantsoan’ Andriamanitra mpaminanin’ny andro farany iray antsoina hoe Joseph mba hampifandray ny rakitsoratr’i Joda sy ny an’i Josefa ary mikasika an’i Aharôna izay ho mpitondratenin’i Mosesy. DJS, Eksodosy DJS, Eksodosy 4Tsy tompon’andraikitra tamin’ny hamafin’ny fon’i Farao ny Tompo. Jereo koa DJS, Eksodosy 7:3, 13; 9:12; 10:1, 20, 27; 11:10; 14:4, 8, 17; ireo toko sy andininy rehetra ireo, rehefa voadika tsara, dia mampiseho fa i Farao ihany no nanamafy ny fony. DJS, Eksodosy 18I Jetro dia mpisorona avo. DJS, Eksodosy 22Tsy ho velona ny mpamono olona. DJS, Eksodosy 32Tsy handringana an’ireo Isiraelita izay mibebaka ny Tompo. DJS, Eksodosy 33Tsy misy olona mpanota afaka mijery ny tavan’ Andriamanitra ka ho velona. DJS, Eksodosy 34Nanoratra lalàna indray teo amin’ireo vato fisaka izay nomanin’i Mosesy Andriamanitra, saingy nesoriny tsy ho eo amin’ny zanak’i Isiraely ny Fisoronana Melkizedeka sy ireo ôrdônansiny. Nomeny ny lalàn’ny didy ara-nofo izy ireo ho solon’izany. DJS, Deoteronomia DJS, Deoteronomia 10Teo amin’ireo vato fisaka voalohany no nambaran’ Andriamanitra ny fanekempihavanana maharitra mandrakizain’ny fisoronana masina. DJS, 1 Samoela DJS, 1 Samoela 16Ny fanahy ratsy izay tonga tamin’i Saoly dia tsy avy amin’ny Tompo. DJS, 2 Samoela DJS, 1 Samoela 12Tsy navelan’ Andriamanitra ny fahotana mamohehatra vitan’i Davida. DJS, 1 Tantara DJS, 1 Tantara 21Nosakanan’ Andriamanitra ny anjely iray tsy handrava an’i Jerosalema. DJS, 2 Tantara DJS, 2 Tantara 18Tsy mametraka fanahy mandainga eo am-bavan’ireo mpaminany ny Tompo. DJS, Salamo DJS, Salamo 11Amin’ny andro farany dia handositra any an-tendrombohitry ny Tompo ny olo-marina. Rehefa tonga ny Tompo dia handringana ny ratsy fanahy izy ary hanavotra ny olo-marina. DJS, Salamo 14Nahita ny fahaverezan’ny fahamarinana amin’ny andro farany ny Mpanao Salamo ary niandrandra ny fiorenan’i Ziona. DJS, Salamo 24Hanavotra ny olony ny Mpanjakan’ny Voninahitra amin’ny fiaviany. DJS, Salamo 109Tokony hivavaka ho an’ny fahavalontsika isika. DJS, Isaia DJS, Isaia 29Ireo hafatra taloha notorin’ireo mpaminany fahiny tany Jerosalema dia hotorina amin’ny andro farany avy amin’ny Bokin’i Môrmôna izay nivoaka “avy amin’ny tany.” DJS, Isaia 42Haniraka ny mpanompony hampianatra ireo izay nisafidy ny tsy hijery na hihaino ny fahamarinana ny Tompo; hatao tonga fanaperana ireo izay mihaino sy mankatò. DJS, Jeremia DJS, Jeremia 26Tsy manenina ny Tompo; ny olona no manenina. DJS, Amosa DJS, Amosa 7:3Tsy manenina ny Tompo; ny olona no manenina. DJS, Matio DJS, Matio 3Nambaran’ireo mpaminany mialoha fa i Betlehema no ho toerana hahaterahan’ny Mesia. DJS, Matio 4Ny fanahy no nitarika an’i Jesoa fa tsy i Satana. DJS, Matio 5Na zovy na zovy no mitandrina ny didy sy mampianatra ny hafa hanao izany koa dia ho voavonjy. DJS, Matio 6Tsy mitarika antsika ho amin’ny fakam-panahy ny Tompo. DJS, Matio 7Aza mitsara araka ny tsy fahamarinana. DJS, Matio 9Notsipahan’i Jesoa ny batisan’ireo Fariseo; tsy manan-kery izany satria nandà Azy izy ireo. Nambarany fa Izy no ilay nanome ny lalàn’i Mosesy. DJS, Matio 11I Jaona mpanao batisa no ilay Elià izay ho avy hanomana ny lalan’ny Mpamonjy. DJS, Matio 12Na zovy na zovy no miteny ratsy ny Fanahy Masina dia tsy ho voavela. DJS, Matio 13Mialoha ny fahataperan’izao tontolo izao (ny faharinganan’ny ratsy fanahy), dia hangonin’ireo iraka avy any an-danitra ny olo-marina eo anivon’ny ratsy fanahy. DJS, Matio 16Nohazavain’i Jesoa ny hevitry ny hoe “mitondra ny hazofijaliany”: mandà ny toetra rehetra tsy araka an’ Andriamanitra sy ny filandratsin’izao tontolo izao ary mitandrina ny didiny. DJS, Matio 17Nampianatra Elia anankiroa i Jesoa—ny anankiray mba hanomana ary ny anankiray hafa mba hamerina ho amin’ny laoniny. DJS, Matio 18Tsy mila fibebahana ny ankizy madinika. DJS, Matio 19Hovonjena ny ankizy madinika. DJS, Matio 21Tsy maintsy mibebaka ny olona vao afaka ny hino an’i Kristy. DJS, Matio 23Izy izay any an-danitra no mpahary antsika. DJS, Matio 26Namaky ny mofon’ny fanasan’ny Tompo aloha i Jesoa ary avy eo nanamasina izany. Ny fanasan’ny Tompo dia natao ho fahatsiarovana ny vatan’i Jesoa sy ny rany. DJS, Matio 27Fitantarana ny fahafatesan’i Jodasy. DJS, Marka DJS, Marka 2Ny Zanak’Olona no Tompon’ny Sabata satria Izy no nanao ny andro Sabata. DJS, Marka 3I Jesoa dia hamela ny mpanota rehetra izay mibebaka afa-tsy ireo izay miteny ratsy ny Fanahy Masina. DJS, Marka 7Nohelohin’i Jesoa ireo izay nandà ireo mpaminany sy tsy nankatò ny lalàn’i Mosesy. DJS, Marka 8Na iza na iza vonona ny ho faty noho ny amin’i Jesoa dia hahazo famonjena. DJS, Marka 9Teo an-tendrombohitry ny Fiovan-tarehy i Jaona Mpanao Batisa. DJS, Marka 12Andriamanitra dia tsy Andriamanitry ny maty, satria manangana ny maty avy ao am-pasany Izy. DJS, Marka 14Naorin’i Jesoa ny fanasan’ny Tompo ho fahatsiarovana ny vatany sy ny rany. DJS, Marka 16Anjely anankiroa niarahaba ireo vehivavy teo amin’ny fasan’ny Mpamonjy. DJS, Lioka DJS, Lioka 1Nanatanteraka ny andraikitry ny fisoronana i Zakaria, rain’i Jaona Mpanao Batisa. DJS, Lioka 2Ireo mpampianatra tao amin’ny tempoly dia nihaino an’i Jesoa ary nametraka fanontaniana Taminy. DJS, Lioka 3Ho avy i Kristy araka ny faminaniana mba hitondra famonjena ho an’i Isiraely sy ny Jentilisa. Ho avy indray Izy amin’ny fotoam-pahafenoana mba hitsara izao tontolo izao. DJS, Lioka 6Nampianatra i Jesoa fa tsara kokoa ny miaritra fanenjehana toy izay hiady amin’ny fahavalo. DJS, Lioka 9Ny fahazoana ny haren’izao tontolo izao dia tsy mendrika ny hamoizana ny fanahinao. DJS, Lioka 11Ny fahafenoan’ny soratra masina no fanalahidin’ny fahalalana. DJS, Lioka 12Nanazava i Jesoa fa tsy ho voavela heloka izay manevateva ny Fanahy Masina. DJS, Lioka 14Ireo izay mahafantatra an’i Mosesy sy ireo mpaminany dia mino an’i Jesoa. DJS, Lioka 16Mijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa ny lalàna sy ny mpaminany. Nikatsaka ny handrava ny fanjakana ny Fariseo. Nilaza ny fanoharana momba ilay lehilahy manan-karena sy i Lazarosy i Jesoa. DJS, Lioka 17Efa tonga sahady ny fanjakan’ Andriamanitra. DJS, Lioka 18Ny fitokiana amin’ny harena dia misakana ny olona tsy hiditra ny fanjakan’ Andriamanitra. DJS, Lioka 21Nilaza ireo famantarana sasantsasany ny amin’ny fiaviany i Jesoa. DJS, Lioka 23Nangatahin’i Jesoa ny hamelana ny helok’ireo miaramila Romana izay nanombo Azy. DJS, Lioka 24Nahita anjely roa teo amin’ny fasan’i Jesoa ireo vehivavy. DJS, Jaona DJS, Jaona 1Efa notoriana hatrany am-piandohana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. I Jaona Mpanao Batisa no ilay Elià nanomana ny lalana ho an’i Kristy, ary i Jesoa Kristy no ilay Elià izay hamerina ny zava-drehetra ho amin’ny laoniny ary amin’ny alalany no hahatongavan’ny famonjena. DJS, Jaona 4Naniry ny hamono an’i Jesoa ny Fariseo. Nanao batisa vitsivitsy Izy fa ny mpianany no nanao maro kokoa. DJS, Jaona 6Ny sitrapon’ny Ray dia ny mba handraisan’ny olona rehetra an’i Jesoa. Ireo izay manao ny sitrapon’i Jesoa dia hatsangana amin’ny fitsanganan’ny marina. DJS, Jaona 13Nosasan’i Jesoa ny tongotr’ireo Apôstôly mba hanatanterahana ny lalàn’ny Jiosy. DJS, Jaona 14Ny printsin’ny haizina, na i Satana, dia avy amin’izao tontolo izao. DJS, Asan’ny Apôstôly DJS, Asan’ny Apôstôly 9Ireo izay niaraka tamin’i Paoly tamin’ny fiovam-pony dia nahita hazavana, saingy tsy nandre ny feo na nahita ny Tompo izy ireo. DJS, Asan’ny Apôstôly 22Novahan’ilay mpifehy arivo ny kofehy namatotra an’i Paoly. DJS, Romana DJS, Romana 3Nampianatra i Paoly fa ny olona iray dia tsy afaka hanao ratsy ka hoe mba hiavian’ny soa. DJS, Romana 4Amin’ny alalan’ny fahasoavan’i Jesoa Kristy ihany no ahafahan’ny olona ho voavonjy, fa tsy amin’ny alalan’ny asa izay mifandray amin’ny fanajana ny lalàn’i Mosesy. DJS, Romana 7I Kristy ihany no manana hery hanova ny fanahin’ny olona amin’ny fomba maharitra ho amin’ny tsara. DJS, Romana 8Ireo izay miaina araka ny lalàn’ny nofo dia tsy mety hahazo sitraka amin’ Andriamanitra. DJS, Romana 13Ireo izay manaja ny manam-pahefana ao amin’ny fanjakana dia mahatonga ny fanajany an’ Andriamanitra ho lehibe sy tonga lafatra kokoa. DJS, 1 Korintiana DJS, 1 Korintiana 7Nampianatra i Paoly fa zavatra tena tsara ny fanambadiana. Ireo izay voantso hanao asa fitoriana anefa dia manompo tsara kokoa an’ Andriamanitra raha toa izy ireo ka mitoetra ho tokan-tena mandritra ny asa fanompoany. DJS, 1 Korintiana 15Misy ambaratongam-boninahitra telo amin’ny Fitsanganana amin’ny maty. DJS, 2 Korintiana DJS, 2 Korintiana 5Nanarin’i Paoly ireo Olomasina tsy hiaina araka ny fomban’ny nofo. DJS, Galatiana DJS, Galatiana 3I Mosesy no mpanalalana amin’ny fanekempihavanana voalohany na ny lalàna. I Kristy no mpanalalana amin’ny fanekempihavanana vaovao. DJS, Efesiana DJS, Efesiana 4Fahotana ny fahatezerana tsy marina. DJS, Kolosiana DJS, Kolosiana 2Ny didin’olombelona dia mety manana ny lanjany eo amin’ny fampianarana zavatra toy ny fifehezan-tena, saingy sady tsy manaja an’ Andriamanitra izany no tsy mamonjy ny olona. DJS, 1 Tesaloniana DJS, 1 Tesaloniana 4Ireo olona marina izay velona amin’ny fiavian’ny Tompo dia tsy hanana tombony amin’ireo olona marina efa nodimandry. DJS, 2 Tesaloniana DJS, 2 Tesaloniana 2Hampitranga ny fihemorana na ny apôstazia i Satana mialohan’ny hiverenan’ny Tompo. DJS, 1 Timoty DJS, 1 Timoty 2I Kristy no Zanaka Lahitokana sy Mpanalalana. DJS, 1 Timoty 3Ny Fiangonana dia miorina eo amin’ilay fitsipika fototra hoe i Jesoa dia lasa olona mety maty, ka nampianatra ny filazantsara ary niverina tany amin’ny Rainy. Fanamarihana: Ny fanovana kely ao anatin’ireto andininy manaraka ireto dia manamafy fa i Jesoa Kristy no ilay “andry sy fiorenan’ny fahamarinana.” DJS, 1 Timoty 6Ireo izay manana ny fahazavan’ny tsy fahafatesana (ny filazantsara) mitoetra ao aminy dia afaka mahita an’i Jesoa. DJS, Hebreo DJS, Hebreo 1Ireo anjely dia fanahy manompo. DJS, Hebreo 4Tsy hovonjena ireo izay manamafy ny fony. Hiditra ao amin’ny fitsaharan’ny Tompo ireo izay mibebaka. DJS, Hebreo 6Ireo fitsipiky ny fotopampianaran’i Kristy dia mitondra any amin’ny fahatanterahana. DJS, Hebreo 7I Melkizedeka dia mpisorona araka ny lamin’ny Zanak’ Andriamanitra. Ireo rehetra izay mandray io fisoronana io dia afaka ny ho tonga tahaka ny Zanakalahin’ Andriamanitra. DJS, Hebreo 11Ny finoana dia fahazoana antoka ny zavatra antenaina. DJS, Jakoba DJS, Jakoba 1Ny fahoriana fa tsy ny fakam-panahy dia manampy mba hahamasina antsika. DJS, Jakoba 2Ny mpikambana dia tsy tokony hihevitra ny olona iray ho ambony kokoa noho ny hafa. DJS, 1 Petera DJS, 1 Petera 3Ny sasany amin’ireo fanahy ao an-tranomaizina dia tsy marina tamin’ny andron’i Noa. DJS, 1 Petera 4Ny filazantsara dia notoriana tamin’ireo izay maty. DJS, 2 Petera DJS, 2 Petera 3Amin’ny andro farany dia ho maro ny olona handà an’i Jesoa Kristy Tompo. Rehefa tonga Izy dia loza ara-boajanahary maro no hitranga. Raha maharitra amim-pahamarinana isika dia hahazo tany vaovao. DJS, 1 Jaona DJS, 1 Jaona 2:1Kristy no mpisolovava antsika ao amin’ny Ray raha mibebaka isika. DJS, 1 Jaona 3Na zovy na zovy no naterak’ Andriamanitra dia tsy manohy ao amin’ny fahotana. DJS, 1 Jaona 4Ny olona mino an’ Andriamanitra ihany no afaka hahita Azy. DJS, Apôkalipsy DJS, Apôkalipsy 1Nandray ireo faminaniana ao amin’ny bokin’ny Apôkalipsy i Jaona Apôstôly. Novangian’i Jesoa Kristy sy ny anjely iray izy. DJS, Apôkalipsy 2Atsipy any amin’ny helo ny olon-dratsy. DJS, Apôkalipsy 5Irahina maneran-tany ireo mpanompon’ Andriamanitra Roa ambin’ny folo. DJS, Apôkalipsy 12Hazavain’i Jaona hoe tandindon’ny inona ilay vehivavy, ilay zaza, ny tehim-by, ny dragona ary i Mikaela. Ilay ady izay nanomboka tany an-danitra dia mitohy ety an-tany. Jereo ilay fanovana ireo andininy mifanesy ao amin’ny DJS. DJS, Apôkalipsy 19Mampiasa ny tenin’i Kristy Andriamanitra hamelezana ireo firenena.