Fanampiana amin’ny fandalinana
DJS, 1 Korintiana 7


DJS, 1 Korintiana 7:1–2, 5, 26, 29–33, 38. Ampitahao amin’ny 1 Korintiana 7:1–2, 5, 26, 29–38

Nampianatra i Paoly fa zavatra tena tsara ny fanambadiana. Ireo izay voantso hanao asa fitoriana anefa dia manompo tsara kokoa an’ Andriamanitra raha toa izy ireo ka mitoetra ho tokan-tena mandritra ny asa fanompoany.

1 Ankehitriny, raha ny amin’ny zavatra izay nosoratanareo ho ahy manao hoe: Tsara ho an’ny lehilahy ny tsy mikasika vehivavy.

2 Lazaiko anefa, mba hisorohana ny fijangajangana, aoka ny lehilahy tsirairay samy hanana ny vadiny avy, ary aoka ny vehivavy tsirairay samy hanana ny vadiny avy.

5 Aza misaraka raha tsy amin’ny fotoana ifanarahanareo mba hahazoanareo manolotra ny tenanareo ho amin’ny fifadian-kanina sy ny fivavahana; dia miraisa indray mba tsy hakan’i Satana fanahy anareo noho ny tsy fahafehezanareo ny tenanareo.

26 Koa izao no ataoko fa tsara, noho ny fahasahiranana ankehitriny, fa ny olona dia tokony hijanona amin’izao mba hahazoany manao soa bebe kokoa.

29 Fa miteny aminareo izay voantso ho amin’ny asa fanompoana aho. Fa izao no lazaiko ry rahalahy: ny fotoana izay tavela mba hanirahana anareo ho amin’ny asa fanompoana dia fohy. Ka ireo izay manana vady dia ho toy ny tsy manana; fa voantso sy voafidy ianareo hanao ny asan’ny Tompo.

30 Ary ireo izay mitomany dia ho toy ny tsy mitomany; ary ireo izay miravoravo dia ho toy ny tsy miravoravo, ary ireo izay mividy dia ho toy ny tsy nahazo;

31 Ary ireo izay mampiasa ity izao tontolo izao ity, dia ho toy ny tsy mampiasa izany; fa mandalo ny fanaon’izao tontolo izao.

32 Nefa mba tiako ry rahalahy ny hilofosanareo amin’ny antso anananareo. Mba tiako ho afaka amin’ny fanahiana ianareo. Fa izay tsy manambady dia miahy ireo zavatra izay an’ny Tompo, ny fomba mety hamalifaliana ny Tompo; koa mahomby izy.

33 Fa izay manambady dia miahy ny zavatra izay an’izao tontolo izao, ny fomba mety hamalifaliany ny vadiny; koa samy hafa izany satria voasakana izy.

38 Koa izay manolotra ny tenany hanambady dia manao tsara; fa izay tsy manolotra ny tenany hanambady dia manao tsaratsara kokoa.