Fanampiana amin’ny fandalinana
DJS, 2 Tesaloniana 2


DJS, 2 Tesaloniana 2:2–3, 7–9. Ampitahao amin’ny 2 Tesaloniana 2:2–9

Hampitranga ny fihemorana na ny apôstazia i Satana mialohan’ny hiverenan’ny Tompo.

2 Mba tsy halaky hohozongozonina ao an-tsaina ianareo na hampitahorina amin’ny taratasy, afa-tsy izay raisinareo avy aminy; na amin’ny fanahy na amin’ny teny, momba ny hoe efa antomotra ny andron’i Kristy.

3 Aoka tsy hisy olona hamitaka anareo na amin’ny fomba inona na amin’ny fomba inona; fa ho tonga aloha ny fihemorana ary haseho ilay lehilahin’ny fahotana, ilay zanaky ny fahaverezana;

7 Fa ny misterin’ny tsy fankatoavan-dalàna dia miasa sahady, ary izy ankehitriny no miasa ary mamela azy hiasa i Kristy mandra-pahafenoan’ny fotoana izay hanesorana azy hiala.

8 Ary amin’izany dia haseho ilay ratsy izay holevonin’ny Tompo amin’ny fofonain’ny vavany ary hofongorany amin’ny famirapiratan’ny fiaviany.

9 Eny, ny Tompo, dia i Jesoa, izay ny fiaviany dia tsy hitranga raha tsy aorian’ny fisian’ny fihemorana amin’ny alalan’ny asan’i Satana omban’ny hery rehetra sy ny famantarana ary ireo fahagagana manodoka.

Hamoaka printy