Fanampiana amin’ny fandalinana
DJS, Romana 13


DJS, Romana 13:6–7. Ampitahao amin’ny Romana 13:6–7

Ireo izay manaja ny manam-pahefana ao amin’ny fanjakana dia mahatonga ny fanajany an’ Andriamanitra ho lehibe sy tonga lafatra kokoa.

6 Fa noho izany no andoavanareo ny vola natokanareo haloa amin’izy ireo koa; fa mpanompon’ Andriamanitra mitandrina tsy tapaka izany zavatra izany indrindra izy ireo.

7 Saingy voalohany, mandoava amin’izy rehetra izay tokony ho azy, araka ny fanao, hetra ho an’izay tokony handoavan-ketra, fadin-tseranana ho an’izay tokony handoavana fadin-tseranana, mba ho tanterahana noho ny fahatahorana azy izay tokony hatahorana, ary koa ho fanomezam-boninahitra azy izay tokony homem-boninahitra ny fandoavanareo ny vola natokanareo.