Fanampiana amin’ny fandalinana
DJS, Romana 8


DJS, Romana 8:8. Ampitahao amin’ny Romana 8:8

Ireo izay miaina araka ny lalàn’ny nofo dia tsy mety hahazo sitraka amin’ Andriamanitra.

8 Koa amin’izany, ireo izay araka ny nofo dia tsy mety hahazo sitraka amin’ Andriamanitra.

DJS, Romana 8:29–30. Ampitahao amin’ny Romana 8:29–30

Hamasinin’i Jesoa Kristy ny olo-marina ho fanomanana ny famonjena azy ireo.

29 Satria izy izay fantany rahateo no notendreny mialoha koa hitovy endrika Aminy, mba ho lahimatoa amin’ny rahalahy maro Izy.

30 Ambonin’izany, izy izay notendreny mialoha no nantsoiny koa; ary izy izay nantsoiny no nohamasininy koa; ary izy izay nohamasininy no nomeny voninahitra koa.

Hamoaka printy