Fanampiana amin’ny fandalinana
DJS, Romana 7


DJS, Romana 7:5–27. Ampitahao amin’ny Romana 7:5–25

I Kristy ihany no manana hery hanova ny fanahin’ny olona amin’ny fomba maharitra ho amin’ny tsara.

5 Fa fony isika tao amin’ny nofo, ny fientanan’ny fahotana, izay tsy araka ny lalàna, dia niasa tao amin’ny rantsambatantsika ka mamoa voa ho amin’ny fahafatesana.

6 Nefa ankehitriny isika dia afaka tamin’ny lalàna izay nihazonana antsika, satria maty ny amin’ny lalàna, mba hanompoantsika ao amin’ny fihavaozan’ny fanahy fa tsy ao amin’ny fahanteran’ny soratra.

7 Inona àry no lazaintsika? Fahotana va ny lalàna? Sanatria izany. Tsia, tsy ho nahafantatra ny fahotana aho raha tsy tamin’ny alalan’ny lalàna; fa tsy nahafantatra ny fitsiriritana aho raha tsy nilaza ny lalàna hoe: Tsy hitsiriritra ianao.

8 Saingy nohararaotin’ny fahotana ny lalàna hampihetsehana ny endriky ny fitsiriritana rehetra ato amiko. Fa maty ny fahotana raha tsy nisy ny lalàna.

9 Fa velona tsy nisy fandikan-dalàna aho fahiny, saingy rehefa tonga ny didin’i Kristy dia velona indray ny fahotana fa izaho kosa maty.

10 Ary rehefa tsy nino ny didin’i Kristy izay tonga aho, izay natokana mba ho fiainana, dia hitako fa nanameloka ahy ho faty izany.

11 Fa nanararaotra ny fahotana ka nandà ny didy sy namitaka ahy; ary tamin’izany no nahafaty ahy.

12 Hitako anefa fa masina ny lalàna, ary ny didy dia masina sy marina ary tsara.

13 Moa àry va izay tsara no nahafaty ahy? Sanatria izany. Fa ny fahotana, mba hahazoany miseho ho toy ny fahotana amin’ny alalan’izay tsara, no nahatonga fahafatesana ara-panahy ho ahy; mba hahatonga ny fahotana ho tena fahotana hiringiriny, amin’ny alalan’ny didy.

14 Fa fantatsika fa ny didy dia ara-panahy; fa fony aho teo ambanin’ny lalàna dia mbola ara-nofo aho, namidy ho andevon’ny fahotana.

15 Fa ankehitriny dia ara-panahy aho; fa izay andidiana ahy hataoko dia ataoko; ary izay andidiana ahy tsy ho sitrako dia tsy sitrako.

16 Satria izay fantatro fa tsy tsara dia tsy hataoko; fa izay fahotana dia ankahalaiko.

17 Koa raha tsy manao izay tsy sitrako aho dia miaiky ny lalàna ho tsara; ary tsy voaheloka aho.

18 Ankehitriny àry dia tsy izaho intsony no manao fahotana; fa katsahiko ny hifehy ilay fahotana izay mitoetra ato amiko.

19 Satria fantatro fa ato amiko, izany hoe ao amin’ny nofoko, dia tsy misy zavatra tsara mitoetra; fa ato amiko ny sitrapo, saingy ny hanatanteraka izay tsara no tsy hitako afa-tsy ao amin’i Kristy.

20 Fa ny tsara izay ho nataoko, raha mbola teo ambanin’ny lalàna, dia hitako fa tsy tsara; koa tsy ataoko izany.

21 Fa ny ratsy izay tsy ho nataoko teo ambanin’ny lalàna dia hitako fa tsara; izany no ataoko.

22 Ankehitriny raha manao izany aho, amin’ny alalan’ny fanampian’i Kristy, dia tsy hanao izany eo ambanin’ny lalàna, tsy eo ambanin’ny lalàna aho; ary tsy mikatsaka intsony ny hanao ny ratsy aho fa ny hifehy kosa ny fahotana izay mitoetra ato amiko.

23 Hitako àry fa teo ambanin’ny lalàna, rehefa ta hanao ny tsara aho, dia ny ratsy no manoloana ahy; fa finaritra amin’ny lalàn’ Andriamanitra aho, raha ao anatiko ao.

24 Ary ankehitriny dia hitako ny lalàna iray hafa, dia ny didin’i Kristy, ary voasoratra ao an-tsaiko izany.

25 Fa ny rantsambatako dia miady amin’ny alalan’ny saiko ka mitondra ahy ho babon’ny lalàn’ny fahotana izay ao amin’ny rantsambatako.

26 Ary raha tsy mifehy ny fahotana izay ato amiko aho fa manompo ny lalàn’ny fahotana amin’ny nofo; indrisy olona fadiranovana aho! iza no hanafaka ahy amin’ity tenan’ny fahafatesana ity?

27 Koa misaotra an’ Andriamanitra aho amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tompontsika, fa amin’ny saina no anompoan’ny tenako ny lalàn’ Andriamanitra.

Hamoaka printy