Fanampiana amin’ny fandalinana
DJS, Romana 4


DJS, Romana 4:2–5. Ampitahao amin’ny Romana 4:2–5

Amin’ny alalan’ny fahasoavan’i Jesoa Kristy ihany no ahafahan’ny olona ho voavonjy, fa tsy amin’ny alalan’ny asa izay mifandray amin’ny fanajana ny lalàn’i Mosesy.

2 Fa raha tamin’ny lalàn’ny asa no nanamarinana an’i Abrahama dia misy antony hireharehan’ny tenany ihany; fa tsy amin’ Andriamanitra.

3 Fa ahoana hoy ny soratra masina? Abrahama nino an’ Andriamanitra, ka dia nisaina ho fahamarinany izany.

4 Ary ho an’izay hamarinina amin’ny lalàn’ny asa, dia tsy isaina ho fahasoavana ny karama, fa ho trosa.

5 Fa ho an’izay tsy mikatsaka ny ho hamarinina amin’ny lalàn’ny asa, fa mino Azy izay tsy manamarina ny ratsy fanahy, dia ny finoany no isaina ho fahamarinana.

DJS, Romana 4:16. Ampitahao amin’ny Romana 4:16

Na ny finoana na ny asa, amin’ny alalan’ny fahasoavana, dia ilaina ho an’ny famonjena.

16 Koa ianareo dia hamarinina amin’ny finoana sy ny asa, amin’ny alalan’ny fahasoavana, mba ho azo antoka ho an’ny taranaka rehetra ny fampanantenana; tsy ho an’ireo izay manaraka ny lalàna ihany, fa koa ho an’ireo izay iray finoana amin’i Abrahama izay raintsika rehetra,

Hamoaka printy