Fanampiana amin’ny fandalinana
DJS, Jakoba 2


DJS, Jakoba 2:1. Ampitahao amin’ny Jakoba 2:1

Ny mpikambana dia tsy tokony hihevitra ny olona iray ho ambony kokoa noho ny hafa.

1 Ry rahalahy, tsy hainareo ny hanam-pinoana an’i Jesoa Kristy Tompontsika, Ilay Tompon’ny voninahitra, kanefa hizaha tavan’olona.

DJS, Jakoba 2:14–21. Ampitahao amin’ny Jakoba 2:14–22

Ny finoana tsy misy asa dia maty ary tsy afaka manavotra.

14 Inona moa, ry rahalahiko, no soa azon’ny olona iray milaza fa manam-pinoana izy, nefa tsy manao asa? Ny finoana va mahavonjy azy?

15 Eny, mety misy olona miteny hoe: Hasehoko anao fa manana finoana aho na dia tsy manao asa; fa izaho kosa milaza hoe: Asehoy amiko tsy amin’ny asa ny finoanao, ary izaho kosa haneho aminao ny finoako amin’ny asako.

16 Fa raha misy rahalahy na anabavy tsy manan-kitafy sady tsy manan-kohanina isan’andro, ka misy aminareo manao aminy hoe: Mandehana am-piadanana, mamindroa, mivokisa, kanefa tsy omeny azy tsinona ireo zavatra izay ilain’ny vatany; inona moa no soa entin’ny finoanareo ho azy?

17 Ary mba toy izany koa ny finoana, raha tsy misy asa dia maty mihitsy, fa mandeha irery.

18 Noho izany, moa tsy fantatrao va, ry olom-poana, fa maty ny finoana tsy misy asa ary tsy afaka mamonjy anao?

19 Ianao mino fa iray ihany no Andriamanitra; koa tsara izany ataonao izany; ny demonia koa mba mino izany ka dia mangovitra; efa nanao ny tenanao ho tahaka azy ireo ianao ary tsy nohamarinina.

20 Tsy nohamarinina tamin’ny asa va Abrahama razantsika tamin’ny nanaterany an’i Isaka zanany lahy teo ambonin’ny alitara?

21 Hitanao ve fa niara-niasa tamin’ny finoany ny asa, ary ny finoana dia natao tanteraka tamin’ny asa?

Hamoaka printy