DJS, Lioka 24:2–4. Ampitahao amin’ny Lioka 24:2–5
Nahita anjely roa teo amin’ny fasan’i Jesoa ireo vehivavy.
2 Ary hitan’izy ireo fa ny vato efa voakodia niala tamin’ny fasana, ary nisy anjely roa nitsangana teo akaikin’izany nanao fitafiana mamirapiratra.
3 Ary niditra tao am-pasana izy ireo ary rehefa tsy nahita ny fatin’i Jesoa Tompo, dia tena very hevitra;
4 Ary raiki-tahotra izy ireo ka niankohoka tamin’ny tany. Saingy indro, nilaza tamin’izy ireo ireo anjely hoe: Nahoana no ato amin’ny maty no itadiavanareo ny velona?