Fanampiana amin’ny fandalinana
DJS, Matio 27


DJS, Matio 27:3–6. Ampitahao amin’ny Matio 27:3–5; Asa 1:18

Fitantarana ny fahafatesan’i Jodasy.

3 Tamin’izay i Jodasy ilay namadika Azy, rehefa nahita fa voaheloka izy, dia nanenina ka namerina ny volafotsy telopolo tamin’ireo lohandohan’ny mpisorona sy ny loholona,

4 Nanao hoe: Efa nanota aho tamin’ny namadihako ra tsy manan-tsiny.

5 Ary hoy ireo taminy: Ahoanay inona izany? Raharahanao ny anao; aoka ho aminao ny fahotanao.

6 Dia nanipy ireo volafotsy teo amin’ny tempoly izy ary lasa nandeha ka nanantona ny tenany tamin’ny hazo. Ary potraka nihohoka teo no ho eo izy ka nivaroraka ny tsinainy, ary maty izy.