Fanampiana amin’ny fandalinana
DJS, 1 Timoty 3


DJS, 1 Timoty 3:15–16. Ampitahao amin’ny 1 Timoty 3:15–16

Ny Fiangonana dia miorina eo amin’ilay fitsipika fototra hoe i Jesoa dia lasa olona mety maty, ka nampianatra ny filazantsara ary niverina tany amin’ny Rainy. Fanamarihana: Ny fanovana kely ao anatin’ireto andininy manaraka ireto dia manamafy fa i Jesoa Kristy no ilay “andry sy fiorenan’ny fahamarinana.”

15 Fa raha tratra ela aho, dia ny hahafantaranao izay fitondrantena mety hatao ao an-tranon’ Andriamanitra, dia ny fiangonan’ Andriamanitra velona.

16 Ny andry sy fiorenan’ny fahamarinana dia, (ary iaraha-manaiky mihitsy fa lehibe ny zava-miafina ny amin’ny toe-panahy araka an’ Andriamanitra,) Andriamanitra naseho tao amin’ny nofo, nohamarinina tao amin’ny Fanahy, hitan’ny anjely, notorina tany amin’ny jentilisa, ninoana teo amin’izao tontolo izao, nakarina tao amin’ny voninahitra.

Hamoaka printy