Fanampiana amin’ny fandalinana
DJS, Isaia 29


DJS, Isaia 29:1–8. Ampitahao amin’ny Isaia 29:1–8

Ireo hafatra taloha notorin’ireo mpaminany fahiny tany Jerosalema dia hotorina amin’ny andro farany avy amin’ny Bokin’i Môrmôna izay nivoaka “avy amin’ny tany.”

1 Lozan’i Ariela, lozan’i Ariela, ilay tanàna nitoeran’i Davida! Aoka izy ireo hamono biby hatao fanatitra isan-taona.

2 Kanefa hampahory an’i Ariela Aho, ka hisy alahelo sy fahoriana ao aminy. Fa izao no nolazain’ny Tompo tamiko: Ho tonga tahaka izao i Ariela;

3 Fa Izaho Tompo dia hanisy miaramila hanemitra azy sy hanao fahirano azy avy eny amin’ny tilikambo iray ary hanangana manda hamelezana azy.

4 Ary haetry izy, ka hiteny avy ao amin’ny tany, ary ny lahateniny dia hibitsika avy ao amin’ny vovoka, ary ny feony dia ho toy ny an’ny olona iray izay tsindrin’ny fanahy nivoaka avy amin’ny tany ary ny lahateniny dia hibitsibitsika avy ao amin’ny vovoka.

5 Ankoatra izany, ny fahavalony maro dia ho tonga tahaka ny vovoka madinika, ary ny olony maro izay lozabe dia ho tahaka ny akofa izay mielina; eny, hitranga tampoka ao anatin’ny indray mipi-maso izany.

6 Fa izy ireo dia hovangian’ny Tompon’ny Maro amin’ny kotrokorana sy amin’ny horohoron-tany ary amin’ny rohondrohona lehibe sy amin’ny oram-baratra, ary amin’ny tafio-drivotra sy lelafo mandevona.

7 Ary ireo marobe avy amin’ny firenen-drehetra izay miady amin’i Ariela, eny ireo rehetra izay miady aminy sy ny fitaovam-piadiany, ary ireo izay mampahory azy dia ho tahaka ny nofy ao amin’ny fahitana amin’ny alina.

8 Eny, ho azy ireo izany dia ho toy ny ho an’ny olona noana izay manonofy, ary indro mihinana izy, kanjo nony taitra, dia noana ihany; na tahaka ny olona mangetaheta izay manonofy, ary indro misotro izy, kanjo nony taitra, dia indro reraka izy ary mangetaheta ny fanahiny. Eny, ho tahaka izany ireo olona maro avy amin’ny firenena rehetra izay miady amin’ny tendrombohitr’i Ziona.

Hamoaka printy