DJS, Genesisy 14:25–40. Ampitahao amin’ny Genesisy 14:18–20
Nitsodrano an’i Abrama i Melkizedeka. Voasoritsoritra ny asa fanompoana lehiben’i Melkizedeka sy ireo fahefana ary fitahiana avy amin’ny Fisoronana Melkizedeka.
25 Dia nanandratra ny feony i Melkizedeka ary nitsodrano an’i Abrama.
26 Ankehitriny i Melkizedeka dia lehilahin’ny finoana, izay niasa fahamarinana; ary raha mbola zaza izy dia natahotra an’ Andriamanitra sy nanakombona ny vavan’ny liona ary namono ny fidedadedan’ny afo.
27 Ary rehefa nankasitrahan’ Andriamanitra toy izany izy dia natokana ho mpisorona avo araka ny lamin’ny fanekempihavanana izay nataon’ Andriamanitra tamin’i Enoka.
28 Izany dia araka ny lamin’ny Zanak’ Andriamanitra; dia lamina izay tonga, tsy tamin’ny alalan’ny olona, na ny sitrapon’ny olona; sady tsy tamin’ny alalan’ny ray na ny reny; no tsy tamin’ny fiandohan’andro na tamin’ny fiafaran-taona; fa avy amin’ Andriamanitra;
29 Ary izany dia natolotra ny olona tamin’ny antson’ny feony, araka ny sitrapony, ho an’izay rehetra nino ny anarany.
30 Fa Andriamanitra dia efa nianiana tamin’i Enoka sy tamin’ny taranany, tamin’ny fianianana tamin’ny tenany; fa ny olona rehetra izay atokana araka ity lamina sy antso ity dia hanana fahefana, amin’ny alalan’ny finoana hamaky tendrombohitra, hampisaraka ranomasina, handritra rano, hampivily izany hiala amin’ny lalany;
31 Hihantsy ireo miaramilan’ny firenena, hizara ny tany, hanapatapaka ny fatorana rehetra, hijoro eo anatrehan’ Andriamanitra; hanao ny zava-drehetra araka ny sitrapony, araka ny didiny, hampanoa ireo fanapahana sy fahefana; ary izany dia amin’ny alalan’ny sitrapon’ny Zanak’ Andriamanitra izay nisy hatry ny talohan’ny fanorenana izao tontolo izao.
32 Ary ny lehilahy nanana izany finoana izany ka tonga tamin’ity lamin’ Andriamanitra ity dia nafindra ary nalaina ho any an-danitra.
33 Ary ankehitriny i Melkizedeka dia mpisorona ao amin’ity lamina ity; koa nahazo fiadanana tao Salema izy ary natao hoe Printsin’ny fiadanana.
34 Ary niasa fahamarinana ny vahoakany ka nahazo ny lanitra ary nikatsaka ny tanànan’i Enoka izay efa nalain’ Andriamanitra taloha, nosarahiny tamin’ny tany ary natokany ho an’ny andro farany na ny fiafaran’izao tontolo izao izany;
35 Ary efa nilaza [Andriamanitra] ary nianiana tamin’ny fianianana fa ny lanitra sy ny tany dia hiara-hahorona; ary ireo zanak’ Andriamanitra dia hosedraina toy ny amin’ny afo.
36 Ary ity Melkizedeka ity, rehefa nampiorina fahamarinana toy izany, dia nataon’ny vahoakany hoe ny mpanjakan’ny lanitra na, amin’ny teny hafa, ny Mpanjakan’ny fiadanana.
37 Dia nanandratra ny feony izy ary nitsodrano an’i Abrama, noho izy mpisorona avo sy mpitandrina ny trano fitehirizan’ Andriamanitra;
38 Izy ilay efa notendren’ Andriamanitra mba handray ny fahafolonkarena ho an’ny mahantra.
39 Koa i Abrama dia nandoa taminy ny fahafolonkarena tamin’izay rehetra azony tamin’ny harena rehetra izay nananany, izay efa nomen’ Andriamanitra azy mihoatra noho izay nilainy.
40 Ary ny zava-nitranga dia nitahy an’i Abrama Andriamanitra ary nanome azy harena sy voninahitra ary tany ho fananana maharitra mandrakizay; araka ny fanekempihavanana izay efa nataony ary araka ny tsodrano izay efa nitsofan’i Melkizedeka rano azy.