2021
Mampifandray
Septambra 2021


“Mampifandray” Ho zatovo mahery!, sept. 2021, eo amin’ny fonony anoloana anatiny.

Mampifandray

Alora D.

19 taona, Tennessee, Etazonia

Sary
zatovovavy mihira

Ao amin’ny tafika amerikanina ny raiko, noho izany dia nifindra monina matetika izahay tamin’ny fahazazanay. Sarotra tamiko ny nifandray taman’olona sy nitady namana ary nieritreritra aho fa ny hasarotan-kenatra no tena toetra ananako, toy ireny sary hosodoko tokan-doko ireny aho.

Nanampy ahy ny fanaovana sary hosodoko mba hahatakatra fa hay aho olona tena feno loko marevaka! Tia mitokantokana kokoa noho ny olon-kafa aho kanefa mbola maro be ireo sosona sy singa tamin’ny toetrako, toy ny hosodoko feno loko marevaka iray. Indraindray dia variana ny olona mahita ireo loko marevaka amin’ny sary hosodoko ataoko, dia lazaiko fotsiny izy ireo hoe: “Mila mahafantra ahy bebe kokoa ianareo!”

Mbola eo am-pitadiavana ny tena maha-izy ahy aho ary mbola manampy singa amin’ny toetrako. Raha ny marina dia vao haingana aho no nihira nandritra ilay tafasiry mivantana ho an’ny Zatovovavy tamin’ny nôvambra 2020. Fantratro fa rehefa manao ireo zavatra tsotra toy ny mamaky ny soratra masina sy mivavaka isan’andro aho dia manampy ahy izany hianatra mikasika ny hoe iza aho ary inona no tian’ny Ray any An-danitra hahatongavako.

Hamoaka printy