2021
Mikatsaka an’i Ziona sy ireo fitahian’ny Tompo
Septambra 2021


“Mikatsaka an’i Ziona sy ireo fitahian’ny Tompo,” Ho zatovo mahery, sept. 2021, 2–5.

Avia, hanaraka Ahy

Mikatsaka an’i Ziona sy ireo fitahian’ny Tompo

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 97:21

Andraikitra lehibe ny fanorenana an’i Ziona kanefa mitondra valisoa lehibe ihany koa izany.

Sary
ankizivavy mandalina ny soratra masina

Ny fahamarinana lehibe voalohany any an-danitra dia ny hoe tia antsika amin’ny fony manontolo sy ny heriny manontolo sy ny sainy manontolo ary ny tanjany manontolo Andriamanitra. Iriany ho antsika ny zavatra tsara indrindra, toy izany foana Izy ary ho toy izany hatrany. Tiany ho sambatra isika, tsy sambatra amin’ny fotoana voafetra na amin’ny endriny ivelany fotsiny ihany fa sambatra izaitsizy sy mandrakizay tahaka Azy. Tiany hitombo isika ary hahatratra ilay fahafahantsika ho tonga tahaka Azy amin’ny maha zanakalahy sy zanakavavin’ Andriamanitra antsika.

Fantatro fa tsy mora foana izany. Maro aminareo no miatrika zava-tsarotra sy fisedrana manokana izay mila tsy ho zaka indraindray. Mety efa nijery ny toe-javatra misy anao manokana ianao na ny sasantsasany amin’ireo toe-javatra misy ny fianakavianao na koa ireo olana miseho amin’ireo firenena manerana izao tontolo izao ary nanontany tena hoe, “Ahoana no hahafahako mivoaka ity lala-mifampidipiditra feno fanamby ity?” Mety tsy hampoizinao ny valiny iray: Katsaho ny hanorina an’i Ziona.

Aiza no misy an’i Ziona?

Sary
Jesoa Kristy miaraka amin’ny mpanarato

Moa ny fitiavanao Ahy mihoatra noho ny fitiavan’ireto?, nataon’i David Lindsley

Tao anatin’ny tantara dia matetika Andriamanitra no niantso ny vahoaka mba hanorina an’i Ziona. Matetika izany dia toerana iray manokana izay hahafahan’ireo vahoakan’ Andriamanitra ho afaka amin’ny fitaoman’izao tontolo izao sy miaina mifanaraka amin’izy samy izy. Saingy amin’ity fotoampitantanana lehibe farany ity dia tsy voafetra amin’ny toerana iray fotsiny izany. Amin’ izao androntsika izao i Ziona dia izay toerana rehetera mety hisy mpikambana mahatoky ao amin’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. Nilaza ny Tompo fa ny vahoakan’i Ziona dia “iray fo sy iray saina” (Mosesy 7:18) ary “madio am-po” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 97:21). Raha fehezina dia tsy ny toerana iainantsika intsony no ao an-tsaintsika rehefa mieritreritra momba an’i Ziona fa ny fomba fiainantsika.

Betsaka ireo fitahiana mahatalanjona natokana ho anao rehefa manao ny tsara indrindra vitanao ianao hanorenana an’i Ziona, sy ho ilay olona tian’ny Tompo hahatongavanao ary hanampy amin’ ny fanomanana ny lalana ho amin’ny fiverenany eto an-tany. Mitaky asa sy finoana goavana ny ezaka toy izany kanefa dia hitondra fahasambarana sy fifaliana maharitra izany. Manantena aho fa hampihetsi-po sy hampietanentana anareo tahaka ahy izany! Araka ny nampianarin’ny Filoha Russell M. Nelson hoe tsy misy, ary tena tsy misy tokoa, zavatra izay manan-danja kokoa noho izany.1 Ary dia afaka mandray anjara amin’izany isika! Isika no ireo miaramila milatsaka an-tsehatra miady ho an’ny fahamarinana. Tsy mitondra fiadiana isika, fa mitondra bandy ho an’ ny fery! Antsoina isika hanampy amin’ny fanasitranana izao tontolo izao sy hanolotra vondron’olona maneran-tany izay azon’ny Mpamonjy hanatonana.

Tiavo Andriamanitra sy ny namanao

Sary
zatovo maka sary miaraka

Azontsika tratrarina ny tanjona hanana fianakaviana na fiaraha-monina na firenena tahaka izany amin’ny alalan’ny fitandremana ilay didy ny hitia. Ary arakaraka ny hitiavantsika an’ Andriamanitra no hitiavantsika ireo namantsika ary ahitantsika fomba hitahiana azy ireny. Ao ireo namana izay tokony hampiana, ny mahantra izay tokony hatraka ary ny soa tokony hatao na aiza na aiza isika.

Nofariparitan’ny Tompo toy izao ity andraikitra sy fitahiana ity indray mandeha:

“Koa aoka ho mahatoky; … vonjeo ny osa, akaro ny tanana izay miraviravy ary hatanjaho ny lohalika malemy.”

“Ary raha mahatoky hatramin’ny farany ianao dia hanana ny satroboninahitry ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizay ao amin’ireo fitoerana izay efa nomaniko ao an-tranon-dRaiko” ( Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 81:5–6).

Mijoroa ho an’ny fahamarinana

Sary
zazalahy miresaka

Rehefa miantso antsika hanorina an’i Ziona Andriamanitra dia miantso antsika mba hijoro ho an’ireo fampianarany ary hitoetra ho mafy orina amin’ny finoantsika. Tsy ho mora na hampahazo aina foana ny hanao izany kanefa mila ataontsika izany, amin’ny fangorahana, fanetrentena, sy fahatakarana ary fiantrana tsy mety lefy ho an’ny hafa. Eo am-pikatsahantsika hanorina an’i Ziona dia azo antoka fa hifanena amin’ireo izay mety tsy hiakanjo na hitondra tena araka ny tokony ho izy. Rehefa mifanena aman’olona toy ireny isika dia tokony hitandrina ka hamaly am-pahamarinana fa tsy hanamarinan-tena akory. Ao anatin’ny toe-javatra tahaka izany dia mitondra tena araka ny tokony ho izy no tsara indrindra azontsika atao ary maneho “fitiavana tsy mihatsaravelatsihy” ho azy ireo (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121: 41).

Tiako hankafy ireo fitahiana ananako ny hafa saingy indraindray aho mananontany tena hoe ahoana no ahafahako mizara azy ireo amin’ny fomba tsy mandratra sy tsy isian’ny fifandisoan-kevitra. Ity soratra masina ity dia nanampy ahy tamin’ireo antsoko rehetra tato amin’ny Fiangonana sy ireo andraikitro manokana amin’ny maha mpanaradia an’i Kristy ahy.

“Koa lazaiko aminareo marina tokoa, asandrato amin’ity vahoaka ity ny feonareo; teneno ny eritreritra izay hapetrako ao am-ponareo, dia tsy hangaihay eo anoloan’ ny olona ianareo;

“Fa homena anareo amin’ izany ora izany indrindra, eny, amin’ izany fotoana izany indrindra izay holazainareo.

“Nefa didy iray no omeko anareo dia ny hanambaranareo ny zavatra rehetra ambaranareo amin’ ny anarako, amin’ ny fahononam-po, amin’ ny fanahin’ ny fahamorana, amin’ ny zava-drehetra.

“Ary omeko anareo izao fampanantenana izao fa raha manao izany ianareo, dia halatsaka ny Fanahy Masina ho vavolombelona hanambara ny zavatra rehetra izay holazainareo” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 100:5–8).

Fitahiana handroso hatrany

Sary
tanora ao amin’ny tanana lehibe

Ry zatovo namako malala isany, ho avy ny andro sarotra, kanefa amin’ny farany dia ho kanto ny fiainanareo raha manolotra ny fonareo ho an’ Andriamanitra ianareo sy mitia ny Tompo Jesoa Kristy ary manao ny tsara indrindra vitanareo amin’ny fiainana ny filazantsara. Raha mahatoky ianareo dia ho eo amin’ny toerana izay misy anareo i Ziona. Mitsodrano anareo aho mba handray izany amin-kafaliana. Tena betsaka ireo zavatra nomanin’ny Tompo ho anareo!

Fanamarihana

  1. Jereo ny Russell M. Nelson, “Fanantenana ho an’i Isiraely” (fampaherezam-panahy maneran-tany ho an’ny zatovo, 3 jona 2018), 8, HopeofIsrael.ChurchofJesusChrist.org.

Hamoaka printy