2021
Tsy tafiditra tao amin’ilay ekipa mpandihy aho
Septambra 2021


“Tsy tafiditra tao amin’ilay ekipa mpandihy aho,” Ho zatovo mahery!, sept. 2021, 10–11.

Tsy tafiditra tao amin’ilay ekipa mpandihy aho

Tsy tao amin’ilay lisitra ny anarako. Tena kivy aho. Saingy nampianarin’ny Tompo zavatra aho.

Sary
mpandihy ballet

Sary nataon’i Gabriel Cracolici

Tia mandihy aho hatramin’ny fahatelo taonako. Rehefa tany amin’ny sekoly ambaratonga faharoa fototra aho dia tsy andriko foana ny isian’ireo fitsapam-pahaizana hisafidianana ny ho ao amin’ny ekipa mpandihy. Tsy nanana ahiahy aho fa noho ny talentako sy ny traikefako dia ho mora ho ahy ny ho tafiditra ao amin’ilay ekipa mpandihy.

Andro vitsy taorian’ilay fitsapam-pahaizana dia navoaka ny anaran’ireo ho ao amin’ilay ekipa mpandihy. Very hevitra aho satria tsy hitako tao anatin’ilay lisitra mihitsy ny anarako. Tena kivy aho. Nandeha nody aho ary nitomany teo ambony fandriako. Tezitra tamin’ilay mpampianatra dihy aho ary diso fanantenana fa tsy ampy ny fahaizako ho ao amin’ilay ekipa. Niditra tsimoramora tao an’efitro ny reniko ary nanome soso-kevitra izy ny hangatahako hery amin’ny Ray any An-danitra mba hiatrehako ity “dongona” teo amin’ny fiainako ity. Nanaiky tamim-pahalainana aho ary nanolotra vavaka fohy. Taorin’ilay vavaka dia tsy nahatsapa ho nihatsara akory aho, koa dia nanohy nanjonitra eran’ny trano sy nampiseho ho fadiranovana aho. Tena ratsy torimaso aho ny alin’io.

Ny ampitso marainan’io dia nanery tena hitsangana avy teo am-pandriana aho. Mbola tao an-tsaiko tsara ny fahatsiarovana ilay tsy fahombiazako ary te hiverina tao am-pandriana aho hiafina tao ambany firakofana. Saingy taloh’ny nanaovako izany dia tsaroaka ny fampanantenana iray nataon’ny evekako. Nilaza izy fa raha mamaky ny soratra masiko aho isan’andro na dia mandritra ny 15 minitra fotsiny aza dia ho voatahy. Raha nila fitahiana aho dia tamin’io fotoana io mihitsy.

Teo am-pamakiana aho dia nahita ity andininy iray ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana ity:

“Lazaiko aminareo marina tokoa ry sakaizako, aza matahotra, aoka hionona ny fonareo, eny, mifalia mandrakariva ary misaora amin’ny zava-drehetra;

“Eo am-piandrasana ny Tompo amim-paharetana, fa ny fivavakareo dia efa tonga eo an-tsofin’ny Tompon’ny Sabaota ary voarakitra miaraka amin’izao tombo-kase sy testamenta izao—efa nianiana sy nanapaka ny Tompo fa hotovina izany.

“Koa Izy dia manome anareo izao fampanantenana izao, omban’ny fanekempihavanana tsy azo ovana fa hotanterahina izany; ary ny zava-drehetra izay efa nampahoriana anareo dia hiara-hiasa hahasoa anareo sy ho voninahitry ny anarako, hoy ny Tompo” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 98:1–3).

Tena taitra aho. Mbola nanao akanjomandry niaraka tamin’ny voloko nikorontana aho no nipetraka ary talanjona fa tena nilaiko io soratra masina io. Lasa avokoa ny fahatsapana hatezerana sy alahelo noho ireo andininy telo ireo. Nahatsapa ny fitiavan’ilay Raiko any An-danitra aho ary fantratro fa fantany ny zavatra nolalovako. Avy tamin’izay fomba fijery vaovao izay no nahitako fa ny tsy naha voafidy ahy ho tao amin’ilay ekipa mpadihy dia tena dongona kely fotsiny teo amin’ny lalan’ny fiainako. Nandohalika tamim-pakasitrahana aho ary nisaotra ny Ray any An-danitra.

Iny andro iny aho dia afaka nahatsapa ny Fanahy niaraka tamiko ary nijery ireo fitsapana lalovako ho toy ny fahafahana hitombo. Ho mamin’ny foko foana ireo andininy ireo. Ary hotsaroako ny fampanantenan’ny evekako momba ny fitahiana entin’ny soratra masina. Feno fankasitrahana tokoa aho fa afaka ny ho isan’ity Fiangonana ity ary mahafantatra ny filazantsara. Fantatro fa tena drafitry ny fahasambarana tokoa ny drafitry ny Ray any An-danitra ho antsika.

Hamoaka printy