2021
Manorina ny toetranao tsara indrindra
Septambra 2021


“Manorina ny toetranao tsara indrindra,” Ho zatovo mahery!, sept. 2021, 6–7.

Avia, hanaraka Ahy

Manorina ny toetranao tsara indrindra

Fomba dimy hanorenana fiainana feno fahasambarana sy fifaliana.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 95:13–14

Sary
taratra ana zatovovavy iray, drafitry ny tempoly

Sary nataon’i Juliet Percival

Rehefa nandidy an’i Joseph Smith ny Tompo mba hanorina ny tempolin’i Kirtland dia tsy navelany hikaroka samirery ny fomba tokony hanaovana izany Izy. Nanambara drafitra taminy Izy izay hitondra amin’ny fahombiazana.

“Aoka haorina ny trano, tsy araka ny fomban’ izao tontolo izao,” hoy ny Tompo. “Aoka haorina izany araka ny fomba izay hasehoko” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 95:13–14). Avy eo dia nanome torolalana ny Tompo ny amin’ny fomba hanorenana ny Tempoly (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 95:15–17).

Soa ihany fa efa nanoro antsika zavatra betsaka mihoatra noho ny fanorenana tempoly fotsiny ny Tompo. Nanome torolalana antsika ihany koa Izy hanampiana antsika ho lasa ilay olona tsara indrindra ato anatintsika. Rehefa manaraka azy ireny isika dia hanorina ny fiainantsika “tsy amin’ny fomban’izao tontolo izao” fa araka ny fomba nomanin’ny Tompo.

Ireto misy fomba dimy mba hanorenana fiainana feno fahasambarana sy fifaliana mifototra amin’i Jesoa Kristy.

Manorina fototra azo antoka

Tsy maintsy hilaza aminao ny mpahay taotrano na ny mpanao trano fa ny hamafin’ny fototra no zava-dehibe amin’ny fanorenana trano rehetra. Nampianatra i Helamàna fa ny fototra tsara indrindra hanorenantsika ny fiainantsika dia eo amin’ilay “vatolampin’ny Mpanavotra antsika, dia i Kristy, ilay Zanak’ Andriamanitra” (Helamàna 5:12). Azontsika atao ho ilay fototra hiorenantsika i Kristy amin’ny alalan’ny fanatonana Azy sy ny fanarahana ny fampianarany. Ahoana no fahatsapanao ny ezaka ataonao mba hanao an’i Kristy ho fototry ny fiainanao?

Manompoa ny hafa

Sary
tongotra

Ny fomba iray tsara azontsika hanorenana ny fiainantsika, araka ny nolazain’ny Filoha Dieter F. Uchtdorf fony izy mpanolotsaina tao amin’ny Fiadidiana Voalohany, dia “rehefa mijoro ka manompo ny Tompo sy ireo olona manodidina antsika [isika].”1 Rehefa manompo ny hafa ianao dia manao ny nataon’i Jesoa ary mianatra ny ho lasa tahaka Azy kokoa. Ary tsy hitahy ny fiainan’ireo olona tompoinao fotsiny ianao fa ho voatahy ihany koa ianao.

Manorena fahazarana mivavaka sy mandalina ny soratra masina

Sary
tanan’olona eo am-pivavahana

Fomba iray hafa hanorenana fiainana feno fahasambarana ny fanorenana fifandraisana amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Fomba iray tsara hanaovana izany ny vavaka sy ny fandalinana ny soratra masina.

Hoy ny Filoha Uchtdorf hoe: “Mba hanamafisana orina ny fifandraisantsika amin’ Andriamanitra dia mila fotoana hatokana hiarahana irery Aminy isika. Ny fifantohana am-pahatoniana amin’ny vavaka manokana sy fandalinana soratra masina atao isan’andro … dia petra-bola hendry atao amin’ny fotoanantsika sy ny ezaka ataontsika mba hifanakaiky kokoa amin’ny Raintsika any An-danitra.”2

Fahafahana iray hifandray amin’ny Ray any An-danitra ny vavaka. Fantany isika, tiany isika, ary te handre antsika Izy! Rehefa mivavaka amim-kitsim-po isika sy manolotra fisaorana ary mangataka ireo zavatra ilaintsika dia mihaino antsika Izy ary mamaly amin’ny Fombany sy ny Fotoanany foana.

Raha ny fandalinana ny soratra masina no resahina dia tsy misy hoe fomba iray tsara hanaovana izany. Ny manan-danja dia ny fanaovanao izany! Nampianatra ny Filoha Russell M. Nelson hoe: “Ny firotsahana ao anatin’ny tenin’ Andriamanitra isan’andro dia tena zava-dehibe amin’ny fahavelomantsika ara-panahy.”3 Tsy isalasalana fa ny fandanianao fotoana hamakiana ny soratra masina isan’andro dia hanampy anao hanorina fiainana feno finoana sy tanjaka.

Miaraha amin’ireo izay mamporisika anao hanao ny tsara

Sary
zazalahy maninjitra ny tanany

Tian’ny Ray any An-danitra ny mba hanorenantsika fifandraisana amin’ny hafa, indrindra amin’ ireo fianakaviana sy namana. Matetika ny olona mifanerasera amintsika no mamolavola ny toetrantsika. Na mpikamban’ny Fiangonana izy ireo na tsia dia tokony hodidinin’ olona izay manampy anao hiaina ny filazantsara ianao sy hitandrina ireo fenitra napetraky ny Tompo ary ho lasa olona tsaratsara kokoa. Azonao atao ihany koa ny manampy ireo manodidina anao hanao izany. Iza amin’ireo namanao no manampy anao hanorina ny fototrao eo amin’ny fahamarinana?

Mahita fifaliana eo am-panorenanao ny fototrao

Misy fomba maro hafa ahafahanao manorina ny fiainanao mba ho mafy ara-panahy sy ho feno fifaliana, ao anatin’izany ny fandehanana any am-piangonana sy ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo, ny fanaovana sy ny ny fitandremanana fanekempihavanana ary ny fanarahana ireo torohevitra avy amin’ireo mpaminany velona.

Zava-dehibe ho an’ny mpikambana ny mahatsiaro fa ireo zavatra rehetra ireo dia mitaky asa sy fotoana avokoa. Misy foana ny fanorenana sy fianarana tokony hatao saingy tsy voatery hataonao irery izany. Hanampy anao isan’andro ny Tompo rehefa miezaka manao izay tsara indrindra vitanao ianao hanorina fiainana izay mahafaly anao sy mahafaly Azy ary hitondra fifaliana ho anao.

Fanamarihana

  1. Dieter F. Uchtdorf, “Miandry eny amin’ilay Lalana Mankany Damaskosy,” fiahonamben’ny Fiangonana maneran-tany apr. 2011 (Liahona, mey 2011, 76).

  2. Dieter. F. Uchtdorf, “Ny amin’ireo zavatra izay manan-danja indrindra,” fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ôkt. 2010 ( Liahona, nôv. 2010, 21).

  3. Russell M. Nelson, “Henoy Izy,” Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany, apr. 2020 ( Liahona, mey 2020, 89).

Hamoaka printy