2021
Hiady ny adinao amin’ny Fombany Andriamanitra
Septambra 2021


“Hiady ny adinao amin’ny Fombany Andriamanitra,”Ho zatovo mahery, sept. 2021, 15–17.

Avia, hanaraka Ahy

Hiady ny adinao amin’ny fombany Andriamanitra

Nianatra zavatra iray na roa momba ny fomba fiasan’ Andriamanitra ireo Olomasina tany am-piandohana.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 103–105

Sary
Tobin’i Ziona tany Fishing River

Tobin’i Ziona nataon’i Judith Mehr

Raha nisy mpihetraketraka feno hatezerana maherin’ny 300 isa nianiana ny hamotika azy ireo ny marainan’io dia nanana fanantenana sy nivavaka mba hisian’ny fahagagana ilay vondrona Olomasina izay nandrafitra ny Tobin’i Ziona.

Nandeha an-tongotra namakivaky an’i Ohio nakany Missouri ny Tobin’i Ziona nandritra ny herinandro maromaro teo ambany fitarihan’i Joseph Smith. Nanantena ny hanampy ireo Olomasina izay noroahina hiala ny faritr’i Jackson, Missouri, Etazonia, ireo mpikamban’ny Fiangonana ireo mba hakan’izy ireo ny taniny indray. Niatrika fandrahonana sy fanoherana nefa izy ireo nandritra ny dian’izy ireo. Ary dia mbola nisy mpihetraketraka hafa izay nandrahona azy ireo hatrany.

Tsy ho ela dia hitranga ny fahagagana izay nivavahan’ireo Olomasina tao amin’ny Tobin’i Ziona. Niseho tamin’ny endrika rahona mainty nivangongo avy lavitra izany. Nisy oram-baratra nahery vaika nipoaka avy amin’ny lafiny rehetra ary nitondra havandra vaventy. Nanakana ireo mpihetraketraka tsy hanohy ny lalany ilay oram-baratra.

Manazava ny tantaran’i Joseph Smith fa “toy ny hoe nivoaka avy tamin’ny alalan’ilay Andriamanitry ny ady mba hiarovana ireo mpanompony manoloana ny famotehan’ireo fahavalo ilay iraka mba hanao valifaty”. “Nilatsaka tamin’izy ireo ny havandra fa tsy taminay, ary tsy nisy nampahory anay afa-tsy ny firodanan’ny sasantsasany tamin’ireo tranolainay sy ny nahalena anay, fa ny fahavalonay kosa dia goaka be tamin’ny satrony raha tsy izany dia nihatra fahasimbana, hatramin’ny fahapotehan’ny tahirim-basilavan’izy reo sy ny fitsoahan’ny soavalin’izy ireo.”1

Ny havandra izay nandrava dia ampahany tamin’ilay oram-baratra ihany. Tena nirotsaka mafy dia mafy ny orana ka saika nahatratra 12 metatra ny halalin’i Fishing River, ilay renirano nanasaraka ireo vondrona roa. Mbola hatreny an-kitrokely ny halalin’ny rano ny marainan’io.

Nampanantena ireo mpikambana tao amin’ny Tobin’i Ziona ny Tompo hoe “Izaho no hiady ny adinareo” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 105:14). Rehefa mitranga izany dia tsy ho azo isalasalana hoe iza no handresy.

Fahagagana amin’ny andro farany

Indraindray rehefa mamaky tantara tahaka ity ianao dia mety hanontany tena hoe nahoana no tsy mitranga aminao ny fahagagana manaitra toy izao mandritra ireo fahasarotana atrehinao.

Vao haingana ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo no nanoro hevitra izay afaka ny hanampy. Hoy izy: “Fantaro fa Izy ilay tsy matory na rendrehana dia miraharaha ny fahasambarana sy ny fisandratana faratampon’ireo zanany ambonin’ny zavatra hafa rehetra tokony ho ataon’ny andriamanitra iray. Izy no fanehoana amim-boninahitra ny fitiavana madio, ary Ray be famindram-po no anarany.

“Mety hiteny ianao hoe –Raha izay ary no izy dia tsy tokony hoe hanasaraka ireo Ranomasina Mena eo amin’ny fiainantsika manokana ve ny fitiavany sy ny famindram-pony ary hamela antsika hamindra ao anatin’ireo olantsika toy ny mamindra amin’ny tany maina?–”

Raha lazaina amin’ny teny hafa, raha niady ady toy izany ho an’ireo zanany Andriamanitra taloha dia nahoana Izy no tsy hanao izany intsony ankehitriny? Nahoana no tsy ho foanany ireo aretina rehetra? Nahoana no tsy atsahany ny ady sy ny hanoanana ary ny fijaliana manerana izao tontolo izao?

Na farafaharatsiny nohoana no tsy sakanany ilay ankizy mpandrahona anao iny? Na manampy ny fianakavianao hifankahazo kokoa?

Mbola mampianatra ihany ny Loholona Holland hoe: “Ny valin’izany fanontaniana izany dia hoe –Eny, Andriamanitra dia afaka ny hanao fahagagana eo no ho eo kanefa na ho ela na ho haingana dia mianatra isika fa Izy ary Izy irery ihany no mandidy ireo fotoana sy ireo tonontaonan’ ny fiainantsika an-tany.– Izy no mandrindra izany tetiandro izany amin’ny fomba samy hafa ho an’ny tsirairay avy.”2

Rehefa manaraka ireo didin’Andriamanitra ianao, dia manan-jo ianao hahazo ny fanampian’ Andriamanitra. Saingy tsy misy na iray aza amintsika afaka misafidy ny fomba na ny fotoana hahatongavan’izany fanampiana izany.

Fitahiana tsy ampoizina

Andeha isika hiverina kely amin’ny Tobin’i Ziona. Tena nanaitra tokoa ilay fahagagana tany Fishing River. Ary tsy izany irery ihany no fahagagana hitan’ireo mpikambana tao amin’ny Tobin’i Ziona nandritra ny dian’izy ireo. Fa araka ny hovakinao ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy sy hianaranao ao amin’ny seminera mandritra ity volana ity dia tsy araka ny drafitra napetrak’ireo Olomasina ny zava-nitranga.

Nieritreritra izy ireo fa ny tanjon’ny Tobin’i Ziona dia ny hanampy amin’ny fahazoana indray ireo tany izay nangalarin’ireo mpihetraketraka tezitra tamin’ireo Olomasina.

Naverina tamin’ireo Olomasina ve ny taniny? Tsia.

Nijaly ve ireo Olomasina raha nanao ilay diabe efa ho 1448 kilometatra izay mankany Missouri? Eny indrindra. Nijaly be mihitsy aza indraindray. Ny ratsy indrindra tamin’izany dia ny fielezan’ilay valanaretina kôlerà tao amin’ilay toby ary nahafaty olona miisa 13.

Raha ny ivelany no jerena dia toa tsy fahombiazana no fijery ny ezaka rehetra efa natao. Saingy tsy izany no nandraisan’ny maro tamin’ireo nandray anjara tamin’ilay diabe nataon’ilay toby azy. Hoy i Brigham Young momba ity zava-niainany ity hoe: “Nahazo valisoa lehibe tokoa—valisoa nihoatra ny tokony ho izy—eny, tena lehibe tokoa ny valisoako niaraka tamin’ny fahafantarako fa efa nahazo tombony tokoa aho tamin’ny alalan’ny dia nataoko niaraka tamin’ny Mpaminany [Joseph Smith].”3

Maro ireo mpikambana hafa tao amin’ny Tobin’i Ziona izay niresaka momba ireo lesona nianarany sy ny hasarobidin’ilay diabe. Ny mpaminany Joseph Smith tenany mihitsy no nilaza hoe: “Ry rahalahy, ny sasany aminareo dia tezitra tamiko, satria tsy niady tany Missouri ianareo; kanefa tiako ny milaza aminareo, fa tsy tian’ Andriamanitra hiady ianareo. Tsy afaka ny handamina ny fanjakany izy … raha tsy efa nisafidy [ireo mpitariny] avy tamin’ny andian-dehilahy maromaro izay efa nanolotra ny ain’izy ireo ary efa nanao fahafoizan-tena mitovy amin’ilay nataon’i Abdrahama.” 4

Sary
Tobin’i Ziona

Tobin’i Ziona nataon’i C.C.A. Christensen

Ny fahatokian’izy ireo dia mety tsy nitondra tamin’ny famerenana ny tanin’izy ireo tamin’izy ireo. Kanefa dia nahazo fitahiana sesehena tamin’ny fomba maro hafa izy ireo. Mety ho toy izany ihany koa ny toe-javatra tsikaritrao eo amin’ny fiainanao Ary izay hanampian’ Andriamanitra antsika mba hahatongavantsika amin’ny alalan’ ireo fitsapana mahazo antsika dia matetika fahagagana lehibe kokoa noho ny fanafahany antsika avy amin’ireo fitsapana mahazo antsika.

Ny fandresen’ Andriamanitra azo antoka

Eo am-pandalinanao ny fiainan’ireo Olomasina tany am-boalohany dia ho hitanao hatrany hatrany ny fitaoman’ Andriamanitra. Mamaky momba ana fitahiana lalina ianao. Mahita fotoana feno fahasahiranana lalina ihany koa ianao. Fa ho an’ireo izay nahatoky an’ Andriamanitra hatramin’ny farany dia azo antoka ny valisoa ho raisin’izy ireo mandrakizay.

Rehefa manaraka an’ Andriamanitra sy mahatoky Azy ianao dia hiady ireo adinao Izy ary hanolotra ireo fahagagana ilainao! Ho tonga amin’ny fombany sy ny fotoany ireo fahagagana ireo, saingy azo antoka ny. Ho voavaha avokoa ny fisedrana rehetra amin’ny farany, na amin’ity fiainana ity na amin’ny fiainan-koavy. Mitovy lanja amin’izany ihany koa, raha manaraka Azy ianao dia tsy handeha irery mihitsy. “Koa aoka ho mahatoky; ary indro ka jereo, Izaho homba anareo hatramin’ny farany.” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 105:41).

Fanamarihana

  1. History, 1838–1856, volume A-1 (23 desambra 1805–30 aogositra 1834), 497, josephsmithpapers.org.

  2. Jeffrey R. Holland, fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany, ôkt. 2020 (Liahona, nôv. 2020, 116).

  3. Brigham Young, “Discourse,” Deseret News, 3 des. 1862, 177.

  4. Joseph Smith, ao amin’ny Joseph Young Sr., History of the Organization of the Seventies (1878), 14.

Hamoaka printy