2021
Fitsapam-pinoana
Septambra 2021


“Fitsapam-pinoana,” Ho zatovo mahery!, sept. 2021, 18–19.

Avia, hanaraka Ahy

Fitsapam-pinoana

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 102–105

Sary
mpihetraketra mandoro trano

1833. Fivondronan’i Jackson, Missouri, Etazonia. Noteren’ireo mpihetraketraka handao ny trano fonenany ireo Olomasina.

Sary
I Joseph Smith mivavaka

Nanontany tena ny amin’ny tokony hataony i Joseph Smith. Vetivety foana dia nisy fanambarana tonga taminy. Nolazaina i Joseph mba hanangona lehilahy izay handeha ho any Missouri ary hanampy ireo Olomasina haka ireo tranony indray.

Sary
olona manao dia

Nankany Missouri niaraka tamin’ny vondron’olona mpilatsaka an-tsitrapo i Joseph. Io vondrona io dia nantsoina hoe Tobin’i Ziona taty aoriana.

Sarotra ilay dia indraindray kanefa dia maro ireo izay nifaly tamin’izany.

Sary
lehilahy mitana basy eo amin’ny renirano iray

Rehefa nandeha nandritra ny iray volana ilay toby dia nijanona teo amin’ny renirano iray.

Ren’izy ireo fa nisy lehilahy teny ampita izay niandry mba hanafika azy ireo.

Sary
lehilahy miresaka

Inona no hataontsika?

Sary
Joseph Smith

Mijoroa …

… fa hahita ny famonjen’ Andriamanitra.

Sary
tafio-drivotra.

Vetivety foana dia nisy tafio-drivotra tonga.

Sary
lehilahy ao anatin’ny tafio-drivotra

Andriamanitra dia ao anatin’io rivo-mahery io!

Sary
lehilahy eo akaikin’ny renirano mitobaka iray

Nampiakatra ny renirano ny ranon’orana ka tsy afaka niampita izany ireo fahavalon’ilay toby.

Sary
lehilahy miaraka amin’ny tara-masoandro

Andro vitsivitsy taorian’izay dia nahazo fanambarana i Joseph fa fotoana hodiana io fotoana io na dia mbola tsy nanampy ireo Olomasina tao Missouri hody amin’ny taniny aza izy ireo.

Sary
Joseph Smith

Nanaiky ireo ezaka atoantsika ny Tompo.

Nentina hatreto isika mba hisedrana ny finoantsika. (Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 105:19.)

Nisy ireo nihevitra fa tsy nahomby ny dia.

Sary
lehilahy iray mitebiteby

Tonga taty lavitra aty amin’ny tsy misy antony isika!

Sary
lehilahy iray mitebiteby

Nahoana isika no hody kanefa tsy mbola nanampy ireo Olomasina aty?

Ny ankamaroany dia nahita fa fahafahana lehibe ny tafiaraka amin’ny Mpaminany sy nianatra avy taminy.

Sary
lehilahy

Nanampy nanomana ny mpitarika ao amin’ny Fiangonana ny Tobin’i Ziona. Lehilahy valo niara namindra tamin’ny Tobin’i Ziona no voantso ho tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo.

Hamoaka printy