2021
Sahirana amin’ny fomba fiakanjo
Septambra 2021


“Sahirana amin’ny fomba fiakanjo,” Ho zatovo mahery!, sept. 2021, 8.

Fototra mafy orina

Sahirana amin’ny fomba fiakanjo

Sary
zatovovavy manandrana fitafiana iray

Sary nataon’i Alyssa Gonzalez

Fony aho tany amin’ny sekoly ambaratonga faharoa dia voafidy handray anjara tamina hetsika fampisehoana lamaody iray aho mandritra ny hetsika fanao isan-taona tao an-tsekoly. Fantatro fa hisafidy fitafiana tsy maotina ilay mpandrindra ka nolazaiko izy fa tsy handray anjara aho raha toa ka tsy maotina ny fitafiana asaina hanaovako. Nilaza izy fa tokony tsy haninona izany.

Rehefa nandeha nijery ireo fitafiana tokony hanaovanay izaho sy ireo namako dia sanganehana aho. Na dia teo aza ny zavatra nolazain’ilay mpandrindra dia nifanohitra tanteraka tamin’ireo fenitra momba ny fitafiana sy ny bika aman’endrika ao amin’ilay kiboky Ho zatovo mahery! ireo fitafiana rehetra. Satria toa tsy nisy vahaolana hafa dia nanandrana ny iray tamin’ireo fitafiana tsy maotina aho. Te ho tsara tarehy aho saingy rehefa nanao izany fitafiana izany aho dia tsy nahazo aina. Nanontany tena aho hoe: “Tahaka ny ahoana re no ho fahatsapako raha teo anatrehan’ny Tompo aho no manao karazana fitafiana toy izao?”

Nieritreritra ny fomba hahafahako miala amin’ilay toe-javatra nisy ahy aho. Nony farany dia hitako ilay fitafiana fanaovan’ny zokiko vavy mamonjy alim-pandihizana izay nifanaraka tamin’ny fenitry ny Tompo. Rehefa nilaza tamin’ireo namako aho fa hanao ny fitafiako manokana dia hitako teo amin’ny endrik’izy ireo fa nieritreritra izy ireo fa ho tsara kokoa aho raha nanao ireo fitafiana tsy maotina. Soa ihany fa nilaza ilay mpandrindra fa tsy naninona ny hanaovako ilay fitafiana maotina.

Nahatsapa ho maivamaivana sy natoky tena aho. Tsy niraharaha ny eritreritr’ireo namako aho. Nahita fomba handraisana anjara niaraka tamin’ny fitafiana kanto sy maotina aho. Feno fankasitrahana aho fa nanana ny herim-po hihazona ambony ireo fenitra arahiko, indrindra fa tamin’ izany toe-javatra tsy mora sy tsy fanaon’ny olona izany.

Jessika S., Indonezia

Hamoaka printy