2021
Manorina an’i Ziona amin’ny alalan’ny firaisan-kina
Septambra 2021


“Manorina an’i Ziona amin’ny alalan’ny firaisan-kina,” Ho zatovo mahery!, sept. 2021, 20.

Teny farany

Manorina an’i Ziona amin’ny alalan’ny firaisan-kina

Avy tamin’ny lahateny natao tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana tamin’ny ôktôbra 2008.

I Ziona dia sady toerana no olona. I Ziona no anarana nomena ilay tanànan’i Enoka fahiny. Nantsoin’ny Tompo hoe Ziona ny vahoakan’i Enoka, “satria izy ireo dia iray fo sy iray saina ary niaina tamim-pahamarinana; ary tsy nisy nahantra teo anivony” (Mosesy 7:18). Tany amin’ny toerana hafa dia hoy Izy hoe, “Fa i Ziona dia izao—ny madio am-po” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 97:21).

Mba hanorenana an’i Ziona any an-tokantranontsika sy any amin’ireo sampana sy paroasy ary tsatòka misy antsika dia (1) mila iray fo sy iray saina isika; (2) lasa vahoaka masina; ary (3) mikarakara ireo mahantra sy ireo sahirana. Tsy afaka miandry ny fahatongavan’i Ziona isika vao hanatontosa ireo—tsy ho tonga i Ziona raha tsy mitranga ireo.

Ho lasa iray fo sy iray saina isika rehefa mametraka ny Mpamonjy eo afovoan’ny fiainantsika tsirairay, manaraka ireo izay notendreny hitarika antsika ary miray hina am-pitiavana sy am-piraharahiana antsika samy isika. Izany firaisan-kina sy fifankatiavana izany, ampitomboana an’arivony amin’ny fomba maro samihafa, dia “hitondra indray an’i Ziona” (Isaia 52:8).

Sary
fahitana tanan-dehibe iray hita avy eny ambony

Sary nataon’i Albert Pinilla

Hamoaka printy