2021
Ahoana no ahafahako mitandrindra ireo fitsipika momba ny fiarahan’olon-droa?
Septambra 2021


“Sarotra ny mitandrina ireo fitsipika rehefa hitako fa ao anatina fiarahana aman’olona avokoa ny olom-ptatro rehetra. Inona no tokony hataoko?” Ho zatovo mahery! sept. 2021, 9.

Fanontaniana sy valiny

“Sarotra ny mitandrina ireo fitsipika rehefa hitako fa ao anatina fiarahana aman’olona avokoa ny olom-ptatro rehetra. Inona no tokony hataoko?”

Fanatsarana ny tena manokana

Sary
zatovovavy iray

“Miezaha manana fomba fijery mibanjina ny mandrakizay ary makà fotoana hanatsarana ny fifandraisanao amin’ny fianakaviana sy ireo namanao mba ho lasa lalina kokoa. Ireo fombafomba tsara ireo dia hitondra ny hafa hanatona anao satria hahita ny tsara indrindra ao aminao izy ireo, ilay tena ianao!”

Ellie S., 17 taona, Californie, Etazonia

Mikatsaka fitarihana

Sary
zatovolahy iray

“Raha sahirana ianao ka mahatsapa fa irery, dia angataho ny Ray any An-danitra mba hampionona anao. Ny Fanahy Masina no hitarika anao ary ho eo anilanao Izy. Azonao atao ihany koa ny mangataka torohevitra avy amin’ireo ray aman-dreninao sy ireo mpitarika anao satria efa teo amin’ny misy anao ankehitriny izy ireo!”

Jaime G., 17, Nuevo Casas Grandes, Mexique

Mahazo namana vaovao

Sary
zatovovavy iray

“Mampahatsiahy ny tenako aho fa tia ahy Andriamanitra. Avy eo aho dia mitady fahafahana hifandraisana amin’ireo namako taloha ary mamorona zavatra atao aho mba hahazoana namana vaovao. Azonao ampiasaina ity fotoana ity hanorenana fahatokisan-tena sy talenta ary fijoroana ho vavolombelona ary dia hirindra araka ny tokony ho izy ny zava-drehetra.”

Julia S., 12, Alberta, Kanadà

Torohevitra avy amin’ireo mpaminany

Sary
zatovovavy iray

“Mety ho sarotra ny mieritreritra ny mandrakizay satria toa manan-danja kokoa ny -izao ankehitriny izao-”. Tsarovy fa nanome torohevitra ireo mpaminany sy ireo mpitarika hafa ao amin’ny Fiangonana mikasika ny tsy tokony hiarahana amin’ny olona iray mandritra ny maha zatovo anao na dia aorian’ny 16 taona aza. Ny fiarahana matotra aman’olona mandritra ny maha zatovo anao dia mety hitarika amin’ny fahadisoam-panantenana sy amin’ny tsy fahadiovam-pitondrantena. Azonao atao ihany koa ny manontany ny Ray any An-danitra momba ny zavatra tsara indrindra azonao atao.”

Julia C., 17 taona, Utah, Etazonia

Mirotsaha an-tsehatra

Sary
zatovovavy iray

“Fomba tsara hahatsapana fa isan’ny vondrona iray ny firotsahana an-tsehatra manao zavatra hafa. Manandrama manao fanatanjahan-tena vaovao, na mirotsaha amin’ny lalaon-tsehatra iray any an-tsekoly, na midira amina fikambanana manao resaka robot. Raha manao zavatra iray tianao ianao dia hihaona amin’ny olona izay mahafinaritra anao ny miaraka aminy.”

Mayah S., 16 taona, Beijing, Sina

Safidinao izany

“Raha efa 16 taona ianao dia afaka misafidy ny hiaraka irery amin’olona. Saingy rehefa mandray izany safidy izany ianao dia aza eritreretina izay mety ho eritreretin’ny olona momba anao. Raha mahatsapa fa vonona ianao dia ataovy izany. Raha tsia dia aza atao.”

Felipe M., 14 taona, Rio de Janero, Brésil

Fifandraisana hafa manan-danja

“Na dia tsy miaraka amin’ny olona iray izay –manan-danja– aza ianao dia mbola manana fifandraisana tsara amin’ireo namana sy fianakaviana manodidina anao. Ankasitraho ireny fifandraisana ireny. Mba hampatanjaka azy ireo dia meteza ho toa an’i Kristy sy ho ohatra tsara.”

Taylee L., 17 taona, Utah, Etazonia

Miandrasa hanorona fifandraisana matotra

“Tiako ny tsy mbola miaraka aman’olona. Ny sasany amin’ireo namako dia tsy te handeha hiaraka amiko satria ny fotoan’izy ireo rehetra dia lany miaraka amin’ireo sipany. Mahatsapa ho malalaka aho ny hahafantatra olona ary tsy mila mandray fanapahan-kevitra manan-danja aloha loatra.”

Gina C., 16 taona, Nuevo Casas Grandes, Mexique

Aza manery tena

“Nahatsapa toy izany koa aho saingy nanampy ahy ny fivavahako tamin’iny Tompo sy ny famakiko ny soratra masina ary ny firesahako tamin’ireo ray aman-dreniko. Tsy tokony hahatsapa ho voatery isika satria ny Tompo dia hanampy antsika hahalala ny fotoana mety amin’izany. Araraoty ny fiainanao ary miaraha amin’ireo namana sy fianakaviana ao anatin’ny maha zatovo anao! Indray mandeha eo amin’ny fiainana ihany no mandalo izao vanim-potoana eo amin’ny fiainantsika izao, koa aza mahatsapa ho voatery hanafaingan-javatra.”

Victoria G., 16 taoana, Nuevo Casas Grandes, Mexique

Hamoaka printy