2017
Elefanta iray ao amin’ny efitrano fianarana
October 2017


Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy

Elefanta iray ao amin’ny efitrano fianarana

Ny fivorian’ny filankevitry ny mpampianatra dia tsy manova fotsiny ihany ny fomba hampianarantsika. Manova ny fomba hianarantsika izy ireny.

elephant

Miatrika olana i Mzwakhe Sitole. Noho izy filohan’ny Sekoly Alahady ao amin’ny paroasy dia manana andraikitra avy amin’Andriamanitra izy ny hitondra fanampiana amin’ny fanatsarana ny fianarana sy ny fampianarana ny filazantsara ao amin’ny paroasy.1

Saingy ireo mpikambana ao amin’ny paroasiny ao Johannesbourg, Afrika Atsimo dia toa manana fahasamihafana lehibe eo amin’ny zavatra niainan’izy ireo tany aloha sy ny zavatra andrandrain’izy ireo. Ny sasany dia nahavita fianarana tsara, ny sasany tsia. Maro ireo nampianarina fa ny anjaran’ny mpianatra dia ny mihaino fa tsy ny miresaka. Ny sasany dia miatrika olana be ara-kolontsaina amin’ny fahatakarana fa ny lehilahy sy ny vehivavy dia tokony samy handray anjara amin’ny fampianarana ao am-piangonana sy ao an-trano.

“Ahitana olona miteny amin’ny fiteny samihafa koa ao aminay,” hoy Rahalahy Sitole. “Kanefa ny Fanahy dia te hibitsika amin’ny tsirairay.”

Rehefa nampidirina ny fivorian’ny filankevitry ny mpampianatra sy ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy tamin’ny taona lasa dia nanomboka nanao fivorian’ny filankevitry ny mpampianatra ny paroasy sy ny sampana manerana ny Fiangonana mba hifanakalo hevitra sy hianatra ary hampihatra ny dikan’ny hoe mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy.

Tamin’izay no nanombohan-dRahalahy Sitole nahita ny fomba hahafahan’ny fivorian’ny filankevitry ny mpampianatra mitahy ny paroasiny. Azo resahina ireo olana ara-kolontsaina, azo ampitomboina ny fandraisana anjara ao an-dakilasy, ary afaka ny ho tonga fitahiana ireo fomba fijery samihafa ananan’ny mpikambana.

Tahaka ireo olona maro hafa manerana izao tontolo izao dia tonga saina Rahalahy Sitole fa ny Tompo dia tsy mampiasa ny fivorian’ny filankevitry ny mpampianatra mba hanovana fotsiny ihany ny fomba fampianarantsika. Ampiasainy ihany koa izy ireny mba hanovana ny fomba fianarantsika.

Elefanta hita amin’ny fomba fijery tokana

Iray amin’ireo zava-baovao mahaliana indrindra lasa fantatry ny Rahalahy Sitole ny hoe rehefa manome andraikitra ny mpianatra handray anjara amin’ny fianaran’izy ireo manokana ny mpampianatra dia mahazo tombony avy amin’ny fomba fijery mivelatra izay omen’ny fomba fijery samihafa ny rehetra.

Tonga tao amin-dRahalahy Sitole nandritra ny fivorian’ny filankevitry ny mpampianatra iray izany fahatakarana izany, rehefa nizara ilay fanoharana momba ireo lehilahy jamba sy ilay elefanta izay hitan’izy ireo tamin’ny fomba fijery tokana fotsiny ihany ny mpikambana iray. Ilay fanoharana dia mitantara ny fomba namaritan’ny lehilahy jamba miisa enina tamin’ny fomba tsy nitovy ny elefanta iray (ny tongony iray dia toy ny andry, ny rambony dia toy ny tady, ny orony dia toy ny fantson-drano, sy ny sisa) satria mikasika faritra samihafa ny tsirairay.2

parts of an elephant

“Fa andao heverina ho maneho ny fampianarana ny filazantsara ilay elefanta,” hoy Rahalahy Sitole. “Raha izay no izy dia mila mamela ny mpianatra tsirairay isika mba hizara ny fomba fijeriny, mba hahafahantsika manana fahatakarana iraisana mikasika ny fomba hitahian’ny filazantsara antsika rehetra.”

Izany no antony hipetrahan’ireo mpampianatra ao amin’ny paroasin-dRahalahy Sitole mandrakariva manodidina ny latabatra iray mandritra ny fivorian’ny filankevitry ny mpampianatra, mba hanamorana ny fifanakalozan-kevitra. “Mampahatsiahy anay izany fa tokony homena lanja avokoa ny hevitry ny rehetra,” hoy izy.

Araka ny zavatra ilain’ izy ireo

Any Tokyo, Japana, i Natsuko Soejima dia niahiahy raha toa izy ka afaka mampianatra tsara. “Rehefa nantsoina ho mpampianatra tao amin’ny Sekoly Alahadin’ny zatovo aho,” hoy izy, “dia nolazaiko tamin’ny eveka fa hampatahotra ahy izany. Saingy nilaza izy fa avy amin’ Andriamanitra ilay antso, ka dia nanaiky aho.”

Nampatahotra azy ilay kilasy manontolo amin’ny maha-vondron’olona maromaro izany noho ny olana izay nisy teo amin’ny isam-batan’olona. Nanana fahasembanana ara-pandrenesana ny roa tamin’ireo zatovo. Ny mpianatra sasany izay nifindra tany Japana avy any amin’ny firenen-kafa dia tsy niteny afa-tsy teny anglisy. Nampatahotra azy ihany koa ny elanelan-taona nisy teo aminy sy ireo mpianany.

Avy eo anefa, nandritra ny fivorian’ny filankevitry ny mpampianatra dia nahita valinteny iray Rahavavy Soejima. “Niresaka mikasika ny hitiavana ny mpianatra tsirairay izahay, ny hamantatra ny anaran’izy ireo, ny hivavaka ho azy ireo tsirairay, ary ny hampianatra, miaraka amin’ny fitarihan’ny Fanahy, araka ny zavatra ilain’ izy ireo,” hoy izy nanazava, “ka izany no natomboko natao.” Nanao zavatra hafa izay nianarany tao amin’ilay filankevitra ihany koa izy: “Nampiasa fomba fiteny izay nampita ny fitiavako aho.”

Ny vokatra azo? “Niova ny foko. Nanomboka nahatsapa fitiavana ho an’ny mpianatro aho. Niraharaha ireo izay tsy tonga aho ary nivavaka ho azy ireo koa. Raha vantany vao tapitra ny lesona iray dia nanomboka niomana ho an’ny manaraka aho, mba hanana fotoana hieritreretana ireo fahafahana hampianatra. Dibo-kafaliana aho.”

Valinteny mifandray amin’ny zavatra iray manokana

I Brad Wilson, izay filohan’ny Sekoly Alahady ao Minnesota, Etazonia dia maka antoka fa tsy mandao ny fivoriana ireo mpampianatra ao amin’ny fivorian’ny filankevitry ny mpampianatra raha tsy efa avy niresaka mikasika ny fomba hiovan’izy ireo izy ireo noho ny zavatra izay nianarany.

“Nanaraka ny toromarika nomena ao amin’ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy izahay” hoy Rahalahy Wilson. “Niresaka mikasika ny traikefan’ireo mpampianatra izahay, ary avy eo dia niresaka ny iray tamin’ireo lohahevitra naroso. Amin’ny maha-mpanentana ahy dia nametraka fanontaniana sy nandravona ireo hevitra aho. Dia nanao fampiharana izahay avy eo. Nizara ho vondrona kely maromaro izahay dia nifanakalo hevitra ny amin’ny hoe —Inona no handeha hataoko amin’ny fomba hafa noho ny fivoriana nataonay androany?—”

I Ron Goodson, izay mpampianatra ao amin’ny kôlejin’ny diakona ao amin’io paroasy io ihany, dia nilaza fa nahatalanjona azy ny nahita ny fomba “nitarihan’ny” Rahalahy Wilson an’ilay filankevitra. “Niresaka momba ny hoe, ahoana no ho nampianaran’ny Mpamonjy izahay,” hoy izy. “Ary rehefa mahatsapa ny Fanahy ianao dia mieritreritra hoe —Zavatra tokony handramako amin’ny mpianatro ity.— Manova ny fomba fampianaranao ny fieritreretana ny Mpamonjy. Lasa tsy dia hoe —Mila manomana lesona aho,— intsony izany fa lasa bebe kokoa hoe —Inona no ilain’ireto diakona ireto ary ahoana no ahafahako manome azy ireo izany?—”

Tadidiny ny nanoratany tao amin’ny diariny hoe: “Nanatrika fivorian’ny filankevitry ny mpampianatra aho androany, ary izao no ilaiko atao.” Raha ny marina dia feno fanamarihana toy izany ny diariny. Miomana mialoha izy ankehitriny: “Manomboha aloha indrindra dia mahazo fitaomam-panahy ianao ny herinandro manontolo.” Anontaniany an’ireo diakona ny zavatra mitranga eo amin’ny fiainan’izy ireo: “Mahomby kokoa aho amin’ny fanampiana azy ireo rehefa fantatro tsara kokoa izy ireo.” Ary manasa ny diakona hanampy mba hampianatra izy: “Rehefa manao izany izy ireo dia mianatra tsara kokoa ihany koa.”3

Nanohy nihira aho

“Nandritra ny filankevitra nataonay dia niresaka mikasika ny fomba ahafahan’ny hira manasa ny Fanahy izahay,” hoy i Jocelyn Herrington, izay mpampianatra ao amin’ny Kilonga ao amin’ilay paroasy ao Minnesota ihany. “Tamin’ny farany teo dia nampianatra ny Tanamasoandro aho. Nieritreritra aho hoe —hihira aho mandritra ny fotoana handokoan’izy ireo, dia hahafinaritra izany.— Nanomboka nihira aho, dia nitsahatra nandoko izy rehetra ary nihaino. Ka dia nanohy nihira aho. Nitondra ny Fanahy izany, ary rehefa vita ny hirako dia feno fanajana izy ireo, niandry ahy hiteny. Efa niresaka momba izany koa izahay [nandritra ny filankevitra], dia ny hijoro ho vavolombelona rehefa misy fahafahana. Koa dia nijoro ho vavolombelona tamin’ny teny azon’izy ireo takarina aho.”

Nilaza Rahavavy Herrington fa ankasitrahany ny fanasana ny mpampianatra ao amin’ny Kilonga handray anjara amin’ny fivorian’ny filankevitra. “Miresaka mikasika ny fampianarana ny olon-dehibe izahay,” hoy izy, “fa aorian’izay dia hiteny Ranadahy Wilson hoe —Ary ahoana ny amin’ny fampianarana ny zatovo? Ahoana ny amin’ny fampianarana ny ankizy?— Ampahatsiahiviny anay fa ao avokoa ireo sokajin-taona rehetra.”

Avy amin’ny filankevitra iray mankany amin’ny filankevitra iray hafa

I Adam Martin, izay filohan’ny Sekoly Alahady ao Calgary, Alberta, Kanada, dia nilaza fa ankasitrahany ireo sosokevitra avy amin’ny filankevitry ny paroasy. “Ny Filohan’ny Fikambanana Ifanampiana na ny filohan’ny kôlejin’ny loholona dia hiteny hoe —Tianay hifantoka amin’ity ny mpampianatra—ka noho izany dia resahanay mandritra ny [fivorian’ny] filankevitry ny mpampianatra izany,” hoy izy.

Fony vao nanomboka ireo fivorian’ny filankevitry ny mpampianatra dia tsy azon’ireo mpampianatra antoka ny zavatra tokony handrasan’izy ireo, ka dia nanome fanasana manokana maro be izy ary nampahafantatra ireo fitaovana fanofanana hita ao amin’ny teaching.lds.org. “Mandeha soa aman-tsara sy tsy tapaka izao ny fivorian’ny filankevitry ny mpampianatra,” hoy izy. “Fantatr’izy ireo fa toerana hiresahana ny zavatra mitranga izany.”

Ny fivoriana iray vao haingana dia niompana tamin’ny fanarahana ny Fanahy. “Niresahanay ny mikasika ny fiomanana tsara fa tsy mieritreritra be ny hampianatra ny zavatra rehetra,” hoy izy. “Nilaza ny rahavavy iray fa nahatsapa mandrakariva izy fa nila niresaka momba ny zavatra rehetra tao amin’ny lesona nomaniny. Hita taratra ny fahatongavan-tsainy fa tsy ilaina ny miresaka ny zavatra rehetra rehefa niresaka mikasika ny fanarahana ny fitaomam-panahy izahay rehefa mitarika fifanakalozan-kevitra iray.”

Miara-mitady vahaolana

elephant on a table

Ny toe-javatra misy ao anatin’ny fampianarana tsirairay dia ahitana ny tombontsoa sy ny olana ary ny fitahiana mety ho azo izay mahakasika izany manokana. Izany no mampahomby ny filankevitra satria mamela ny mpampianatra, miaraka amin’ny fanampian’ny Fanahy, hikatsaka sy hitady valinteny momba ireo olan’ izy ireo manokana izy ireny.

I Geoffrey Reid, izay filohan’ny Sekoly Alahadin’ny tsatòka ao Arizona, Etazonia, dia nilaza fa ny fivorian’ny filankevitry ny mpampianatra dia tena mahomby rehefa mahatakatra ny mpampianatra fa ny tanjon’izy ireo dia ny hifampila hevitra: “Dia mahita izy ireo avy eo fa afaka mifanampy.”

Ny tsatòka, hoy izy, dia mifantoka amin’ny fanampiana ny mpampianatra hanova ny fomba fieritreretan’izy ireo manao hoe “Mety tsara ve ny fampianarako?” ho lasa hoe “Ahoana no handraisan’ny mpianatra ireo hafatra?”

I Marisa Canova, izay mpampianatra ao amin’ny Kilonga ao amin’ilay tsatòka dia nilaza fa ho valin’ny fitaomam-panahy tsapany tao amin’ny filankevitry ny mpampianatra dia mamporisika ireo mpikambana ao amin’ny kilasin’ny Mahery fo 8 taona ampianariny izy mba hifampivavaka. Nahomby izany, saingy mety tsy toy izany ny fahombiazan’ilay izy ho an’ny kilasy iray ho an’ny olon-dehibe. “Ny fivavahana ho an’ny mpianatra tsirairay ao anatin’ny kilasy lehibe iray ianarana ny Fotopampianaran’ny filazantsara dia mety ho adidy mavesatra tokoa,” hoy izy. “Soa ihany fa ireo mpampianatra ireo dia miteny hoe—Ahoana araka ny hevitrareo no azontsika hanamboarana izany hifanaraka amin’izay ilain’ny kilasintsika?— Dia miara-mahita vahaolana izahay.

“Ny zavatra tena tiako mikasika ny fivorian’ny filankevitry ny mpampianatra,” hoy izy, “dia ny hoe manome antsika fotoana izy ireny mba hisaintsainana hoe manao ahoana ny zava-bitantsika ary inona ny zavatra ataontsika. Tena manampy ny fahazoana fanampiana sy tatitra, ary mahatsapa fa miara-manatratra tanjona iray ny rehetra. Tiako ihany koa ireo fomba fijery samihafa izay entin’ny olona maro be ao anatin’ireo fivoriana. Manampy ahy hanisy lanja ireo zavatra izay tsy ho nomeko lanja mihitsy raha izaho irery izany.”

Rehefa mandray anjara sy mizara hevitra mandritra ireo fivorian’ny filankevitry ny mpampianatra isika dia ho lasa mazava kokoa ny fahatakarantsika momba ilay elefanta antsoina hoe “fampianarana ny filazantsara”. Tahaka ny Rahalahy Sitole ao Afrika, dia maro ireo mpikambana manerana ny Fiangonana no mahita fa rehefa mihatsara ny fahaizantsika mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy dia tsy ny fomba hampianarantsika ihany no ovain’izany, fa ny fomba hianarantsika ihany koa.

Fanamarihana

  1. Jereo ny Manuel 2: Administration de l’Église (2010), 12.2.2.

  2. Ilay fanoharana dia hita ao amin’ny “What Is Truth?” izay nataon’i Dieter F. Uchtdorf. (Fampaherezam-panahy ho an’ny Tanora Tokan-tena sy Mpivady Vao Herotrerony an’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 13 jan. 2013), broadcasts.lds.org; sy ny “What Is the Truth?” izay nataon’i Dieter F. Uchtdorf, Friend, Mar. 2017, 2.

  3. Mba hahazoana sosokevitra bebe kokoa dia jereo ny Brian K. Ashton, “Helping Youth Teach,” Liahona, aog. 2016, 24–25.