2017
Mandrakotra fitiavana ireo izay mania
October 2017


Hafatra ho an’ny famangiana isan-tokantrano

Mandrakotra fitiavana ireo izay mania

Halalino amim-bavaka ity hafatra ity ary mikatsaha fitaomam-panahy mba hahafantatra izay tokony hozaraina. Amin’ny fomba ahoana no ahafahan’ny fahatakarana ny tanjon’ny Fikambanana Ifanampiana hanomana ireo zanakavavin’ Andriamanitra amin’ireo fitahian’ny fiainana mandrakizay?

Sary
mother and daughters walking together

“Ny marina dia tsy misy ny fianakaviana tonga lafatra … ,” hoy ny Filoha Dieter F. Uchtdorf, Mpanolotsaina Faharoa ao amin’ny Fiadidiana Voalohany. “Na inona na inona olana sedrain’ny fianakavianareo, na inona na inona ezaka ilainareo atao mba hamahana izany olana izany, dia ny fiantrana izay fitiavana madion’i Kristy no fiandohana sy fiafaran’ny vahaolana.”1

Hoy i Linda K. Burton, Filohan’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany teo aloha, momba ireo izay tsy mandray anjara tanteraka ao amin’ny filazantsara hoe: “Tia ny zanany rehetra ny Ray any An-danitra. … Na aiza na aiza misy azy ireo, na eo amin’ny lalana na ivelan’izany, dia tiany hody izy ireo.”2

“Na mivaona toy ny ahoana aza [ireo zanakareo], … rehefa miteny na miresaka aminy ianareo, dia aza atao amim-pahatezerana, aza atao amin’ny teny mafy, sy amin’ny fihetsika manameloka izany,” hoy ny Filoha Joseph F. Smith (1838–1918) raha nampianatra izy. “Miresaha amin-katsaran-toetra amin’izy ireo.”3

Ny Loholona Brent H. Nielson ao amin’ny Fitopololahy dia nanamafy ny torolalana nomen’ny Mpamonjy ho an’ireo izay nanana farantsakely folo ka nanary ny anankiray hoe: “[Tadiavo] izany mandra-pahita azy. Raha toa ka zanakao lahy na zanakao vavy na rahalahinao na anabavinao na anadahinao na rahavavinao ilay very, … rehefa ataontsika ny zavatra rehetra azontsika atao, dia tiavintsika amin’ny fontsika rehetra io olona io. …

“Enga anie izaho sy ianao ka handray ny fanambarana mba hahalalana ny fomba hanatonana bebe kokoa ireo olona eo amin’ny fiainantsika izay very ary rehefa ilaina dia mba hanana ilay faharetana sy fitiavan’ny Raintsika any An-danitra sy i Jesoa Kristy Zanany, eo am-pitiavana sy eo am-piandrandrana ny fiverenan’ilay adala sy eo am-piandrasana azy.”4

Ny Filoha Henry B. Eyring, Mpanolotsaina Voalohany ao amin’ny Fiadidiana Voalohany dia nilaza hoe: “Nivavaka tamim-pinoana aho mba hikatsahan’ny olona tiako anankiray ny herin’ny Sorompanavotana sy hahatsapany izany. Nivavaka tamim-pinoana aho mba hisy olona manan-toetran’anjely hanampy azy ireo, ary dia tena tonga izy ireo.

“Namolavola fomba Andriamanitra mba hamonjena ny zanany tsirairay.”5

Soratra masina sy fampahalalana fanampiny

Matio 18:12; Almà 31:35; 3 Nefia13:32; F&F 121:41–42

reliefsociety.lds.org

Sary
Relief Society seal

Finoana Fianakaviana Fanampiana

Fanamarihana

  1. Dieter F. Uchtdorf, “Ho fiderana ireo izay manavotra,” Liahona, mey 2016, 79, 80.

  2. Linda K. Burton, ao amin’ny Sarah Jane Weaver, “Sister Burton, Sister Wixom Visit Church’s Pacific Area,” Church News, apr. 2, 2013, lds.org/church/news.

  3. Enseignements des Présidents de l’Eglise: Joseph F. Smith (1998), 254.

  4. Brent H. Nielson, “Miandry ilay nania,” Liahona, mey 2015, 103.

  5. Henry B. Eyring, “Ho an’ireo zafikeliko” Liahona, nôv. 2013, 71.

Hamoaka printy