Nitady fanampiana taorian’ny nahafatesan’i Nancy
Ny mpanoratra dia monina any Georgie, Etazonia.
Inona no nilaina nataoko mba hamelana ny hery manasitran’i Jesoa Kristy hiasa teo amin’ny fiainako?
Tamin’ny febroary 2016 dia nodimandry i Nancy vadiko rehefa avy niady mafy tamin’ny homamiadan’ny nono nandritra ny 11 taona. Tsy azo heverina ny hahafahana manazava ilay alahelo nitambesatra izay tsapako tao anatin’ireo volana vitsivitsy voalohany taorian’ny nahafatesany amin’ny olona iray izay tsy niaina io karazana famoizana olon-tiana io. Alahelo, fijaliana mafy, fahoriana, fanaintainana, tsy nisy ampy nilazana ny alaheloko ireo teny ireo. Tsy hay nozakaina izany.
Ny hery manasitran’ny Mpamonjy
Efa ela aho no nahatakatra fa i Jesoa Kristy dia “[nidina] … ho ambanin’ny zava-drehetra” (F&F 88:6) mba hahafahany “[manampy] ny vahoakany arakaraka ny rofiny” (Almà 7:12). Izany dia midika fa ny herin’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy dia ahitana zavatra hafa ankoatra ny fanomezana ny Fitsanganana amin’ny maty sy ny fanavotana amin’ny fahotana. Amin’ny alalan’io hery io dia afaka manasitrana antsika ihany koa Izy ao anatin’ny fotoana hijaliantsika sy mahasahirana antsika. Tao anatin’ny alaheloko dia niezaka haingana be aho, efa ho romotra mihitsy, nianatra ny zavatra nilaiko natao mba hamelana io lafin-javatra amin’ny herin’ny Mpamonjy io hiasa teo amin’ny fiainako. Nanadihady ny soratra masina sy ireo lahateny nataon’ny Manampahefana Ambony ao amin’ny Fiangonana nandritra ny herinandro maro aho. Nino tamin-kitsim-po aho fa, nahafantatra ny fanaintainana tsapako ny Mpamonjy tamin’ny alalan’ny fiaretany fanaintainana lehibe sy nanaovany sorona ny tenany. Fa manampy ahy amin’ny fomba ahoana anefa ny fahafantarany izany? Noho Izy nizaka izany ho ahy dia inona no nilaiko natao mba handraisana ny fanampiana izay efa fantany tamin’ny alalan’ny fijaliany ny fomba hanomezana azy?
Taorian’ny fanadihadiana lalina, fandalinana, vavaka ary fitsaohana tany amin’ny tempoly dia nanomboka nahatakatra aho. Voalohany indrindra, nanomboka nahita mazava kokoa aho fa efa nanampy, nampionona, ary nanohana ny fianakavianay ny Tompo, indrindra fa tao anatin’ireo herinandro vitsy nialoha ny nahafatesan’i Nancy. Nisy traikefa ara-panahy mahatalanjona tamin’izany izay fantatro ankehitriny fa fitahiana avy amin’ny hery manasitrana sy mampatanjaka afaka ny ho azonay noho ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy. Ary ny fahafantarana fotsiny fa efa nikarakara anay tamin’ny fomba tena nitsinjovana ny tsirairay ny Mpamonjy, dia efa tena nampahery tokoa. Tahaka an’i Sadraka sy i Mesaka ary i Abednego fahiny, dia niaraka taminay Izy tao amin’ny “lafaoro misy afo mirehi[try]” (Daniela 3:17) ny fahorianay.
Matoky ny Tompo
Nianatra ihany koa aho fa misy zavatra sasany takina amintsika mba hahazoana ny fampiononana sy ny fanasitranan’ny Tompo. Ny tena manan-danja indrindra dia tokony hatoky Azy isika. Mety ho zavatra sarotra atao izany. Nahoana aho no tokony hatoky an’ Andriamanitra raha toa ka tokony ho afaka ny nanakana ny fahafatesan’i Nancy Izy mialoha ny nitrangan’izany? Ho valin’io fanontaniana io dia nanohy nisaintsaina zavatra iray izay nolazain’ny Tompo tamin’ny Mpaminany Joseph Smith aho:
“Tsy hainareo jerena amin’ny masonareo voajanahary amin’izao fotoana izao ny fikasan’ Andriamanitrareo momba ireo zavatra izay ho avy rahatrizay ireo, ary ny voninahitra izay hanaraka aorian’ny fahoriana be” (F&F 58:3).
Nomena mari-pamantarana maro izahay fa araka ny sitrapon’ny Tompo ny fomba sy ny fotoana nahafatesan’i Nancy. Lasa nahatakatra aho fa ny Ray izay mahalala ny zavatra rehetra sy be fitiavana dia namela anay hiaritra ireo zavatra ireo satria ilaina ihany io fahoriana io ao anatin’ny drafitra lavorary nataony ho an’ny fisandratan’ny fianakavianay. Noho ny fahafantarako izany dia takatro fa ny anjarako ao anatin’ny drafiny dia tsy ny hiaritra izany fotsiny fa ny “[hiaritra] tsara izany” (F&F 121:8). Raha toa aho ka afaka manokana io fahoriana io Aminy dia tsy hahazo fanampiana fotsiny aho fa hohamasinina ihany koa. Efa niainako tamin’ny fomba maro izany.
Nanoro hevitra ireo zanakay aho mba hanao ny zavatra nianarako manokana araka izao dingana izao:
-
Avelao ny fanaintainana avy amin’ny zava-tsarotra niainana handrisika anareo ho lasa mpianatra bebe kokoa.
-
Aboraho ao anatin’ny vavaka izay ao am-ponareo.
-
Raha mahatsapa ho tezitra amin’ Andriamanitra iana-reo noho ny namelany ireo loza hitranga dia mitalahoa Aminy mba hanoloany an’izany hatezerana izany amin’ny finoana sy fankatoavana.
-
Manaova fanekempihavanana fa hitia Azy sy hatoky hatramin’ny farany ianareo.
-
Mivokisa tsy tapaka amin’ny tenin’Andriamanitra, avy amin’ny soratra masina sy ireo lahateny ary asasoratr’ireo mpaminany maoderina sy ireo mpampianatra nentanim-panahy.
-
Mankanesa any amin’ny tempoly miaraka amin’ny hetaheta mba ho ampianarina ireo zavatra mikasika ny mandrakizay.
-
Mitadiava olona izay miaina zavatra mampivarahontsana ka mitarika azy hiahiahy ny finoany, ary ampatanjaho amin’ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ireo fotopampianarana ireo izy ireo.
Fijoroana ho vavolombelona nataon’ny Apôstôly
Tokotokony ho iray volana taorian’ny nahafatesan’i Nancy dia nisy alina iray izay nahatsapako fa tena nanorotoro ahy tanteraka ilay alahelo tsapako. Tao anatin’ny fanaintainana sy alahelo lalina aho nandritra io andro iray manontolo io. Tadidiko ny nampianaran’ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo fa “ny lalan’ny famonjena dia nitarika mandrakariva … handalo ao Getsemane.”1 Na dia tsy azo ampitahaina amin’ny an’ny Mpamonjy aza ny fijaliako dia tao anatin’ny “fotoana maizina sy mangidy” niainan’ny tenako manokana aho tamin’io alina io.2
Rehefa avy niaina izany elaela aho ary nivavaka mba hangataka fanampiana dia tonga tao an-tsaiko ny zavatra iray izay efa novakiko sy notehiriziko tao amin’ny solosainako taona maro tany aloha. Notadiaviko ilay fichier dia nojereko tao ambanimbany tao ilay zavatra notadiaviko. Tafasiry natao niaraka tamin’ny Loholona Richard G. Scott (1928–2015) ilay izy, izay nanontaniana azy mikasika ny namoizany an’i Jeanene vadiny noho ny homamiadana tamin’ny 1995. Namaly ny Loholona Scott hoe: “Tiako hazavaina tsara aloha fa, … tsy namoy azy aho. Any ampitan’ny voaly izy. Nofehezina tamin’ny alalan’ilay ôrdônansy masin’ny tempoly izahay, dia hiaraka mandrakizay izahay.”3
Tamin’izay alina izay dia tonga tamin-kery izay tsy mbola tsapako hatrizay ireo teny ireo. Tahaka ny jiro be amin’ny tilikambo izay narehitra tao anatin’ny alina maizina izany. Tsy mbola namaky zavatra nanana fiantraikany tampoka sy lalina tahaka izany aho. Nisinda ilay haizina sy ilay fanaintainana. Mitovy amin’ny nitranga tamin’i Almà izany rehefa “tsy nety nahatsiaro intsony ny fanaintaina[ny]” (Almà 36:19) izy. Io fijoroana ho vavolombelona nataon’ny Apôstôly io dia nisy fiantraikany lalina tamiko. Talanjona aho hoe ny hevitra iray izay efa takatro hatramin’ny fahazazako dia afaka ny ho lasa toa mahagaga be toy izany tampoka teo. Lasa nanontany tena aho hoe ahoana no nahafahan’ny Loholona Scott nahafantatra zavatra toy izany. Ary tamin’izay fotoana izay dia tsapako fa fantatro ihany koa ilay izy. Raha mahatoky aho dia afaka hanana ny fanantenana rehetra izay nananan’ny Loholona Scott. Na dia azo antoka aza fa nisy alahelo sy fisaonana hatramin’izay fotoana izay dia tsy niverina na oviana na oviana nahatsapa indray ny halalin’ny fanaintainana sy ny alahelo tsapako tamin’izay alina izay aho.
Io ilay hery omen’ny Mpamonjy antsika mba hanampy antsika ao anatin’ny fisedrana lalovantsika. Fantatro fa ny alahelon’ny fianakaviantsika dia tsy hanjavona tanteraka, fa lasa voatelina ao amin’ilay nantsoina hoe ny fitahiana “mampatanjaka” sy “mandavorarin’ny” Sorompanavotan’ny Mpamonjy.4 Nosintonina hanakaiky kokoa ny Mpamonjy izahay, nahatsapa ny fanomezan-tokiny, ary notohanan’ny fototra azo antoky ny fanekempihavananay.