Toetra tahaka ny an’i Kristy
Nalaina tamin’ny lahateny natao tamin’ny fivoriambe momba ny fivavahana natao tao amin’ny Brigham Young University–Idaho tamin’ny 25 janoary 2003.
I Jesoa, izay nijaly indrindra, no manana ny fangorahana lehibe indrindra ho antsika rehetra izay zara raha mijaly raha ampitahaina Aminy.
Ny Loholona Neal A. Maxwell (1926–2004) dia nampianatra fitsipika iray izay tena nanaitra ahy tokoa ary lasa nifantoka tamin’izay ny ankamaroan’ny fandalinako, sy fieritreretako, ary fisaintsainako. Nilaza izy hoe: “Tsy afaka nisy Sorompanavotana raha tsy teo ny toetran’i Kristy!”1 Hatramin’ny nahenoako io fanambarana mahitsy sy mahery vaika io dia niezaka ny hianatra bebe kokoa momba ny teny hoe “toetra” sy hahatakatra izany bebe kokoa aho. Nosaintsainiko ihany koa ny fifandraisana eo amin’ny toetran’i Kristy sy ny Sorompanavotany—ary ny lanjan’izany fifandraisana izany amintsika tsirairay amin’ny maha-mpianatra antsika.
Ny toetran’i Jesoa Kristy Tompo
Ny famantarana tsara indrindra ny toetra angamba dia ny fahafahana mamantatra sy maneho ny fihetsika tokony haseho amin’ny olon-kafa izay miaina ilay olana na fahoriana mihitsy izay mitaona antsika saika ho eo no ho eo sy amin-kery. Ny tena toetra marina dia miseho, ohatra, ao amin’ny hery ananana mba hamantatra ny fijalian’ny olona hafa rehefa mijaly ny tenantsika; ao amin’ny fahafahana mahatsapa ny hanoanan’ny hafa rehefa noana isika; ary ao amin’ny hery mba hanampy sy hahatsapa fangorahana amin’ny fijaliana ara-panahin’ireo olona hafa rehefa ao anatin’ny fijalian’ny tenantsika ara-panahy isika. Noho izany, ny toetra dia miseho amin’ny alalan’ny fijerena sy ny fanampiana ny hafa raha toa kosa ny fihetsika ara-boajanahary sy asesiky ny sain’ny tena ka tsy mifantoka afa-tsy amin’ireo olantsika sy ireo zava-tsarotra iainantsika manokana. Raha izany fahafahana manampy ny hafa ao anatin’ny fahoriana izany tokoa no fepetra tsara indrindra mamaritra ny toetra tsara dia ny Mpamonjy an’izao tontolo izao no ohatra tonga lafatra amin’ny toetra tsy miova sy feno fiantrana toy izany.
Ohatra amin’ny toetran’i Kristy
Tao amin’ny efitra ambony tamin’ny alin’ny Fanasana farany, ilay alina izay hiainany ny fanaintainana lehibe indrindra izay nitranga tao amin’ny tontolo rehetra nohariany, dia niresaka momba ny Mpampionona sy ny fiadanana i Kristy:
“Izany teny izany dia efa voalazako taminareo raha mbola mitoetra eto aminareo Aho.
“Fa ny mpananatra dia ny Fanahy Masina, izay hirahin’ny Ray amin’ny anarako. Izy no hampianatra anareo ny zavatra rehetra izay nolazaiko taminareo.
“Fiadanana no avelako ho anareo, ny fiadanako no omeko anareo; tsy tahaka ny fanomen’izao tontolo izao no fanomeko anareo. Aza malahelo na matahotra ny fonareo” (Jaona 14:26–27).
Tao anatin’ny fahafantarana fa ny tenany dia efa hahatsapa mafy sy mivantana ny tsy fisian’ny fampiononana sy ny fiadanana, ary tao anatin’ny fotoana iray izay mety nampikorontana sy naha-feno tahotra Azy, ny Mpampianatra dia nanolo-tanana sy nanome ho an’ny hafa ireo fitahiana izay afaka nampatanjaka Azy sy ho tena nampatanjaka Azy.
Tao anatin’ilay Vavaka Fanalalanana lehibe, izay natao avy hatrany mialoha ny nandehanan’i Jesoa niaraka tamin’ny mpianany nita ny lohasahan-driaka Kidrona nankeny amin’ny Sahan’i Getsemane, ny Mpampianatra dia nivavaka ho an’ny mpianany sy ho an’ireo rehetra “izay mino Ahy koa noho ny teniny;
“mba ho iray ihany izy rehetra, tahaka Anao Ray ato amiko. …
“… Mba ho tanteraka ho iray izy, mba ho fantatr’ izao tontolo izao fa Hianao efa naniraka Ahy sady efa tia azy tahaka ny nitiavanao Ahy. …
“Ary efa nampahafantariko azy ny anaranao, ary mbola hampahafantariko ihany, mba ho ao aminy ny fitiavana izay nitiavanao Ahy, ary Izaho koa ho ao aminy.” (Jaona 17:20, 21, 23, 26).
Mamerimberina mametraka ireto fanontaniana manaraka ireto foana aho rehefa misaintsaina izany sy ireo zava-nitranga hafa niseho rehefa tena antomotra ny famadihana Azy sy ny fijaliany tao amin’ilay saha: Ahoana no nahafahany nangataka izay mahasoa ny hafa sy ny mba hiraisan’izy ireo hina mialoha indrindra ilay fahoriany lehibe? Inona no nahafahany nikatsaka fiononana sy fiadanana ho an’ireo izay tsy dia nila izany raha noharina Taminy? Raha toa ka nitambesatra Taminy ny toetra lavon’izao tontolo izao izay nohariany, ahoana no nahafahany nifantoka tanteraka sy nifantoka fotsiny tamin’ireo toe-javatra niainan’ny hafa sy olana nananan’izy ireo? Ahoana no nahafahan’ny Mpampianatra nanolo-tanana ho an’ny hafa raha toa ka ho nifantoka tamin’ny tenany ny olona ambany kokoa noho Izy? Misy teny nolazain’ny Loholona Maxwell izay manome ny valin’ny tsirairay amin’ireo fanontaniana mampieritreritra lalina ireo:
“Ny toetran’i Jesoa dia tsy maintsy nanome ny fanohanana nilaina hanatanterahana ny sorompanavotany mahatalanjona. Raha tsy nisy ny toetra lafatr’i Jesoa dia tsy afaka nisy sorompanavotana lafatra! Ny toetrany dia lehibe toy izany ka —[niaritra] fakam-panahy isan-karazany—Izy (Almà 7:11), kanefa—tsy nilefitra—tamin’ny fakam-panahy (F&F 20:22).”2
I Jesoa, izay nijaly indrindra, no manana ny fangorahana lehibe indrindra ho antsika rehetra izay zara raha mijaly raha ampitahaina Aminy. Marina tokoa fa ny halehiben’ny fijaliana sy ny fangorahana dia mifandray akaiky amin’ny halehiben’ny fitiavana izay tsapan’ilay manompo.
Mikatsaka fiantrana amim-pahavitrihana
Azontsika atao eto amin’ny fiainana an-tany ny mikatsaka ny hahazo sy hikolokolo ireo singa manan-danjan’ny toetra tahaka ny an’i Kristy. Azontsika olombelona atao tokoa ny miezaka amim-pahamarinana ny handray ireo fanomezam-pahasoavan’ny fanahy mifandray amin’ny fahafahana manolo-tanana ny hafa sy maneho ny fihetsika tokony haseho amin’ny olon-kafa izay miaina ilay olana na fahoriana mihitsy izay mitaona antsika saika ho eo no ho eo sy amin-kery. Tsy afaka mahazo fahafahana hanao zavatra toy izany amin’ny alalan’ny finiavana fotsiny na ny fahavononan’ny tena manokana isika. Fa tsy maintsy miantehitra amin’ny “fahamendrehana sy ny famindram-po ary ny fahasoavan’ny Mesia Masina” (2 Nefia 2:8) kosa isika. Fa “andalana anampy andalana, fitsipika anampy fitsipika” (2 Nefia 28:30) ary “rehefa afaka elaela” (Mosesy 7:21), isika dia omena fahafahana hanolo-tanana ny hafa raha toa ka ny fifantohantsika amin’ny tenantsika kosa no fironana voajanahary.
Mamelà ahy hanoro hevitra fa izaho sy ianao dia tsy maintsy mivavaka, maniry, miezaka, ary miasa mba hambolena ao anatintsika ny toetra iray tahaka ny an’i Kristy raha toa ka manantena ny hahazo ny fanomezam-pahasoavan’ny fiantrana—ilay fitiavana madion’i Kristy isika. Ny fiantrana dia tsy toetra azontsika amin’ny alalan’ny fikirizantsika sy fahavononantsika omban’ny tanjona fotsiny. Tsy maintsy manaja ireo fanekempihavanana nataontsika tokoa isika ary miaina amim-pahamendrehana ary manao izay rehetra azontsika atao mba ho mendrika ilay fanomezam-pahasoavana. Kanefa amin’ny farany dia lasa fananan’ny fanomezam-pahasoavan’ny fiantrana isika, fa tsy isika no tompon’izany (jereo ny Môrônia 7:47). Ny Tompo no mamaritra raha toa isika ka handray ireo fanomezam-pahasoavan’ny fanahy rehetra sy ny fotoana handraisantsika izany, kanefa tsy maintsy manao izay azontsika atao amin’ny herintsika rehetra isika mba haniry, hikatsaka, hanasa, ary ho mendrika ny fanomezam-pahasoavana toy izany. Rehefa tsy mitsahatra manao asa amin’ny fomba mitovy amin’ny toetran’i Kristy isika dia amin’izay angamba isika no maneho amin’ny lanitra amin’ny fomba mahery vaika ny faniriantsika hahazo ny fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy an’ny fiantrana izay masina. Ary mazava fa omena izany fanomezam-pahasoavana mahatalanjona izany isika rehefa tsy mitsahatra manolo-tanana ny hafa rehefa te hifantoka amin’ny tenantsika ilay lehilahy na vehivavy araka ny nofo ao anatintsika.
I Jesoa no Kristy, ilay Zanaka Lahitokan’Ilay Ray Mandrakizay. Fantatro fa velona Izy. Ary mijoro ho vavolombelona aho fa ny toetrany dia nahatonga antsika hanana ny fahafahana sady hahazo ny tsy fahafatesana no hahazo ny fiainana mandrakizay. Enga anie isika hanolo-tanana ny hafa rehefa te hifantoka amin’ny tenantsika ny fironana voajanahary ao anatintsika.