2017
Tsy tara loatra izao ho an’ny fahafahana hanao ezaka fanindroany
October 2017


Miresaka an’i Kristy isika

Tsy tara loatra izao ho an’ny fahafahana hanao ezaka fanindroany

Monina any Virginie, ao Etazonia ny mpanoratra.

Ny rain’ny iray amin’ireo mpianatro tena sahirana indrindra dia nilaza tamin’ny zanany vavy hoe: “Tsy tara loatra izao mba hahombiazanao.” Manome antsika izany hafatra izany koa ny Tompo.

Sary
father and daughter at a parent teacher conference

Sary nataon’i Kelley McMorris

Mpianatra tao amin’ny kilasy ho an’ireo efa lasa lavitra amin’ny fianarana teny anglisy nampianariko i Sandra. Herinandro maromaro tao anatin’ny taona dia tsy nanao izay enti-mody na drafitrasa nomena izy. Nanonofy antoandro teo an-dabiliony fotsiny izy. Namorona antony tsy nahatontosany ireo asa nampanaovina azy izy, ary sady tsy nampiseho fihetsika no tsy nanao ny asa nilaina ho an’ny fahombiazana amin’ny taranja tena nitaky ezaka be toy izany.

Nanapa-kevitra ny handrindra fihaonana miaraka amin’i Sandra sy ny rainy ary ny sasany amin’ireo mpampianatra azy hafa izaho sy ny mpanoro hevitra azy mba hamantarana ny lalana tokony horaisiny: tokony hajanony ve ireo taranja ho an’ny efa lasa lavitra amin’ny fianarana ka hanao ireo taranja tsotra izy ho solon’izany? Ny zavatra manan-danja indrindra neritreretinay rehetra dia hoe: “afaka mahita fomba iray hanampiana an’i Sandra hahomby ve isika?”

Noho ny fiheverako fa nomena fahafahana hahomby imbetsaka i Sandra kanefa nisafidy ny tsy hahomby kosa dia tamim-pahakiviana tokoa no namonjeko ilay fivoriana. Nanantena tany anatiko tany aho fa hanapa-kevitra ny hitsahatra hanatrika ny kilasiko izy ka dia tsy ho voatery ny hanahy noho ny aminy intsony aho. Tsapako fa nataoko daholo izay azoko natao ary efa tara loatra raha mbola hanao ezaka hafa.

Ny fihetsik’i Sandra tao amin’ilay fivoriana dia nanambara fa izy ihany koa dia niahiahy ny amin’ny fahafahany hahomby. Nibanjina ny latabatra izy teo am-pitantarako ny tsy fahombiazany tao amin’ny kilasy fampianarana teny anglisy. Rehefa nanamafy ny mpampianatra tantara an’i Sandra fa tsy nahomby koa izy tao amin’ny kilasiny, dia nigorisa nidina ambanimbany kokoa teo amin’ny sezany izy ary nahita ranomaso nitsotsorika teo amin’ny tavany aho.

Nanangona fangorahana tao anatiko aho dia nanazava taminy sy tamin’ny rainy fa raha toa ka te hahomby amin’ireo taranja sarotra ireo i Sandra dia tsy maintsy manova ny fihetsiny izay nahatonga azy ho latsaka tao anatin’izany lavaka izany izy ary ho tena sarotra tokoa izany.

Hafatra iray avy tamin’ny rainy

Dia nitodika tany amin’ny rain’i Sandra, lehilahy zara raha nianatra izay toa tsy nahazo aina rehefa niresaka momba ny sehatra ara-pianarana, ilay mpanoro hevitra. Nanontany azy ilay mpanoro hevitra raha toa ka manana fanontaniana ho an’ireo mpampianatra izy. Nilaza izy fa tsy nanana ary nisaotra anay tamin’ny zavatra nataonay ho an’i Sandra. Saingy nilaza izy avy eo fa nanan-javatra holazaina tamin’ny zanany vavy.

Nidobodoboka be ny foko. Efa nandray anjara tamin’ny sasany tamin’ireo fihaonan’ny ray aman-dreny sy ny mpampianatra aho izay nibedesan’ireo ray aman-dreny ny zanany teo imason’ny mpampianatra sy ny mpanoro hevitra, nanakiana azy ireo ny amin’ny fahakamoany, ny tsy fifantohany, ary ny tsy fahampian’ny zotom-po. Niomana ny hihaino izany indray aho.

Nahatalanjona ahy anefa ny zavatra reko. Nitodika tany amin’ny zanany vavy 16 taona izay nitomany, notambesaran’ny henatra sy nenina ny rain’i Sandra feno fanetrentena dia niteny taminy hoe: “Tsy tara loatra izao. Tsy tara loatra izao mba hahombiazanao. Tena tsy mbola tara loatra izao.”

Nandao izany fivoriana izany tamim-pankasitrahana aho noho ny fihetsiny feno fitiavana kanefa nanana ahiahy fa tsy fantany mihitsy ny zavatra hotakina amin’ny zanany vavy mba hifindra kilasy tao anatin’izany toe-javatra izany. Toa tsy azo heverina izany. Nisy filazana nivoaka taty aoriana fa nanapa-kevitra ny hanajanona ny kilasy tantara izy fa tsy ny kilasy fampianarako anglisy.

Taty aoriana kely tamin’io andro io rehefa nandohalika nivavaka aho, nisaintsaina ireo fahalemeko sy nangataka famelana tamin’ny Raiko any An-danitra, dia fantatro fa nila nianatra zavatra betsaka avy tamin’ny rain’i Sandra aho. Ny fahatsapana ho tsy voaro sy ny fahatsapana ho tsy mahavita zavatra dia efa nahatonga ahy hanontany tena indraindray teo amin’ny amin’ny fiainako manokana raha toa ka mendrika ny homena fahafahana hanao ezaka fanindroany aho. Tamin’ireo fotoana ireo, ny Tompo, tahaka ny rain’i Sandra, dia nisafidy ny tsy hibedy ahy fa nanome toky ahy kosa hoe: “Tsy tara loatra izao, ry zanako vavy. Tsy tara loatra izao.”

Ny hafatry ny filazantsara

Impiry moa isika no nino ny hafatry ny fahavalo fa tsy misy fanantenana intsony ny amintsika? Kanefa mifanohitra amin’izany no lazain’ny mpaminany. Nanambara i Isaia hoe: “Aoka hiverina ho amin’i Jehovah ireny, fa hamindra fo aminy Izy, Eny, ho amin’Andriamanitsika, fa hamela heloka dia hamela heloka tokoa Izy” (Isaia 55:7). Nanampy ny tenivavolombelony i Môrmôna hoe: “Arakaraka ny nibebahany sy ny nitadiavany famelana tamin’ny finiavana marina no namelana azy” (Môrônia 6:8). Ny fifaliana avy amin’ny filazantsara dia hoe tsy misy tara loatra izany mihitsy. Satria arakaraka ny hikatsahantsika famelan-keloka no hamelan’ny fanavotan’ny Tompo antsika hamerina hatramin’ny voalohany indray.

Nitondra fiovana tsikelikely kanefa nanan-danja i Sandra, niaraka tamin’ny zotom-po hanomboka indray. Tsy mora ilay fiovana—nitaky ezaka isan’andro mba handresy ireo fahazaran-dratsiny izany—kanefa hitany ireo valisoa ho an’ny ezaka nataony rehefa nihatsara ny naotiny.

Raha jerena avy amin’ny fijery araka ny filazantsara dia tsy hisy fiantraikany eo amin’ny naotintsika farany ny faharetan’ny fotoana nampitolefika antsika na ny halalin’ny lavaka nohadiantsika mba hilentehantsika. Ny Tompo kosa dia hitsara ny fiainantsika araka ny lalana hitodihantsika, ny fomba nibebahantsika, ary hoe hatraiza no nianteherantsika tamin’ny Sorompanavotan’ny Tompo.

Noho izaho nanana fahatakarana voafetra dia niahiahy ny amin’ny fahafahan’i Sandra mandresy ireo fahadisoana nataony tany aloha aho. Mifanohitra amin’izany, ny Raintsika tonga lafatra dia tsy very fanantenana na oviana na oviana amin’ny fahafahan’ny zanany mahazo famonjena amin’ny alalan’ny fahatongavana ho tanteraka ao amin’i Kristy. Tsy maninona ny hoe nania hatraiza isika; hitady ilay anankiray mandrakariva Izy. Miangavy antsika ny Tompo mba tsy hirenireny toy ny mpivahiny ao amin’ny fahotana intsony fa hitady Azy kosa amin’ny fanantenana ary hianoka ireo fitahiana avy amin’ny Sorompanavotany tsy misy fetra. Marina tokoa fa tsy misy izany tara loatra izany.

Hamoaka printy