Mifikira mafy
Monina any Utah Etazonia ny mpanoratra.
Ny namana dia manova zavatra lehibe amin’ny maha-mora, na maha-sarotra ny fomba iainantsika ireo fenitra arahantsika.
Niara-lehibe tamin’ny namana izay mpikamban’ny Fiangonana aho, ary nanjary dodona ny hatao batisa sy mba ho lasa mpikambana ihany koa. Rehefa nifindra tany amin’ny faritra ilany indrindra amin’ny fireneko noho ny fianarana aho dia nanomboka nianatra lesona avy tamin’ny misiônera. Indrisy anefa fa ny tsindry avy tamin’ireo namako vaovao dia nahatonga ny fanarahana ny fenitry ny filazantsara ho sarotra. Ireo mpiara-mianatra amiko tao amin’ny taona voalohany dia nandany fotoana be dia be nisotroana zava-pisotro misy alikaola tany amin’ny fety. Tsy mbola nanandrana zava-pisotro misy alikaola aho teo aloha, saingy nanery ahy tsy tapaka ireo namako vaovao mba hisotro izany.
Nahafantatra aho fa marina ny filazantsara, saingy sarotra notoherina ny fakam-panahy avy amin’ireo namako.
Nanomboka nivavaka tamin’ny Ray any An-danitra aho mba hahazo hery handray fanapahan-kevitra tsara. Tsy mbola nampihena ny fenitra narahiko aloha aho, kanefa natahotra aho sao tsy hanana ny hery hametraka ilay zava-pisotro misy alikaola amin’ny fotoana manaraka hanolorana ahy izany. Nalahelo ireo namako miaina soatoavina tahaka izay iainako aho.
Indray sabotsy alina dia nandeha namonjy fety niaraka tamin’ireo olona niray trano fatoriana tamiko aho. Avy hatrany dia nisotro sy namporisika ahy hanao ny fanandraman-tsiroko voalohany amin’ny fisotroana zava-pisotro misy alikaola ny namako rehetra.
Te hanandrana tokoa aho. Noraisiko ilay labiera iray kaopy izay natolotra ahy. Nampanakaikeziko ny molotro ilay izy. Tsy nahazo aina aho kanefa finaritra fa nifantoka tamiko ireo namako. Avy eo dia nankeo amin’ny faritra nisy anay i Nick, izay zazalahy malaza ratsy tamin’ny fisotroana.
“Tsy nosotroinao izy teo e? Sa ahoana?” hoy izy nanontany.
“Tsy mbola nosotroiko,” hoy aho namaly.
“Raha misotro an’io ianao,” hoy i Nick, “dia hanenina ny amin’izany isan’andro mandra-pahafatinao.”
Tena taitra aho. Fantatro fa marina izay nolazainy. Tsy te hisotro aho. Te hiditra ho mpikamban’ny Fiangonana aho. Naveriko ilay kaopy dia nandao ilay fety aho, sady feno fankasitrahana fa tsy nandray fanapahan-kevitra ratsy.
Ny ampitso marainan’io dia nandeha tany am-piangonana aho, nitady ny misiônera, ary nametraka daty hanaovana ny batisako. Nanomboka tamin’izay andro izay dia tsy namonjy fety nisy zava-pisotro misy alikaola intsony aho. Nahazo namana vaovao tany am-piangonana aho izay miaina soatoavina sy fenitra mitovy amin’ny ahy. Mbola ninamana tamin’ireo olona niray trano fatoriana tamiko aho, kanefa nataoko nazava tsara ny fenitra arahako. Rehefa fantatr’izy ireo ny naha-zava-dehibe tamiko ireo soatoaviko dia nanaja izany izy ireo ka nitsahatra tamin’ny fanerena ahy. Tsikaritr’izy ireo sy nohajainy ny fivoahako ny efitrano rehefa nijery horonan-tsary tsy mendrika izy ireo na nihaino hira tsy mendrika.
Nampatanjahan’izany zavatra niainako izany ny fijoroana ho vavolombelona nananako, ary hiezaka ny tsy hampidina ny fenitra arahako na oviana na oviana noho ny tsindry avy amin’ny namana aho. Fantatro ihany koa fa ny fomba tsara indrindra hiatrehana ireo fanapahan-kevitra sarotra dia ny fiezahana hahafantatra ny fenitra arahan’ny tena sy ny mifikitra mafy amin’izy ireo hatrany am-boalohany.
Fantatro fa namaly ny fangatahako hery hanoherana ny fakam-panahy ny Ray any An-danitra. Feno fankasitrahana aho fa namporisika ahy handray fanapahan-kevitra tsara ny Fanahy Masina. Fantatro fa eo ireo fenitry ny Fiangonana mba hiaro antsika, ary feno fankasitrahana aho fa ny fisafidianana ny hanaraka azy ireny dia nanampy ahy hifidy ny hiditra ho mpikamban’ny Fiangonana.