2017
Miraharaha ny raharaham-barotra ataoko ny Ray any An-danitra
October 2017


Miraharaha ny raharaham-barotra ataoko ny Ray any An-danitra

Buyisile Zuma

KwaZulu-Natal, Afrika Atsimo

Sary
woman sewing

Sary nataon’i Allen Garns

Amin’ny maha-reny tokan-tena manan-janaka dimy ahy dia tsapako ny andraikitra mavesatra amin’ny famelomana ny fianakaviako. Mpanampy an-trano aho, saingy tsy ampy hamelomana ny fianakaviako ny asako. Niditra tao anatin’ny kilasy iray fianarana momba ny fizakan-tena aho mba hahafahako mianatra ny fomba hanatsarana ny toe-javatra niainako.

Nanintona ahy ny kilasy “Manomboka sy mampitombo ny raharaham-barotro” dia nanapa-kevitra aho fa afaka manjaitra sy mivarotra harona mihidy ampiasaina amin’ny vilany fandrahoan-tsakafo izay miadam-piasa. Nanjaitra ireo harona aho tamin’ny alim-be rehefa nody avy tany amin’ny asako tamin’ny antoandro.

Teo am-piasana alim-be aho indray alina namita zaitra be dia be izay haterina ny ampitso maraina no tsy nety nandeha intsony ny milina fanjairako. Sasakalina tamin’izay, ka noho izany dia tsy ho nisy mekanisiana afaka hanampy mihitsy. Niaraka tamin’ny amboaram-pitaovana kely fikirakirana ilay milina, kanefa tsy mbola nanamboatra milina fanjairana na oviana na oviana aho taloha. Tsy fantatro hoe atomboka amin’ny inona izany.

Dia tonga tao an-tsaiko ilay lesona ao amin’ny boky torolalana Ma fondation mitondra ny lohateny hoe “Mampiasa finoana an’i Jesoa Kristy”. Tamin’izay fotoana izay dia fantatro fa nila nametraka ny fitokiako tamin’ny Tompo aho. Nitolefika nandohalika aho ary nitalaho hoe: “Ray any An-danitra, ampio aho hanamboatra ity milina ity mba hahafahako mamita ny fangatahan’ilay mpanjifa izay halainy ny ampitso maraina. Ry Ray any An-danitra, ampio aho!”

Dia nahare bitsika mazava aho mba haka ny tournevis avy tao amin’ilay amboaram-pitaovana fikirakirana ary nampiasa izany mba hanindriana teo amin’ny faritra iray manokana teo amin’ilay milina fanjairana. Nataoko izany, niantehitra tanteraka tamin’ny finoako aho. Nitebiteby aho rehefa namerina nandefa ilay milina. Nandeha ilay izy!

Afaka nanatratra ny fe-potoana namitana ilay zaitra aho. Nanjary fantatro hoe manao ahoana izany manana ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ho mpiara-miombon’antoka ao amin’ny raharaham-barotra izany. Fantatro fa ho voatahy hatrany aho rehefa mikatsaka fahafahana hampihatra ny zavatra nianarako tao amin’ny kilasy fianarana momba ny fizakan-tena.

Hamoaka printy