Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny fivorian’ny Fisoronana Melkizedeka sy ny Fikambanana Ifanampiana
Manomboka ny janoary 2018
Fampisantarana ny olon-dehibe hiaina zavatra vaovao mandritra ny alahady
Zavatra iainana vaovao mandritra ny alahady
Ny janoary 2018 dia hiova ny fivoriana alahady ho an’ny kôlejin’ny Fisoronana Melkizedeka sy ny Fikambanana Ifanampiana. Misy ifandraisany amin’ireo boky ampiasaintsika ireo fanovana ireo. Ireo andiam-boky Enseignements des Présidents de l’Église dia hosoloina amin’ny fanamafisana bebe kokoa ny fianarana avy amin’ireo hafatry ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany, sy ny fiarahana mifampizara hevitra ary ny fandalinana lohahevitra manokana izay nofidin’ireo mpitarika ambony ao amintsika.
Saingy ny fiovana tena manan-danja dia ny fomba ampiasantsika ireo fitaovana ireo mba hanatanterahana ireo tanjona marin’ny fivoriana alahady ataontsika.
Ireo tanjon’ny fivoriantsika
Nalamin’Andriamanitra mba ho ao anatin’ny kôlejin’ny fisoronana sy ny Fikambanana Ifanampiana ireo zanakalahiny sy zanakavaviny nanao fanekempihavanana mba hanampy amin’ny fanatanterahana ny asany. Misy zavatra mahery vaika mitranga rehefa mivory eo ambanin’ny fitarihan’ireo izay mihazona ny fanalahidin’ny fisoronana isika. Ka na dia manan-danja aza ny fampianarana filazantsara dia mihoatra noho ny hoe fotoam-pianarana fotsiny ireo fivorian’ny fisoronana sy Fikambanana Ifanampiana isaky ny Alahady. Fivoriana mifono asa koa izy ireo izay iarahantsika mianatra avy amin’ireo hafatry ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany, sy ifampizarana hevitra mikasika ny asa famonjena, ary handaminana mba hanatanterahana ny asa. Ireo fiovana ho avy amin’ny 2018 dia hanampy antsika hanatanteraka ireo tanjona ireo.
Fanontaniana sy Valiny
Moa ve fandaharam-pampianarana vaovao, na zavatra hafa bebe kokoa ity fanovana ity? Mety ho toy ny fandaharam-pampianarana ireo fitaovana vaovao ireo, nefa izy ireo koa dia fitaovana hanampiana ny kôlejin’ny Fisoronana Melkizedeka sy ny Fikambanana Ifanampiana mba hampitombo ny fandraisany anjara ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra sy ny fanatanterahana ireo zavatra ilaina eo an-toerana. Ity fanovana ity dia hanome toerana tsara ho an’ny fikarohana ireo zavatra ilaina ireo sy ny fifampizarana hevitra mikasika izany ary ny fanatanterahana izany.
Inona no hifantohantsika mandritra ireo fivoriana Alahady? Manomboka amin’ny nôvambra 2017 dia hampidirana fitaovana mba hampiasaina mandritra ny fivorian’ny Fisoronana Melkizedeka sy ny Fikambanana Ifanampiana isaky ny Alahady ny laharan’ny Liahona. Ny roa amin’ireo fivoriana isam-bolana dia hifantoka amin’ireo hafatra avy amin’ny fihaonambe, ka homena hevitra ny mpitarika sy ny mpampianatra eo amin’ny fanampiana ny mpikambana hifanakalo hevitra mikasika ireo hafatra ireo sy hampihatra izany. Ny alahady voalohany dia hatokana ho an’ny fiarahana mifampizara hevitra mba hanatanterahana ireo zavatra ilaina eo an-toerana ary ny alahady fahaefatra ho an’ny fandalinana lohahevitra izay nofidin’ireo mpitarika ambony ao amintsika. Jereo ao ambadik’ity pejy ity ny fandaharam-potoan’ny fivoriana isam-bolana.
Inona no dikan’ny hoe miaraka mifampizara hevitra momba ireo zavatra ilaina eo an-toerana? “Miara-mivory amina filankevitra” (F&F 107:89) ny kôlejin’ny Fisoronana sy ny Fikambanana Ifanampiana isaky ny alahady voalohan’ny volana. Ampiasaina ny fivoriana alahady voalohan’ny volana, eo ambany fitarihan’ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana na Fikambanana Ifanampiana, mba hikarohana ireo zavatra ilaina eo an-toerana sy hifampizarana hevitra mikasika ny fomba hanatanterahana ireo zavatra ilaina ireo. Anisan’ny lohahevitra azo resahina mandritra ny filankevitra isaky ny alahady voalohany ny fomba hanatsarana ny fifandraisana amin’ireo olona ao amin’ny fianakaviana, ny fomba ahafahana manompo eo anivon’ny fiarahamonina, ary ny fomba hitarihana ny zatovo any amin’ny paroasy na sampana. Mandritra ireo fivoriana manaraka dia manohy mandray andraikitra mikasika ireo zavatra tsapa sy asa atao ilay kôlejy na ilay vondrona na ilay Fikambanana Ifanampiana.
Mitovy amin’ny Viens, et suis-moi ho an’ny zatovo ve ity fandaharam-pampianarana ity? Na dia tsy mitovy amin’ny ao anatin’ny Viens, et suis-moi aza ireo lohahevitra sy fitaovana ao anatin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny fivorian’ny Fisoronana Melkizedeka sy Fikambanana Ifanampiana dia mitovy ihany ny fomba enti-mampianatra sy mianatra. Mba hahazoana fampahalalana bebe kokoa momba ny fianarana sy fampianarana ny filazantsara dia jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, ao amin’ny teaching.lds.org.
Tsy mpampianatra aho. Moa ve aho mila mamandrika ny Liahona? Hitombo kokoa ny traikefa anananao raha toa ianao ka mamaky ireo hafatra avy amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ary mitondra izany any amin’ireo fivoriana alahady atrehanao. Afaka mahita en ligne ireo hafatra ireo ianao ao amin’ny conference.lds.org sy ao amin’ny application Bibliothèque de l’Évangile na amin’ny alalan’ny famandrihana ny Liahona (jereo ny store.lds.org).
Inona no atao raha tsy misy amin’ny fiteniko ny gazetibokin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany? Misy amin’ny fiteny maro ao amin’ny conference.lds.org sy ao amin’ny application Bibliothèque de l’Évangile ireo hafatra avy amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany, ary ireo fitaovana ho an’ny fandaharam-pampianarana dia ho hita ao amin’ny ComeFollowMe.lds.org. Raha toa ny fiteny ampiasainao ka tsy mahazo ireo fitaovana ho an’ny fandaharam-pampianarana vaovao na en ligne izany na amin’ny alalan’ny gazetiboky dia jereo ny Torolalana ho an’ny fandaharam-pampianarana 2018 mba hahazoana fampahalalana bebe kokoa.
Rahoviana isika no hanomboka ny fandalinana ireo hafatra vaovao avy amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany? Hanomboka handalina ireo hafatra avy amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany volana ôktôbra 2017 ianareo amin’ny janoary 2018. Aorian’izay dia ireo mpitarika anareo eo an-toerana no manapa-kevitra ny fotoana hanombohana ny fampiasana ireo hafatra avy amin’ny fihaonambe manaraka, angamba isaky ny volana mey sy nôvambra ao anatin’ny taona.
Iza no misafidy izay hafatra avy amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany tokony hohalalinintsika? Ireo mpitarika antsika eo an-toerana no miara-mandinika hoe inona avy ireo hafatra izay tena manome ireo zavatra ilain’ny kôlejinareo na ny vondrona misy anareo na ny Fikambanana Ifanampianareo. Ny vondron’ny mpisorona avo sy ny kôlejin’ny loholona ary ny Fikambanana Ifanampiana ao anatin’ny paroasy na sampana iray dia afaka mandalina hafatra samihafa mba hamaliana ireo zavatra samihafa ilaina.
Fandaharam-potoana ho an’ny Fisoronana Melkizedeka sy ny Fikambanana Ifanampiana
Manomboka ny janoary 2018
Lohahevitra |
Tarihin’ny | |
Alahady voalohany |
Miaraka mifampizara hevitra momba ireo zavatra ilain’ny mpikambana eo an-toerana |
Fiadidiana na mpitarika ao anatin’ny vondrona |
Alahady faharoa sy fahatelo |
Lahateny avy amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany natao farany |
Fiadidiana na mpitarika ao anatin’ny vondrona na mpampianatra voantso hampianatra |
Alahady fahaefatra |
Lohahevitra manokana nofidin’ireo mpitarika ambony ao amin’ny Fiangonana |
Fiadidiana na mpitarika ao anatin’ny vondrona na mpampianatra voantso hampianatra |
Alahady fahadimy |
Lohahevitra nofidin’ny episkôpà |
Episkôpà na olona iray notendren’izy ireo |
Ny torolalana mikasika ireo fivoriana ireo dia ho hita ao amin’ny laharan’ny Liahona volana nôvambra, sy ao amin’ny application Bibliothèque de l’Évangile, ary ao amin’ny ComeFollowMe.lds.org.