2018
Bonnie H. Cordon
May 2018


Bonnie H. Cordon

Filohan’ny Zatovovavy Maneran-tany

Sary
Bonnie H. Cordon

Ny soratra masina tena tian’ny Rahavavy Bonnie H. Cordon dia hita ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 123:17: “Aoka isika hazoto hanao ny zava-drehetra izay tratry ny herintsika; ary rehefa izany dia enga anie ka hahajoro isika omban’ny fahatokian-tena lehibe indrindra fa hahita ny famonjen’ Andriamanitra ary ny fampisehoana ny sandriny.”

Ho azy io andinin-tsoratra masina io dia maneho lesona izay nianarany nandritra ny fiainany. “Afaka manao zavatra sarotra isika, saingy azontsika atao amim-pifaliana koa izany,” hoy Rahavavy Cordon, izay notohanana ho Filohan’ny Zatovovavy Maneran-tany vaovao tamin’ny 31 martsa 2018.

Niditra tsikelikely tao anatiny izany fahalalana izany nandritra ny “fahazazany tena nahafinaritra” raha niasa tany amin’ny toeram-piompiana sy fambolena kely tany atsimo atsinanan’i Idaho izy ary avy eo indray rehefa sahirana nianatra fiteny vaovao fony izy misiônera tany Portugal. Izany koa dia hafatra izay naveriny matetika tamin’ireo misiônera fony izy niara-nanompo tamin’ny vadiny rehefa niahy ny Misiônan’i Curitiba Brésil ny vadiny. Ary zavatra iray tiany hozaraina amin’ireo zatovovavy manerana an’izao tontolo izao izany.

Ny zatovovavy amin’izao fotoana izao dia angatahina mba havitrika sy hampandroso ny asan’ny Tompo. “Ary vitantsika izany,” hoy izy.

I Bonnie Hillam Cordon dia naterak’i Harold sy i Carol Rasmussen Hillam tany Idaho Falls, Idaho, Etazonia tamin’ny 11 martsa 1964. Taorian’ny asa fitoriany dia nahazo mari-pahaizana licence en éducation tany Brigham Young University izy, ka tao no nahitany an’i Derek Lane Cordon. Nivady tao amin’ny tempolin’i Salt Lake izy ireo tamin’ny 25 aprily 1986. Manan-janaka efatra izy ireo ary zafikely efatra.

Ny asa fanompoana nataony nandritra ny fiainany ho an’ny Fiangonana dia ahitana ny fotoana naha-mpitarika azy tao amin’ny garderie sy naha-mpampianatra seminera azy. Talohan’ilay antso nomena azy roa taona lasa izay mba ho mpanolotsaina tao amin’ny Fiadidian’ny Kilonga maneran-tany, dia nankafizin’ny Rahavavy Cordon ny naha-filohan’ny Zatovovavy teo anivon’ny tsatòka azy. Na dia taorian’ny nisaorana azy tamin’izany antso izany aza dia, “tsy nitsahatra velively nivavaka ho an’ireo zatovovavy ireo aho,” hoy izy.

Ny hafatra izay tena tiany hozaraina amin’ireo zatovovavy manerana an’izao tontolo izao dia ny hoe, tiany izy ireo ary ny tena manan-danja indrindra, dia tian’ Andriamanitra izy ireo.

Hamoaka printy