Manompo tahaka ny ataon’ny Mpamonjy
Enga anie isika haneho ny fankasitrahantsika sy ny fitiavantsika an’ Andriamanitra amin’ny fanompoana am-pitiavana an’ireo rahavavy sy anadahintsika mandrakizay.
Fitahiana lehibe tokoa ny miaina amin’ny vanim-potoana isian’ny fanambarana tsy tapaka avy amin’ Andriamanitra! Rehefa miandrandra sy manaiky tanteraka ilay ”andro fampodiana ny zavatra rehetra”1 izay efa tanteraka sy ho tanteraka amin’ny alalan’ireo zava-mitranga amin’izao androntsika izao izay efa nolazain’ny mpaminany isika, dia efa eo am-piomana ho amin’ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany.2
Tsy misy fomba tsaratsara kokoa hiomanana hihaona Aminy noho ny fiezahana ny ho lasa tahaka Azy amin’ny alalan’ny fifanompoana am-pitiavana! Araka ny nampianarin’i Jesoa Kristy ireo mpanara-dia Azy tamin’ny fiandohan’ity fotoam-pitantanana ity hoe: “Raha tia Ahy ianao dia hanompo Ahy.”3 Ny fanompoantsika ny hafa dia fanehoana ny maha-mpianatra antsika sy ny fankasitrahantsika ary ny fitiavantsika an’ Andriamanitra sy i Jesoa Kristy Zananilahy.
Indraindray isika dia mieritreritra fa mila manao zavatra goavana sy mitaky herim-po vao “raisina” ho manompo ny hafa. Kanefa ny fanaovana asa fanompoana tsotra dia afaka ny hisy fiantraikany lalina amin’ny hafa, sy amintsika ihany koa. Inona no nataon’ny Mpamonjy? Tamin’ny alalan’ireo fanomezana lehibe indrindra dia ny Sorompanavotana sy ny Fitsanganana amin’ny maty, izay ankalazaintsika amin’izao maraina kanton’ny Paska izao, dia “tsy nisy olona hafa nanana akony teo amin’ireo rehetra efa niaina sy ireo mbola hiaina eto an-tany.”4 Kanefa Izy koa dia nitsiky, niresaka, niara-nandeha, nihaino, nanokana fotoana, namporisika, nampianatra, namoky sy namela heloka. Nitovy ny nanompoany ny fianakaviana sy ny namana, ny mpiray monina sy ny vahiny, ary nanasa ireo olom-pantatra sy ireo olon-tiany Izy mba higoka ireo fitahiana lehibe entin’ny filazantsarany. Ireo asa fanompoana sy fitiavana “tsotra” ireo dia manome ny maodely arahina ho an’ny fanompoana ataontsika ankehitriny.
Rehefa manana tombontsoa hisolo tena ny Mpamonjy ianao amin’ny fiezahana manompo, dia manontania tena hoe: “Ahoana no ahafahako mizara ny fahazavan’ny filazantsara amin’ity olona na ity fianakaviana ity? Taomin’ny Fanahy mba hanao inona aho?
Ny manompo dia azo tanterahina amin’ny fomba manokana maro isan-karazany. Koa manao ahoana ary izany?
Ny ohatra amin’ny hoe manompo dia ny fiadidian’ny kôlejin’ny loholona sy ny Fikambanana Ifanampiana izay mifampila hevitra am-bavaka momba ny andraikitra nomena. Tsy hoe hanolotra taratasikely fotsiny ny mpitarika amin’izany, fahifampila hevitra momba ny olona tsirairay sy ny fianakaviana mihitsy rehefa manome andraikitra an’ireo ranadahy sy rahavavy mpanompo. Mety ho fiara-mandeha an-tongotra, na mandeha mamonjy takariva hilalaovana, na manao asa fanompoana, na miara-manompo mihitsy aza izany. Mety ho famangiana any an-trano na fiantsoana an-tariby na firesahana amin’ny Internet na fandefasana SMS izany. Mety ho fanomezana karatra firariantsoa amin’ny tsingerin-taona nahaterahana na famporisihana ny mpilalao amin’ny baolina kitra izany. Mety ho fizarana soratra masina na teny voalaza tamin’ny lahatenin’ny fihaonambe izay mety hanan-danja ho an’io olona iray io izany. Mety ho fifanakalozan-kevitra momba ny fanontaniana ara-potopampianarana iray sy fizarana fijoroana ho vavolombelona mba hitondrana fanazavana sy fiadanam-po izany. Mety ho fidirana ho isan’ny fiainan’ny olona iray sy fikarakarana ny momba azy izany. Mety ho fanaovana dinidinika amin’ny fanompoana ihany koa izany mba hiresahana ny zavatra ilaina sy ny hery ananana, izay atao amin’ny fomba malina sy araka ny tokony ho izy. Mety ho ny filankevitry ny paroasy izay mifandamina mba hanomezana ny zavatra ilaina misimisy kokoa izany.
Io karazana fanompoana io dia nanome hery ny rahavavy iray izay nifindra monina lavitra ny tany fiaviany rehefa nanomboka nahavita ny fianarany ny vadiny. Tsy nisy telefaonina nandeha kanefa nanana zazakely mila karakaraina izy, hany ka tsy nahita izay naleha tao amin’ilay toerana vaovao, tena very sy nanirery izy. Tsy nampandre mialoha ity rahavavy iray tao amin’ny Fikambanana Ifanampiana fa tonga teo am-baravarana nitondra kiraro kely ho an’ilay zazakely, nampiditra azy roa tao amin’ny fiarakodiany ary nitondra azy ireo ho any amin’ny trano fivarotana enta-madinika. Nitantara ilay rahavavy feno fankasitrahana hoe: “Izy no nampisy fizorany ny fiainako!”
Ny tena fanompoana marina dia hita taratra tamin’ny rahavavy zokinjokiny iray any Afrique, izay nasaina nitady rahavavy iray tsy tonga niangona nandritra ny fotoana ela. Rehefa nankany an-tranon’ilay rahavavy izy, dia hitany fa nokapohina sy norobaina ilay rahavavy, zara raha nanan-kohanina izy ary tsy nanana akanjo neritreretiny hoe mety hanaovana amin’ny fivoriana alahadin’ny Fiangonana. Ilay vehivavy notendrena hanompo any aminy dia nitondra sofina vonon-kihaino sy vokatra avy tao an-jaridainy sy soratra masina ho vakiana ary finamanana. Tsy ela ilay rahavavy “tsy tonga” dia niverina niangona ary ankehitriny izy dia manana antso satria fantany fa tiavina sy omen-danja izy.
Ny fanakambanana ny ezaky ny Fikambanana Ifanampiana toy izany amin’ny kôlejin’ny loholona izay miova rafitra ankehitriny dia hitondra firaisan-kina izay afaka ny hiteraka vokany mahatalanjona. Ny fanompoana dia lasa ezaka mifandray iray hanatanterahana ilay andraikitry ny fisoronana mba “[h]amangy ny tranon’ny mpikambana tsirairay” sy “[h]itandrina mandrakariva ireo mpikambana ao amin’ny fiangonana, ary ny miaraka amin’izy ireo sy ny manatanjaka azy”5 ary koa mba hanatanteraka ny tanjon’ny Fikambanana Ifanampiana ny hifanampy mba hiomana amin’ireo fitahian’ny fiainana mandrakizay.6 Ny fiadidian’ny kôlejin’ny loholona sy ny Fikambanana Ifanampiana, izay miara-miasa eo ambany fitarihan’ny eveka dia afaka ny hoentanin’ny Fanahy eo am-pikatsahana ny fomba tsara indrindra hiambenana sy hikarakarana ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana tsirairay avy.
Mamelà ahy hanome ohatra iray. Nararin’ny homamiadana ny renim-pianakaviana iray. Nanomboka nitsabo tena izy, ary avy hatrany ireo rahavavy tao amin’ny Fikambanana Ifanampiana dia nanao asa, nandamina ny fomba tsara indrindra hanampiana amin’ny sakafo, fitaterana amin’ny fotoana hanaovana fizahana ara-pahasalamana, ary fanampiana hafa. Namangy azy matetika izy ireo, ary nankahery tamin’ny fiarahany taminy. Tamin’izay fotoana izay koa ny kôlejin’ny Fisoronana Melkizedeka dia nirotsaka nanao asa. Nanome sandry izy ireo hanavaozana ny efitrano fandriana sy ny efitrano fidiovana mba hanamora kokoa ny fikarakarana ilay rahavavy marary. Nanolo-tànana sy fola-damosina ireo zatovolahy mba handraisana anjara amin’izany ezaka lehibe izany. Ary ireo zatovovavy dia nandray anjara: nifandamina am-pifaliana izy ireo mba hitondra ny alika mandehandeha isan’andro. Rehefa nandeha ny fotoana, dia nanohy ny fanompoana ny paroasy, nanampy sy nanamboatra rehefa ilaina izany. Nazava fa asa feno fitiavana izany, ny mpikambana tsirairay dia nanome avy amin’ny tenany, naneho tao anatin’ny firaisan-kina ny fikarakarana tamin’ny fomban’ny tsirairay izay sady nitahy ilay rahavavy nijaly no nitahy ny olona tsirairay tao amin’ny fianakaviany.
Taorian’ny ezaka feno herim-po, dia resin’ny homamiadana ilay rahavavy tamin’ny farany ary nodimandry. Moa ve ilay paroasy nisento fa afaka adidy ka nieritreritra fa vita tsara ny asa sady tapitra? Tsia, nanohy nitondra ny alika nandehandeha ireo zatovovavy, nanohy nanompo an’ilay raim-pianakaviana sy ny fianakaviany ireo kôlejin’ny fisoroanana, ary ireo rahavavy tao amin’ny Fikambanana Ifanampiana dia nanohy nanolo-tanana am-pitiavana mba hampatanjahana sy hanomezana izay zavatra ilaina. Rahalahy sy ranabavy, izany no fanompoana, izany ny mitia tahaka ny nitiavan’ ny Tompo.
Ny fitahiana iray hafa entin’ireo filazana nentanim-panahy ireo dia ny fahafahana ho an’ireo zatovovavy 14 hatramin’ny 18 taona handray anjara amin’ny fanompoana amin’ny fiarahany miasa amin’ireo rahavavy ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana, tahaka ireo zatovolahy mitovy taona aminy izay miara-manompo amin’ireo rahalahy mihazona ny Fisoronana Melkizedeka. Mizara ny fanomezam-pahasoavany manokana sy mitombo ara-panahy ny zatovo rehefa manompo miaraka amin’ny olon-dehibe ao amin’ny asan’ny famonjena. Ny fampandraisana anjara ireo zatovo amin’ny andraikitra fanompoana dia afaka hampivelatra ihany koa ny fikarakarana ny hafa ataon’ny Fikambanana Ifanampiana sy ny kôlejin’ny loholona amin’ny fampitomboana ny isan’ny mpikambana mandray anjara amin’izany.
Rehefa mieritreritra ireo zatovovavy mamirapiratra fantatro aho, dia faly tokoa ho an’ireo rahavavy ao amin’ny Fikambana Ifanampiana izay hanana tombontsoa hahazo ny fitahiana entin’ny fahavitrihana sy ny talenta ary ny fahakingana ara-panahy ananan’ny zatovovavy iray rehefa miara-manompo izy ireo na rehefa tompoiny izy ireo. Ary faly torak’izany koa aho amin’ny fahafahana ananan’ireo zatovovavy mba hofanina sy hampianarina ary hampatanjahan’ireo rahavavy ao amin’ny Fikambana Ifanampiana. Ity fahafahana mandray anjara amin’ny fananganana ny fanjakan’Andriamanitra ity dia tombontsoa goavana ho an’ireo zatovovavy, izay manampy azy hiomana bebe kokoa amin’ny fanatanterahana ireo andraikiny amin’ny maha-mpitarika ao amin’ny Fiangonana sy eo amin’ny fiarahamonina ary amin’ny maha-mpiara-miasa mitondra anjara biriky ao amin’ny fianakaviany. Araka ny nozarain’ny Rahavavy Bonnie L. Oscarson omaly hoe ireo zatovovavy dia “maniry ny hanompo. Mila mahafantatra izy ireo fa manan-danja ary ilaina ao amin’ny asa famonjena.”7
Raha ny marina dia efa manompo ny hafa ireo zatovovavy, fa tsy misy fanendrena na sehoseho ivelany. Misy fianakaviana iray fantatro nifindra monina ho any amin’ny toerana any amin’ny kilometatra an’arivony izay tsy nisy olona fantany. Tanatin’ny herinandro voalohany, dia nisy zatovovavy 14 taona ao amin’ny paroasin’izy ireo tonga tao an-tranony niaraka amin’ny “biscuits” eran’ny lovia, niarahaba azy ireo tonga soa teo amin’ilay faritra. Nijoro tao aoriany am-pitsikiana ny reniny izay nanaiky ny hanatitra azy ho fanohanana ny fanirian’ny zananivavy hanompo.
Nisy renim-pianakaviana iray hafa indray sahiran-tsaina indray andro fa tsy nody tao an-trano tamin’ny ora mahazatra ny zananivavy 16 taona. Rehefa tonga ilay tovovavy nony farany, dia nametrahan’ny reniny fanontaniana maneho fahasorenana momba izay nalehany. Namaly somary menamenatra ilay zatovovavy 16 taona hoe nioty voninkazo izy ho an’ilay vehivavy mananotena izay nipetraka tsy lavitra azy ireo. Tsikariny fa toa manirery ilay rahavavy zokinjokiny ary nahatsapa fitaomam-panahy izy ny hamangy azy. Nanohy namangy ilay ramatoa antitra ilay zatovovavy ary nankatoavin’ny reniny izany. Lasa mpinamana izy ireo, ary ny fifandraisana mamy nisy teo aminy dia nitohy nandritra ny taona maro.
Ny tsirairay tamin’ireo zatovovavy ireo sy ny maro hafa toa azy ireo koa dia mahatsikaritra ny filàn’ny olona iray dia manao asa izy ireo hanomezana fanampiana. Ireo zatovovavy dia manana faniriana mandeha ho azy ny hikarakara sy hizara izay azo tarihina tsara amin’ny alalan’ny fanompoana miaraka amin’ny rahavavy efa lehibe iray.
Na firy na firy ny taonantsika, rehefa mandinika ny fomba hanompoana am-pahombiazana isika dia manontany hoe: “Inona no ilainy?” Rehefa ampiarahina amin’ny faniriana hanompo tena avy amin’ny fo io fanontaniana io, dia tarihin’ny Fanahy Masina isika hanao izay hankahery sy hampatanjaka ilay olona. Efa nandre tantara tsy tambo isaina aho momba ny ranadahy sy rahavavy izay voatahy noho ny fihetsika tsotra mandray sy miarahaba tonga soa ao am-piangonana, na mailaka na SMS mitondra fisaintsainana lalina, na fifandraisana mivantana tanaty fotoan-tsarotra, na fanasana handray anjara amin’ny hetsika ataon’ny vondrona iray, na fanoloran-tanana hanampy amin’ny toe-javatra iray manahirana. Mety mila fijerena manokana na mila atao lohalaharana amin’ny fanampiana ataon’ireo ranadahy sy rahavavy ireo ray aman-dreny tokan-tena, ireo vao niofa fo, ireo mpikambana malaindaina, ireo mpitondra tena na ireo tanora manana olana. Ny fandrindrana ny asa eo amin’ny fiadidian’ny kôlejin’ny loholona sy ny Fikambanana Ifanampiana dia mahatonga ny fizarana andraikitra ho araka ny tokony ho izy.
Amin’ny farany, tontosa tsirairay ny tena fanompoana marina rehefa ny fitiavana no nanosika hanao izany. Ny tombony sy ny voka-tsoa ary ny fahagagana entin’ny fanompoana tena avy amin’ny fo dia ny hoe manova fiainana tokoa izany! Rehefa misokatra ny fontsika sady vonona hitia sy handray sy hamporisika ary hampahery, dia tsy ho hay toherina ny herin’ny fanompoana ataontsika. Rehefa ny fitiavana no manosika antsika dia hitranga ny fahagagana, ary hahita fomba isika hitondrana ireo rahavavy sy anadahintsika “tsy tonga” ho ao amin’ny fandraisana tsy an-kanavaka amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.
Ny Mpamonjy no ohatra arahintsika amin’ny zavatra rehetra, tsy vitan’ny amin’ny hoe inona ny zavatra tokony hataontsika fa koa amin’ny hoe nahoana isika no tokony hanao izany.8 “Ny fiainany tetỳ an-tany dia fanasana ho antsika, mba hampiakatra avoavo kokoa ny fijerintsika sy hanadino ireo olantsika manokana ka hanolo-tanana ho an’ny hafa.”9 Rehefa raisintsika ilay fahafahana hanompo eram-po an’ireo rahavavy sy anadahintsika, dia hotahiana isika ho lasa mitombo kokoa ara-panahy, ho lasa mifanaraka kokoa amin’ny sitrapon’ Andriamanitra, ary ho afaka ny hahatakatra bebe kokoa ilay drafiny hanampiana ny tsirairay hiverina any Aminy indray. Ho fantatsika mora kokoa ireo fitahiana omeny ary haniry mafy ny hampita izany fitahiana izany amin’ny hafa isika. Hiara-hihira bambaray ny fontsika hanao hoe:
Ampio aho ho tia ny hafa
toy izay nitiavanao,
Handray hery ao aminao aho
fa te ho mpanomponao.
Vonona aho hiahy ny hafa
Tompo ô, hanaraka Anao aho.10
Enga anie isika haneho ny fankasitrahantsika sy ny fitiavantsika an’ Andriamanitra amin’ny fanompoana am-pitiavana an’ireo rahavavy sy anadahintsika mandrakizay.11 Ny vokatra ho azo dia ny firaisan-kina tahaka ny fahatsapan’ny vahoaka tany Amerika tranainy nandritra ny 100 taona taorian’ny nisehoan’ny Mpamonjy tany amin’ny tanin’izy ireo.
“Ary ny zava-nitranga dia tsy nisy fifandirana … noho ny fitiavan’ Andriamanitra, izay nitoetra tao am-pon’ ny vahoaka.
“… Ary tsy nisy fialonana, na adiady, … ary marina tokoa fa tsy ho nety nisy vahoaka sambatra kokoa toa azy teo anivon’ ny vahoaka rehetra izay noharian’ny tànan’ Andriamanitra.”12
Mijoro ho vavolombelona am-pifaliana aho fa ireo fanovana voaray tamin’ny fanambarana ireo dia fanentanam-panahy avy amin’ Andriamanitra ary raha mandray azy ireo amin’ny fo feno finiavana isika dia ho lasa vonona kokoa hihaona amin’i Jesoa Kristy Zananilahy amin’ny Fiaviany Fanindroany. Ho kely kokoa isika sisa dia ho lasa vahoakan’i Ziona ary hahatsapa fifaliana lehibe isika miaraka amin’ireo izay nampiantsika manerana ny lalana hizorantsika amin’ny maha-mpianatry ny Tompo antsika. Ny mba hanaovantsika izany no vavaka ataoko amin-kafanam-po sy amim-panetrentena, amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.