2018
Loholona Jack N. Gerard
May 2018


Loholona Jack N. Gerard

Fitopololahy Manampahefana Ambony

Sary
Loholona Jack N. Gerard

Fony zatovolahy ny Loholona Jack N. Gerard dia nifoha teo amin’ny 5 maraina isan’andro mba hanampy amin’ny fikarakarana ireo ombivavy be ronona an’ny fianakaviana. Ny naha-lehibe azy tany amin’ny tanàna kely mifototra amin’ny fambolena sy fiompiana tany akaikin’i Mud Lake, Idaho, Etazonia, dia tsy hoe nampianatra azy mba hiasa mafy sy handray andraikitra fotsiny fa mba hahafantatra ny lanjan’ny olona tsirairay amin’ny maha-zanak’ Andriamanitra azy koa.

“Ny olona rehetra dia manana anjara asa ary ny olona rehetra dia tonga eto noho ny antony mazava, na inona na inona sarangam-piainany,” hoy ny Loholona Gerard, izay notohanana ho Manampahefana Ambony tamin’ny 31 martsa 2018. Fanomezana ho azy nandritra ny fiainany izany lesona izany.

Ny asany izay nihazonany toeram-pitarihana tena miavaka tao anatin’ireo rafitra maro, toy ny National Mining Association, ny America Chemistry Council, ary ny American Petroleum Institute vao haingana, dia nanome azy fahafahana hifanerasera tamin’ny olona avy amin’ny sarangam-piainana samihafa.

Ny Loholona Gerard dia naterak’i James sy i Cecil Gasser Gerard tamin’ny 1957. Rehefa avy nanompo tany amin’ny Misiônan’i Sydney Australie ny Loholona Gerard dia nianatra tany amin’ny Oniversite Idaho, ka tao no nahazoany toerana hiofanana ary avy eo ho voaray ho anisan’ny mpiasa maharitra ho an’ny mpikambana iray tao amin’ny kongresy.

Rehefa niasa tany Washington, D.C. izy dia nahita an’i Claudette Neff, izay mpiasa mpanampy ny senatera iray tao Utah. “Namirapiratry ny hazavan’ny filazantsara izy,” hoy ny Loholona Gerard raha niresaka mikasika ny fihaonan’izy ireo izy. Nivady tao amin’ny tempolin’i Salt Lake izy roa tamin’ny 4 aprily 1984. Manan-janaka valo izy ireo ary zafikely efatra.

Ny Loholona Gerard dia sady nahazo mari-pahaizana licence en science politique no nahazo doctorat avy tao amin’ny George Washington University.

Ny Loholona Gerard dia efa eveka, filohan’ny tsatòka, Fitopololahin’ny Vondrom-paritra, mpampianatra Fotopampianaran’ny filazantsara ary filohan’ny Sekoly Alahady.

Ny Loholona Gerard dia nilaza fa izy sy ny vadiny dia samy manana faniriana ny hanao ny sitrapon’ny Tompo. “Amin’ny maha-olombelona manana fahalemena anay dia manolo-tena ny hanao izay asain’ny Tompo ataonay izahay ary amim-panetrentena … no hanokananay ny fotoanay sy ny ezaka ataonay eo amin’ny fanaovana ny asan’ny Tompo ary tombontsoa ho anay izany.”

Hamoaka printy