2018
Loholona David P. Homer
May 2018


Loholona David P. Homer

Fitopololahy Manampahefana Ambony

Sary
Loholona David P. Homer

Ny iray amin’ireo zavatra voalohany indrindra tsaroan’ny Loholona David P. Homer mikasika ny filazantsara dia ny fanendrena azy fony izy 14 taona ho mpiara-manao fampianarana isan-tokantrano tamin’ny mpikambana iray tao amin’ny paroasy izay “nanana fomba fanao tsy mahazatra teo amin’ny fanatanterahana ny fampianarana isan-tokantrano,” hoy ny Loholona Homer. “Tsy resaka fandehanana any an-trano dia mamangy olona izany; fa resaka fanompoana mifanaraka amin’izay zavatra ilain’izy ireo.”

Amin’ny maha-mpiara-miasa azy ireo dia nivavaka sy niresaka mikasika ireo fianakaviana iandraiketany izy ireo. Tsy hoe toy ny olon-dehibe miresaka amin’ny zatovo iray fa amin’ny maha-mpinamana ao anatin’ny fanompoana ataon’ny fisoronana. “Nianatra aho fa ny Fanahy dia tonga amin’ny alalan’ny asa fanompoana ary misy ifandraisany amin’izany,” hoy ny Loholona Homer.

Izany lesona izany dia tsy niala tao aminy nandritra ny fiainany sy ireo asa fanompoana nifandimby nataony tao amin’ny Fiangonana, na tamin’izy Fitopololahin’ny Vondrom-paritra izany, na mpitarika tao amin’ny garderie, na tompon’andraikitra misahana ny tabilao fametrahana afisy, izay antso notanterahiny fony izy nipetraka tany Melbourne Australie.

I David Paul Homer dia naterak’i Frederick sy Phyllis LeNila Homer tamin’ny 25 aprily 1961 tany Salt Lake City, Utah, Etazonia. Taorian’ny nanaovany asa fitoriana tany Hong Kong nanomboka tamin’ny 1980 ka hatramin’ny 1982, dia nahita an’i Nancy Dransfield, izay manana mari-pahaizana avy tao amin’ny Brigham Young University, izy tany amin’ny takariva amorom-patan’ny institiota tany Salt Lake City, izay toerana niasan’i Nancy Dransfield sy nanarahany fianarana tao amin’ny University of Utah. Nivady tao amin’ny Tempolin’i Salt Lake izy ireo tamin’ny 31 jolay 1984. Nahalehibe zanakavavy dimy sy zanakalahy iray izy ireo.

Ny Loholona Homer dia nahazo mari-pahaizana licence en économie avy tao amin’ny University of Utah sy maîtrise en gestion d’entreprise avy tao amin’ny Wharton School tany amin’ny University of Pennsylvania.

Nandritra ny 30 taona naha-mpiandraikitra ambony azy tao amin’ny General Mills, dia nipetraka tany Miami, Floride, Etazonia; Minneapolis, Minnesota, Etazonia; Burlington, Ontario, Kanadà; ary Saint-Sulpice, Vaud, Suisse izy sy ny vadiny.

Ny Loholona Homer dia efa filohan’ny tsatòka, eveka, filohan’ny kôlejin’ny loholona ary mpitantsoratra mpanatanteraka tao amin’ny paroasy. Rehefa lasa Fitopololahy izy dia nanomboka ny asa fanompoany tany Kanadà ary nanohy izany tany Eorôpa, izay toerana nanompoany nandritra ny efa-taona lasa izay talohan’ny nanohanana azy ho Manampahefana Ambony tamin’ny 31 martsa 2018.

Hamoaka printy