2018
Loholona Steven R. Bangerter
May 2018


Loholona Steven R. Bangerter

Fitopololahy Manampahefana Ambony

Sary
Loholona Steven R. Bangerter

Nandritra ny fanaovana dia mba hilasy tao anatin’ny fahazazany, dia nitaingina bisikileta naloto hatreny amin’ny tampon’ny tendrombohitra ny Loholona Steven R. Bangerter sy ny fianakaviany. Rehefa nidina dia very izy ary tafasaraka tamin’ny hafa.

Raha nandohalika izy tamin’izany tolakandro izany, nangataka fanampiana tamin’ny Rainy any An-danitra, dia hitany tao an-tsainy ilay lalana tsy hitany. Raha iny izy hanomboka hidina iny, dia “tonga teny an-tampon’ilay lalana tamin’ny môtôsikiletany ny rahalahiko, ary namihina ahy sy nitarika ahy tao anatin’ny haizina mba hiverina any amin’ny toeram-pilasiana, izay lalana adiny iray.”

Izany zava-nitranga izany dia iray fotsiny amin’ireo zavatra maro izay nahatsapany ho tiana nandritra ny fahazazany. “Tsy nisy velively fotoana iray teo amin’ny fiainako izay nanontaniako tena raha toa aho ka misy mitia na misy mikarakara,” hoy ny Loholona Bangerter.

Ny Loholona Bangerter dia naterak’i Max E. sy i Thelma R. Bangerter tany Salt Lake City, Utah, Etazonia tamin’i 29 jolay 1961. Lehibe tao Granger, Utah izy.

Herinandro maromaro taorian’ny niverenany, rehefa avy nanompo tany amin’ny Misiônan’i Vancouver Kanadà, dia nahita an’i Susann Alexis Hughes ny Loholona Bangerter. Tamin’ny fotoana voalohany nampiarahan’izy ireo, dia tsapany tao anatin’i Susann Alexis Hughes ilay faniriany feno fanetrentena hanompo, izay nanosika azy hangataka azy ho vady tamin’ny fotoana faharoa nampiarahan’izy ireo. Nofehezina tao amin’ny tempolin’i Salt Lake izy ireo tamin’ny 17 martsa 1983. Manan-janaka enin-dahy izy ireo.

Nahazo mari-pahaizana licence en études religieuses avy tao amin’ny Arizona State University ny Loholona Bangerter ary mari-pahaizana doctorat avy tao amin’ny Western State University College of Law. Nandritra ny 25 taona lasa izay dia nisolo tena ireo fiangonana sy ireo fikambanana mifototra amin’ny finoana eo amin’ny fampiharana ny lalàna tany Californie Atsimo sy Utah atsimo izy. Mpiara-miombon’antoka tao amin’ny orinasa Cooksey, Toolen, Gage, Duffy, and Woog izy nanomboka tamin’ny 1993 ka hatramin’ny 2003 ary lasa mpiara-miombon’antoka misahana ny fitantanana tao amin’ny Bangerter, Frazier, and Graff tamin’ny 2004.

Ny Loholona Bangerter dia efa Fitopololahin’ny Vondrom-paritra, filohan’ny tsatòka, mpanolotsaina tao amin’ny fiadidian’ny tsatòka, eveka, filohan’ny kôlejin’ny loholona ary filohan’ny Zatovolahy teo anivon’ny paroasy.

Hamoaka printy