2018
Loholona Ulisses Soares
May 2018


Loholona Ulisses Soares

Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo

Sary
Loholona Ulisses Soares

Mariky ny fitiavan’ Andriamanitra ny zanany ireo mpaminany velona, tafiditra ao anatin’izany ny Filoha Russell M. Nelson, hoy ny Loholona Ulisses Soares raha nijoro ho vavolombelona tao anatin’ny lahateniny nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany izay voalohany amin’ny maha-mpikambana azy ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo.

“Moa ve tsy fitahiana ny fananana mpaminany sy mpahita ary mpanambara eto an-tany amin’izao andro iainantsika izao, izay mikatsaka ny hahafantatra ny sitrapon’ny Tompo ary hanaraka izany? Mampahery ny mahafantatra fa tsy irery isika eto amin’izao tontolo izao na dia eo aza ireo olana atrehantsika eo amin’ny fiainana.”

Na dia nahatsapa ho tsy ampy fahaizana aza aho teo anatrehan’ity antso masina ity, hoy ny Loholona Soares dia “nahatonga ahy hahatsapa ho fenon’ny fitiavan’ny Mpamonjy ny tenin’ny Filoha Nelson sy ny fijeriny feno hatsaram-panahy teny amin’ny masony, rehefa nanolotra ahy ity andraikitra ity izy.”

Rehefa notohanana ny Loholona Soares tamin’ny 31 martsa 2018, dia izy no lasa Apôstôlin’ny Fiangonana voalohany avy any Amerika Latina. Talohan’ny antsony, dia mpikambana tao amin’ny Fiadidian’ny Fitopololahy izy nanomboka tamin’ny 6 janoary 2013, ary nanompo tao anatina andraikitra manokana ho an’ny Episkôpà Mpiahy ao Salt Lake City.

Ny Loholona Soares dia nantsoina ho Fitopololahy Manampahefana Ambony tamin’ny 02 aprily 2005. Tao anatin’izany dia efa mpanolotsaina tany amin’ny Vondrom-paritra Afrika Atsimo Atsinanana sy tany amin’ireo Vondrom-paritra Brésil Atsimo izy ary efa Filohan’ny Vondrom-paritra Brésil.

Efa nanompo tao anatin’ny antso maro tao amin’ny Fiangonana ny Loholona Soares. Izy dia efa misiônera nanompo tamin’ny fotoana feno tany amin’ny Misiônan’i Rio de Janeiro Brésil, filohan’ny kôlejin’ny loholona, mpanolotsaina tao amin’ny episkôpà, mpanolotsaina avo, mpitantsoratra mpanatanteraka teo anivon’ny tsatòka, tompon’andraikitra misahana ny fifanampiana teo anivon’ny faritra, filohan’ny tsatòka, ary filohan’ny Misiônan’i Porto Portugal nanomboka tamin’ny 2000 ka hatramin’ny 2003.

Ny iray amin’ireo antsony tena manan-danja dia tonga teo aminy tamin’ny faha-15 taonany rehefa nangatahin’ny evekany mba hampianatra mandritra ny fotoana tsy maharitra ny kilasin’ny Sekoly Alahady ho an’ny zatovo izy. Raha teo am-panomanana lesona iray mikasika ny fomba hahazoana fijoroana ho vavolombelona ny tovolahy kely Ulisses dia nanapa-kevitra ny hivavaka mba hangataka fanamafisana mikasika ny fahamarinan’ny filazantsara izy.

“Rehefa nandohalika aho sy nangataka tamin’ny Tompo raha marina ny filazantsara,” hoy izy nitantara, “dia nisy fahatsapana tena malefaka tonga tao am-poko, feo kely iray izay nanamafy tamiko fa tokony hanohy ny lalana ao anatin’izany aho. Tena nahery vaika izany ka tsy ho afaka nilaza hoe tsy nahafantatra velively aho.”

Tamin’ny 1985 dia nahazo mari-pahaizana licence en comptabilité sy en économie avy tao amin’ny School of Economic Science tao São Paulo Pontifical Catholic University izy. Taorian’ny nahazoany mari-pahaizana maîtrise en gestion d’entreprise, dia niasa ka efa mpitana bokim-bola sy mpanamarim-bola tao amin’ny fikambanan’orinasa iraisan’ny firenena maro tao Brésil izy ary talen’ny raharaha ara-nofo tao amin’ny biraon’ny vondrom-paritr’i São Paulo izay an’ny Fiangonana.

Teraka tany São Paulo, Brésil ny Loholona Soares tamin’ny 2 ôktôbra 1958. Nanambady an’i Rosana Fernandes izy tamin’ny ôktôbra 1982. Tao anatin’ny lahateniny nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany dia nankasitraka ny vadiny ny Loholona Soares noho ny fitiavany sy ny fanohanany.

“Ohatra eo amin’ny hatsaran-toetra sy ny fitiavana ary ny fanolorantena tanteraka amin’ny Tompo sy amiko ary amin’ny fianakaviako izy,” tafiditra ao anatin’izany ny zanak’izy mivady anankitelo ary ireo zafikeliny anankitelo, hoy izy tao anatin’ny lahateny nataony tamin’ny fihaonambe. “Tiako amin’ny foko rehetra izy ary feno fankasitrahana aho noho ny fitarihana tsara entiny eo aminay.”

Hamoaka printy