2018
Fanamorana ny asa fitoriana
May 2018


Fanamorana ny asa fitoriana

Nandritra ny enim-bolana lasa izay dia nanao dingana maro ny Fiangonana mba hanamorana ny asa fitoriana.

Fanontaniana hapetraka. Ny Fiadidiana Voalohany dia nanolotra amboaram-panontaniana hapetraka ho an’ireo eveka sy filohan’ny tsatòka mba hampiasaina mandritra ny fanaovana dinidinika amin’ireo olona atolotra ho misiônera manompo amin’ny fotoana feno. Namporisika ireo mpitarika sy ray aman-dreny ary ny zatovo mba hahafantatra ireo fanontaniana ireo izy ireo.

Ireo fitsipika hita ao anatin’ireo fanontaniana dia tsy manova na manampy ireo zavatra takina ho an’ny misiônera manompo amin’ny fotoana feno, saingy ny famerenana mijery izany tsy tapaka dia hanome fahafahana an’ireo olona atolotra ho misiônera sy ireo ray aman-dreny mba hahafantatra ireo fitsipika sy hahita ireo lafin-javatra izay mety mitaky fivoarana na fiomanana fanampiny.

Fampiasana ny teknôlôjia. Ny isan’ireo misiôna mampiasa fitaovana elektrônika azo entina mandehandeha raha 87 dia nitombo 162 ary nosoloina smartphone ny tablette. Hanampy ireo misiônera amin’ny fandalinana sy fikarohana ary ny fianarana ireo telefaonina.

Ampiasaina koa ny teknôlôjia mba hanomezana fampahalalana en ligne an’ireo olona izay mitady valiny mikasika ireo fanontaniana momba ny finoana. Ny Fiangonana dia nanomboka nampiasa ivon-toeram-pampianarana atao en ligne tamin’ny enin-taona lasa ary ankehitriny dia misy ivon-toeram-pampianarana atao en ligne miisa 20 manerana an’izao tontolo izao.

Noho ny teknôlôjia, ireo mpikambana izay manolotra namana mba hampianarin’ireo misiônera dia afaka ankehitriny mifandray amin’ireo misiônera izy mampianatra ny namany. Afaka miresaka mikasika izay zavatra ilaina amin’ireo misiônera izy ireo ary mandray anjara amin’ireo lesona amin’ny alalan’ny internet. Jereo ao amin’ny lds.org/referrals ny fomba ahafahana manao izany.

Manolotra izay zavatra ilaina amin’izao fotoana izao. Ny Fiangonana dia hanova ireo sisin-tanin’ny misiôna miisa 19 ary hisy misiôna 5 vaovao haorina. Hihatra manomboka amin’ny Jolay 2018 izany. Izany dia hanova ny isan’ny misiôna, izay raha 427 dia ho lasa 407. Ireo misiôna vaovao dia ho Rio de Janeiro Avaratra Brésil, Yamoussoukro Cote d’Ivoire, Ibadan Nigéria, Cabanatuan Philippines, ary Bulawayo Zimbabwe. Ny antsipiriany mikasika ireo misiôna hitambatra dia ho ao anatin’ireo filazana ho avy izay halefan’ireo filohan’ny misiôna any amin’ireo ray aman-drenin’ireo misiônera any amin’ireo misiôna voakasik’izany.

Noho ny fiovan’ny taona ahafahana manao asa fanompoana eo amin’ny asa fitoriana izay nambara tamin’ny 2012, dia nanorina misiôna miisa 76 ny Fiangonana mba handraisana ilay fitomboana goavana, izay raha misiônera 58.000 dia lasa 88.000. Nihena nanomboka tamin’izay ny isan’ny andiana misiônera marobe tany am-boalohany, araka ny nanampoizana azy, ka ankehitriny dia misiônera miisa 68.000 no manompo. Midika izany fa misiôna vitsivitsy no ilaina raha ho an’ny amin’izao fotoana izao. Kanefa midika koa izany fa ny fametrahana araka ny tokony ho izy misiônera any amin’ny faritra mila izany manerana an’izao tontolo dia mitaky fikarakarana manokana.

Foibe fanofanana misiônera. Ny Foibe Fanofanana Misiônera any Utah, Etazonia, sy ny Foibe Fanofanana Misiônera any Philippines dia nitarina sy notokanana ary ilay foibe fanofanana misiônera vaovao any Ghana dia notokanana. Ireo foibe fanofanana any Espagne sy Chili dia hikatona amin’ny janoary 2019, ary ireo misiônera izay tokony ho nandeha tany amin’ny iray amin’ireo foibe ireo dia hofanina any amin’ny iray amin’ireo foibe fanofanana misiônera 13 ambiny manerana an’izao tontolo izao.

Hamoaka printy