Andro iray sisa
Isika rehetra dia manana “anio” hiainana; ary ny fanalahidin’ny fahombiazan’ny androntsika dia ny finiavana hanao fahafoizan-tena.
Taona vitsy lasa izay no nahazoan’ireo namako mpivady zazalahy kely iray mahafinaritra nantsoina hoe Brigham. Taorian’ny nahaterahan’i Brigham no nahitana fa voan’ny aretina tsy dia fahita antsoina hoe maladie de Hunter izy, izay indrisy fa nidika hoe ho fohy ny andro hahavelomany. Indray andro raha nitsidika ny zaridain’ny tempoly i Brigham sy ny fianakaviany, dia nanonona andian-teny iray manokana i Brigham. Indroa no nilazany hoe: “Andro iray sisa.” Ny ampitson’io andro ihany dia nodimandry i Brigham.
Nisy fotoana vitsivitsy namangiako ny fasan’i Brigham, ary isaky ny manao izany aho dia mandinika foana ilay andian-teny hoe “andro iray sisa.” Manontany tena aho hoe ho toy ny ahoana ny lanjan’izany, inona no ho fiantraikan’izany eo amin’ny fiainako raha toa ka fantatro fa andro iray ihany sisa no hiainako. Hanao ahoana no ho fitondrako ny vadiko sy ireo zanako ary ny hafa? Hanao ahoana no faharetana sy fahalalam-pomba ananako? Hanao ahoana no ho fitandremako ny vatako? Hanao ahoana ny ho fahazotoako mivavaka sy mandalina ny soratra masina? Ataoko angamba fa na amin’ny fomba ahoana na amin’ny fomba ahoana dia hisy fotoana hananantsika fahatsapana toy ny hoe “andro iray sisa.” Fahatsapana fa tsy maintsy mampiasa ny fotoantsika amim-pahendrena isika.
Ao amin’ny Testamenta Taloha isika dia mamaky ny tantaran’i Hezekia, mpanjakan’i Joda. Nambaran’i Isaia mpaminany tamin’i Hezekia fa akaiky hifarana ny andron’i Hezekia. Rehefa nahare ny tenin’ny mpaminany i Hezekia dia nanomboka nivavaka sy nitalaho ary nitomany tamim-piontanampo mafy. Tamin’izay dia nampian’ Andriamanitra 15 taona ny androm-piainan’i Hezekia (Jereo ny Isaia 38:1–5).
Raha toa ka lazaina amintsika fa kely sisa ny fotoana hiainantsika dia mety hitalaho ihany koa isika ny hanomezana andro iainana fanampiny antsika hanaovana ireo zavatra izay tokony ho nataontsika na tokony ho novaintsika.
Na dia eo aza ny fotoana izay notapahan’ny Tompo, ao amin’ny fahendreny, fa homena antsika tsirairay, dia misy zavatra iray izay azontsika antoka: isika rehetra dia manana “anio” hiainana; ary ny fanalahidy ahafahana mampahomby ny androntsika dia ny finiavana hanao fahafoizan-tena.
Hoy ny Tompo, “Indro, izao fotoana izao no atao hoe anio mandra-piavin’ny Zanak’olona, ary marina tokoa fa andron’ny fahafoizan-tena izany” (F&F 64:23; nampiana fanamafisana).
Ny teny hoe fahafoizan-tena dia avy amin’ny teny latina hoe sacer, izay midika hoe “masina,” sy hoe facere, izay midika hoe “manao.” Raha lazaina amin’ny teny hafa dia hoe manao izay hahamasina zavatra, manome voninahitra izany.
“Ny fahasoavana hirotsaka tokoa vokatry ny fahafoizan-tena” (“Dera ho an’ilay nandre an’i Jehovah,” Fihirana sy Hiran’ny Ankizy, pejy 100).
Amin’ny fomba ahoana avy no ahafahan’ny fahafoizan-tena manova ireo androntsika ho lasa manan-danja sy ho voatahy?
Voalohany, ny fahafoizan-tena manokana dia mampatanjaka antsika ary manome lanja ireo zavatra izay hahafoizantsika tena.
Taona vitsy lasa izay nandritra ny alahady fifadian-kanina dia nisy rahavavy zokiolona iray nankeny amin’ny polipitra hizara ny fijoroany ho vavolombelona. Izy dia nipetraka tany amin’ny tanàna iray antsoina hoe Iquitos, izay any amin’ny Amazonie Péruvienne. Notantarainy taminay fa efa hatramin’ny nanaovana batisa azy no nananany hatrany tanjona handray ireo ôrdônansin’ny tempoly any Lima, Pérou. Nandoa fahafolon-karena feno tamim-pahatokiana izy ary nangoniny an-taonany maro ny fidiram-bola keliny.
Nasehony tao anatin’ireto teny ireto ny hafaliany noho ny fandehanany tany amin’ny tempoly sy ny nandraisany ireo ôrdônansy masina tao: “Afaka milaza aho ankehitriny fa izao aho vao mahatsapa tena ho vonona hiampita ny voaly. Izaho no vehivavy sambatra indrindra eto an-tany; nanangom-bola aho, tsy azonareo an-tsaina hoe nandritra ny hafiriana, mba hankanesana any amin’ny tempoly, ary rehefa afaka fito andro teny ambony renirano sy adiny 18 teny ambony fiara fitateram-bahoaka, dia tonga tao an-tranon’ny Tompo ihany aho nony farany. Rehefa nandao io toerana masina io aho dia niteny anakam-po hoe taorian’ny fahafoizan-tena rehetra izay notakina tamiko mba handehanana any amin’ny tempoly dia tsy avelako hisy na inona na inona hanao izay hanamaivanako ny fanekempihavana rehetra nataoko. Ho lasa very maina fotsiny izany. Fanoloran-tena tena matotra ity!”
Nianarako tamin’io ranabavy mahafinaritra io fa ny fahafoizan-tena ataon’ny tena manokana dia hery sarobidy izay mitarika ny fanapahan-kevitra sy ny fahavononantsika. Ny fahafoizan-tenantsika manokana dia mitarika ireo asa ataontsika sy ny fanolorantenantsika ary ny fanekempihavanana ataontsika ka manome lanja ireo zava-masina.
Faharoa, ireo fahafoizan-tena ataontsika ho an’ny hafa sy ireo izay ataon’ny hafa ho antsika dia mitondra fitahiana ho an’ny rehetra.
Fony aho mpianatra tany amin’ny sekoly fitsaboana nify, dia somary nahakivy ny toe-bola teo amin’ny toe-karena teo amin’ny toerana nisy anay. Nampitotongana isan’andro isan’andro izay tsy izy tokoa ny lanjan’ny vola ny fiakaran’ny vidim-piainana.
Tadidiko ny taona izay tokony hisoratako anarana hanaraka fampianarana mikasika ny fomba fandidiana ny ati-vava. Nila nanana ireo fitaovana fandidiana rehetra ilaina aho mialoha ny hisoratako anarana tamin’io enimbolana io. Voangon’ireo ray aman-dreniko ny vola nilaina. Kinanjo indray alina dia nisy zavatra goavana nitranga. Nandeha hividy ireo fitaovana izahay, saingy nahita fa ny vola izay voangonay hividianana ireo fitaovana rehetra dia tsy ampy nividianana afa-tsy tandra iray monja fampiasa amin’ny fandidiana, dia izay ihany. Nody tanam-polo izahay tamin’ny fo mavesatra noho ny fieritreretana ny fahaverezan’ny enim-bolana iray teo amin’ny fianarako tao amin’ny ambaratonga ambony. Tampoka teo anefa dia hoy ny reniko tamiko: “Taylor a! andao hiaraka amiko.”
Nandeha tany afovoan-tanana izahay, izay feno toerana mividy sy mivarotra firavaka. Rehefa tonga tany amin’ny toeram-pivarotana iray izahay dia navoakan-dreniko avy tao amin’ny pôketrany ny kitapo kely manga volomparasy iray nisy bracelet volamena tsara tarehy misy soratra hoe: “Ho an’ny zanako vavy tiako, avy amin’ny rainao.” Bracelet izay nomen’ny raibeko azy tamin’ny iray tamin’ireo tsingerin-taona nahaterahany izy io. Ary teo imasoko no namarotany izany.
Rehefa azony ny vola dia hoy izy tamiko: “Raha misy zavatra iray tena azoko antoka, dia hoe ho lasa mpitsabo nify ianao. Mandehana dia vidio ny fitaovana rehetra ilainao.” Azonareo sary an-tsaina ve hoe karazana mpianatra toy ny ahoana aho nanomboka tamin’io fotoana io? Te ho ilay mahay indrindra aho ary hamita ny fianarako aloha satria fantatro ny halafon’ny saran’ny fahafoizan-tena nataony.
Nianatra aho fa ireo fahafoizan-tena ataon’ireo olon-tiantsika ho antsika dia mamelombelona ny aintsika tahaka ny rano mangatsiaka any ankebakeban-tany foana. Ny fahafoizan-tena toy izany dia mitondra fanantenana sy risi-po.
Fahatelo, na inona na inona fahafoizan-tena ataontsika dia kely izany raha oharina amin’ny fahafoizan-tena nataon’Ilay Zanak’Andriamanitra.
Inona moa ny lanjan’izay bracelet volamena na dia tena nankamamiana aza raha oharina amin’ny fahafoizan-tena nataon’Ilay Zanak’Andriamanitra mihitsy? Ahoana no ahafahantsika manome voninahitra izany sorona tsy misy fetra izany? Isan’andro isika dia afaka mahatsiaro fa manana andro iray sisa hiainana sy ho mahatoky. Nampianatra i Amioleka hoe: “Eny, mba tiako ny handrosoanareo sy ny tsy hanamafisanareo ny fonareo intsony; fa indro, izao no fotoana sy andron’ny famonjena anareo; ary noho izany, raha mibebaka ianareo ary tsy manamafy ny fonareo, dia eo no ho eo no hahatanteraka aminareo ny drafitra lehiben’ny famonjena” (Almà 34:31). Izany hoe, raha toa isika ka manolotra fo torotoro sy fanahy manenina ho sorona ho an’ny Tompo dia hiseho avy hatrany eo amin’ny fiainantsika ireo fitahian’ny drafitra lehiben’ny fahasambarana.
Tanteraka ny drafitry ny fanavotana noho ny fahafoizan-tena nataon’i Jesoa Kristy. Araka ny famaritana nataony Izy Tenany, ilay sorona dia “nahatonga ny Tenako, ilay Andriamanitra, Ilay lehibe indrindra noho ny rehetra, hangovitra noho ny fangirifiriana sy hivoa-dra amin’ny mason-koditra rehetra, ary hijaly na vatana na fanahy—ary niriko ny mba tsy hisotroako ilay kapoaka mangidy sy hitakemotra” (F&F 19:18).
Ary noho io sorona io, aorian’ny fanarahana ireo dingan’ny fibebahana amin-kitsim-po, no hahafahantsika mahatsapa ny fanamaivanana ny vesatry ny fahadisoantsika sy ny otantsika. Raha ny marina, ny fahatsapana ho meloka, ny henatra, ny fahoriana, ny alahelo, ary ny fanambaniantsika ny tenantsika dia hosoloina eritreritra milamina, sy fahasambarana, sy hafaliana ary fanantenana.
Mifanindran-dalana amin’izany, rehefa manome voninahitra sy mankasitraka ny fahafoizan-tenany isika dia afaka mandray amin’ny fatra tena betsaka ilay faniriana mivaivay ny mba ho zanak’ Andriamanitra tsaratsara kokoa, ny mba hanalavitra ny fahotana, ary ny mba hitandrina ireo fanekempihavanana mihoatra ny teo aloha hatrizay.
Ary avy eo, tahaka an’i Enôsa taorian’ny nandraisany ny famelana ny fahotany, dia isika mihitsy no hanana faniriana hahafoy ny tenantsika sy hikatsaka ny fiadananan’ireo rahalahy sy anabavintsika (jereo ny Enôsa 1:9). Ary hanam-piniavana kokoa isika isaky ny “andro iray sisa” hanaraka ilay fanasana nataon’ny Filoha Howard W. Hunter tamintsika raha nilaza izy hoe: “Halamino ny fifandirana. Mikaroha namana iray adino. Esory ny fiahiahiana ka soloy fifampitokisana. … Mamalia amin’ny feo malefaka. Amporisiho ireo zatovo. Asehoy amin’ny teny sy ny asa ny tsy fivadihanao. Hazony ny fampanantenana nataonao. Aza mitazona lolom-po. Mamelà ny fahavalonao. Mialà tsiny. Miezaha ny hahatakatra. Lanjalanjao ny zavatra takinao amin’ny hafa. Eritrereto aloha ny hafa. Aoka ianao ho tsara fanahy. Aoka ianao ho malemy fanahy. Mihomeheza bebe kokoa. Manehoa fankasitrahana. Raiso tsara ny vahiny. Ampifalio ny fon-jaza iray. … Ambarao ny fitiavanao ary ambarao hatrany” (Enseignements des Présidents de l’Eglise: Howard W. Hunter [2015], 34; nalaina avy tamin’ny “What We Think Christmas Is,” McCall’s, Des. 1959, 82–83).
Enga anie isika rehetra hameno ny androntsika amin’ny asa tahaka izany sy amin’ny hery izay omen’ny fahafoizan-tena ataon’ny tena manokana sy ny fahafoizan-tena ataontsika na raisintsika avy amin’ny hafa. Ary enga anie isika hianoka amin’ny fomba miavaka, ny fiadanana sy fifaliana atolotry ny fahafoizan-tenan’Ilay Lahitokana; eny ilay fiadanana voatonona rehefa mamaky isika hoe lavo i Adama mba hisian’ny olona, ary misy ny olona--misy ianao--mba hahazoanao fifaliana (jereo ny 2 Nefia 2: 25). Izany fifaliana izany dia ny fifaliana izay ny fahafoizan-tenan’i Jesoa Kristy Mpamonjy sy ny Soromponavotany ihany no afaka manome azy.
Mivavaka aho mba hanaraka Azy isika, mba hino Azy, mba hitia Azy, ary mba hahatsapantsika ilay fitiavana izay asehon’ny fahafoizan-tenany isaky ny manana fahafahana hiaina andro iray fanampiny indray isika. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.