2018
Michelle D. Craig
May 2018


Michelle D. Craig

Mpanolotsaina Voalohany, Fiadidian’ny Zatovovavy Maneran-tany

Sary
Michelle D. Craig

Fony izy 16 taona dia nahafantatra Rahavavy Michelle D. Craig fa hiala any Provo, Utah, Etazonia ny fianakaviany ka hifindra any Harrisburg, Pennsylvanie, Etazonia, mba hahafahan’ny rainy manao ny asa nampandraiketina iray, dia ny ho filohan’ny misiôna.

Tena faly izy tafaraka tamin’ny fianakaviany, saingy ilay fifindra-monina dia nahatonga an’i Michelle tovovavy ho “tsy nana-namana” nandritra ny taona fahatelo sy ny fahefatra farany nianarany tany amin’ny lisea.

“Taona tena nisy fiantraikany teo amiko ireo,” hoy ny Rahavavy Craig. “Niantehitra tamin’ny fianakaviako sy tamin’ny fijoroana ho vavolombelona nananako aho fa tsy niantehitra tamin’ny namana, ary lasa mpanohana ahy ny fiangonana.” Tena sarobidy ho azy ny fifandraisany amin’ny Ray any an-danitra sy ny Mpamonjy.

I Michelle Daines Craig dia teraka tamin’ny 13 jolay 1963, tany Provo, Utah, ary izy no zokiny indrindra amin’ny zanaka naterak’i Janet Lundgren sy Robert Henry Daines III. Nipetraka tany Provo izy mandra-pifindran’ny fianakaviany tany Pennsylvanie. Roa taona taty aoriana dia niverina nianatra tany Provo ny Rahavavy Craig mba hianatra ao Brigham Young University, izay nahazoany mari-pahaizana licence en enseignement primaire. Tamin’ny 1984 dia nanaiky ilay antso mba hanompo any amin’ny Misiônan’i Santo Domingo République Dominicaine izy.

“Olona mpino foana aho hatramin’izay,” hoy ny Rahavavy Craig, izay notohanana ho mpanolotsaina voalohany ao amin’ny Fiadidian’ny Zatovovavy Maneran-tany tamin’ny 31 martsa 2018. “Mbola kely aho dia efa nahafantatra fa zanakavavin’ Andriamanitra. Saingy tadidiko [nandritra ny fotoana nanaovako asa fitoriana] fa isaky ny nijoro ho vavolombelona momba ny Mpaminany Joseph Smith aho dia nahatsapa ny Fanahy. Nahazo fanamafisana tena tsara aho izay nanamafy orina ny fijoroana ho vavolombelona nananako.”

Andro vitsy taorian’ny fiverenany dia nilaza tamin’ny Rahavavy Craig ny anadahiny fa tokony hampiaraka amin’i Boyd Craig izy, izay namany iray tany am-panaovany asa fitoriana. Lasa mpifamofo izy roa valo volana taty aoriana. Nivady tamin’ny 4 desambra 1986 tao amin’ny tempolin’i Salt Lake izy ireo. Manan-janaka telo izy ireo ary zafikely enina.

Nanompo tao anatin’ny antso maro izy ka tafiditra ao anatin’izany ny naha-mpanatanteraka ôrdônansy azy tany amin’ny tempoly tao amin’ny Tempolin’i Provo Utah ary ny naha-mpampianatra Fotopampianaran’ny Filazantsara azy. Tamin’ny fotoana niantsoana azy ho ao amin’ny Fiadidian’ny Zatovovavy Maneran-tany dia nanompo tao amin’ny filankevi-pitantanan’ny Kilonga maneran-tany izy.

Hamoaka printy