2022
Fanohanana ireo Manampahefana Ambony sy ireo Fitopololahin’ny Vondromparitra ary ireo Mpiandraikitra Ambony
Nôvambra 2022


4:35

Fanohanana ireo Manampahefana Ambony sy ireo Fitopololahin’ny Vondromparitra ary ireo Mpiandraikitra Ambony

Ry rahalahy sy anabavy, fifaliana ho ahy ny hanolotra ireo Manampahefana Ambony sy ireo Fitopololahin’ny Vondromparitra ary ireo Mpiandraikitra Ambony ato amin’ny Fiangonana mba hotohananareo.

Miangavy anareo izahay mba haneho ny fanohananareo amin’ny fomba mahazatra na aiza na aiza mety misy anareo. Raha misy aminareo manohitra na iza na iza amin’ireo hatolotra eto, dia mangataka anareo izahay mba hifandray amin’ny filohan’ny tsatòkanareo.

Aroso amintsika ny hanohanana an’i Russell Marion Nelson amin’ny maha-mpaminany sy mpahita ary mpanambara azy ary Filohan’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany; Dallin Harris Oaks amin’ny maha-Mpanolotsaina Voalohany azy ao amin’ny Fiadidiana Voalohany; ary Henry Bennion Eyring amin’ny maha-Mpanolotsaina Faharoa azy ao amin’ny Fiadidiana Voalohany.

Ireo izay manohana dia afaka maneho izany.

Ireo izay manohitra, raha misy, dia afaka maneho izany.

Aroso amintsika ny hanohanana an’i Dallin H. Oaks ho Filohan’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ary i M. Russell Ballard ho Filoha mpisolo toerana ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo.

Ireo izay manohana aoka haneho izany.

Raha misy manohitra dia afaka maneho izany.

Aroso amintsika ny hanohanana ireto manaraka ireto ho mpikambana ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo: M. Russell Ballard, Jeffrey R. Holland, Dieter F. Uchtdorf, David A. Bednar, Quentin L. Cook, D. Todd Christofferson, Neil L. Andersen, Ronald A. Rasband, Gary E. Stevenson, Dale G. Renlund, Gerrit Walter Gong, ary Ulisses Soares.

Ireo izay manohana dia aoka haneho izany.

Izay manohitra dia aoka haneho izany.

Aroso amintsika ny hanohanana ireo mpanolotsaina ao amin’ny Fiadidiana Voalohany sy ireo Apôstôly Roambinifolo ho mpaminany sy mpahita ary mpanambara.

Izay rehetra manohana dia aoka haneho izany.

Izay manohitra, raha misy, dia aoka haneho izany koa.

Nisaoranay ny Loholona isany Weatherford T. Clayton, LeGrand R. Curtis Jr., Randy D. Funk, Christoffel Golden, Walter F. González, Larry S. Kacher, Lynn G. Robbins, ary Joseph W. Sitati tamin’ny naha-Fitopololahy Manampahefana Ambony azy ireo ary omena ny anarana maha-Manampahefana Ambony nahavita asa tamim-boninahitra izy ireo.

Ireo izay maniry ny hiaraka aminay haneho fankasitrahana ho an’ireo rahalahy ireo sy ny vadin’izy ireo ary ny fianakavian’izy ireo noho ny asa fanompoana feno fandavantena vitan’izy ireo nandritra ny taona maro dia aoka haneho izany amin’ny fananganana tanana.

Hanehoanay fankasitrahana ihany koa ireo Fitopololahin’ny Vondromparitra izay nahavita ny asa fanompoan’izy ireo tamin’iny taon-dasa iny, ny anaran’izy ireo dia hita ao amin’ny newsroom.ChurchofJesusChrist.org.

Ireo izay te-hiaraka haneho fankasitrahana an’ireo rahalahy ireo aminay noho ny asa fanompoana tena tsara nataon’izy ireo dia iangaviana haneho izany.

Aroso mba hotohanantsika ireo Manampahefana Ambony sy Fitopololahin’ny Vondromparitra hafa, ka tafiditra ao anatin’izany ireo Fitopololahin’ny Vondromparitra vaovao enina izay natao filazana tao amin’ny newsroom.ChurchofJesusChrist.org tamin’ny fiandohan’ity herinandro ity, ary ireo Mpiandraikitra Ambony hafa araka izay misy ankehitriny.

Ireo izay manohana dia afaka maneho izany amin’ny alalan’ny fananganana ny tanana.

Izay manohitra, raha misy, dia aoka haneho izany.

Misaotra anareo ry rahalahy sy anabavy noho ny finoana tsy tapaka sy vavaka ataonareo ho an’ireo mpitarika eo anivon’ny Fiangonana.

Fanovana eo amin’ny Fitopololahin’ny Vondromparitra

Ireto Fitopololahin’ny Vondromparitra manaraka ireto dia notohanana nandritra ny fivoriam-piofanana ho an’ny mpitarika izay notanterahina niaraka tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany.

Ricardo J. Battista, Willy Binene, Bernhard Cziesla, Nathan R. Emery, Sione Tuione, Yves S. Weidmann.

Ireto Fitopololahin’ny Vondromparitra manaraka ireto dia nisaorana tamin’ny 1 aogositra 2022:

Luis R. Arbizú, Michael V. Beheshti, David A. Benalcázar, Berne S. Broadbent, Kevin E. Calderwood, Luciano Cascardi, Ting Tsung Chang, Ariel E. Chaparro, Pablo H. Chavez, Raymond A. Cutler, José L. Del Guerso, Alessandro Dini Ciacci, Carlos R. Fusco Jr., Jorge A. García, Gary F. Gessel, Karl D. Hirst, Ren S. Johnson, Jay B. Jones, Paul N. Lekias, Artur J. Miranda, Elie K. Monga, A. Fabio Moscoso, Yutaka Nagatomo, Juan C. Pozo, Anthony Quaisie, Martin C. Rios, Sandino Roman, Johnny F. Ruiz, Rosendo Santos, Gordon H. Smith, K. Roy Tunnicliffe.

Nodimandry tamin’ity taona 2022 ny Loholona Levi W. Heath sy ny Loholona ‘Inoke F. Kupu, izay nanompo tamin’ny antson’ny Fitopololahin’ny Vondromparitra.