2022
Boky torolalana Ho zatovo mahery! nohavaozina
Nôvambra 2022


Vaovaom-piangonana

Boky torolalana Ho zatovo mahery! nohavaozina.

Nohavaozin’ny Fiangonana ny torolalany ho an’ireo zatovo Olomasin’ny Andro Farany eo anivony. Ny Ho zatovo mahery!: Torolalana hanaovana safidy dia manasa ny zatovo hampiasa ny fahafahan’izy ireo misafidy ka hikatsaka fitaomam-panahy hiainana ireo fitsipiky ny filazantsara.

“Ny mpanoro lalana tsara indrindra hanananao amin’ny fanaovana safidy dia i Jesoa Kristy. I Jesoa Kristy no maha zatovo mahery,” hoy ny nampianarin’ny Loholona Dieter F. Uchtdorf ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo nandritra ny fivoriana sabotsy marainan’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany. “Ny tanjon’ny Ho zatovo mahery! dia ny hanoroana anareo ho any Aminy. Mampianatra anareo ireo fahamarinana mandrakizain’ny filazantsarany naverina tamin’ny laoniny izany—fahamarinana momba ny hoe iza ianareo sy ny hoe iza Izy ary inona no zavatra azonareo tanterahana amin’ny heriny” (“I Jesoa Kristy no maha zatovo mahery,” Liahona, nôv. 2022, 10–11).

Amporisihana ny zatovo hampiasa ireo fitsipika ao anatin’ilay boky torolalana mba hanaovana safidy tsara amin’ny lafin’ny fiainan’izy ireo rehetra. Mety ho tian’ireo ray aman-dreny sy mpitarika ary zatovo ny handalina sy hizara ilay torolalana any an-tokantrano, amin’ireo fivoriana isaky ny alahady, ary mandritra ireo fiaraha-mientana, isan’izany ny lasy sy ny fihaonamben’ny zatovo. Mety ho tian’ireo mpitarika ny Zatovolahy sy mpitarika ny Zatovovavy ny hanamafy tsy tapaka ireo fitsipika hita ao anatin’ilay torolalana. Ireo fitsipika ireo ihany koa dia azo atao lohahevitra hifantohana mandritra ny takariva iray fanao isa-taona iresahana ireo fitsipika ho an’ny zatovo sy ny ray aman-dreniny.

Ilay boky torolalana vaovao dia hita amin’ny endriny nomerika amin’ny fiteny miisa 50 ao amin’ny fizarana Zatovo ao amin’ny Médiathèque de l’Évangile sy ao amin’ny youth.ChurchofJesusChrist.org. Halefa tsy ho ela any amin’ireo paroasy sy sampana maneran-tany ireo tahadika vita printy.

Hamoaka printy