Ary nitady hahita izay Jesoa izy ireo
Mijoro ho vavolombelona aho fa velona i Jesoa, mahafantatra antsika Izy ary manana ny hery hanasitranana sy hanovana ary hamelana heloka.
Ry rahalahy sy anabavy ary namana, tamin’ny 2013 izaho sy i Laurel vadiko dia nantsoina ho mpitarika ao amin’ny misiônan’i Tchécoslovaquie. Niara-nanompo taminay ny zanakay efatra.1 Fitahiana ho an’ny fianakavianay ireo misiônera mamiratra sy ireo Olomasina avy any Tchécoslovaquie izay tena miavaka. Tianay izy ireo.
Rehefa niditra ny sahan’ny misiôna ny fianakavianay, dia nanaraka anay ny fampianarana nataon’ny Loholona Joseph¬B. Wirthlin. Ao amin’ny lahateny iray mitondra ny lohateny hoe “Ny didy lehibe” dia nanontany ny Loholona Wirthlin hoe “Tia ny Tompo ve ianao?” Ny torohevitra nomeny ho an’ireo izay mety hamaly hoe “eny” dia tsotra sy mampieritreritra: “Manokàna fotoana iarahana Aminy. Saintsaino ireo teniny. Raiso eo aminao ny ziogany. Katsaho ny hahatakatra sy hankatò.”2 Avy eo ny Loholona Wirthlin dia nampanantena fitahiana mitondra fiovana ho an’ireo izay manaiky ny hanome fotoana sy toerana ho an’i Jesoa Kristy.3
Noraisinay am-po tokoa ny torohevitra sy fampanantenana nomen’ny Loholona Wirthlin. Niaraka tamin’ireo misiônera dia nanokana fotoana bebe kokoa iarahana amin’i Jesoa izahay nandalina ny Matio, Marka, Lioka ary Jaona ao amin’ny Testamenta Vaovao sy ny 3 Nefia ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. Amin’ny fiafaran’ny fivorian’ny misiônera rehetra dia tafaroboka foana izahay ao anatin’ilay nantsoinay hoe “Filazantsara dimy,”4 mamaky, mifanakalo hevitra, mandinika, ary mianatra momba an’i Jesoa.
Ho ahy, sy ho an’i Laurel, ary ho an’ireo misiôneranay dia nanova ny zava-drehetra ny fanokanana fotoana iarahana amin’i Jesoa ao amin’ny soratra masina. Nihalalina kokoa ny fankasitrahanay Azy amin’ny hoe iza Izy sy ny hoe inona no zava-manan-danja Aminy. Nodinihanay miaraka ny fomba nampianarany, ny zavatra nampianariny, ny fomba nanehoany fitiavana, ny zavatra nataony mba hitahiana sy hanompoana, ireo fahagagana nataony, ny fihetsiny manoloana ny fivadiham-pitokisana, ny nataony tamin’ny fihetseham-pon’olombelona nanahirana, ireo fiantsoana Azy sy ireo anarany, ny fomba nihainoany, ny fomba namahany fifandirana, ny tontolo niainany, ireo fanoharana nataony, ny fomba namporisihany ny hisian’ny firaisan-kina sy ny fahatsaram-panahy, ny fahaizany mamela heloka sy manasitrana, ny toriteny nataony, ny vavaka nataony, ny sorona fanavotana nataony, ny Fitsanganany tamin’ny maty, ny filazantsarany.
Matetika izahay no mahatsapa tena ho “fohy” toa an’i Zakaiosy ka nihazakazaka nananika aviavy rehefa nandalo tao Jeriko i Jesoa satria, araka ny filazalazan’i Lioka azy izahay dia “nitady hahita izay Jesoa.”5 Tsy i Jesoa araka izay tiantsika na izay niriantsika izany, fa i Jesoa araka ny tena naha-Izy Azy sy maha-Izy Azy kosa.6 Tahaka ny nampanantenain’ny Loholona Wirthlin mihitsy, dia nianatra isika tamin’ny fomba tena marina fa “ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia filazantsaran’ny fiovana. Alainy isika lehilahy na vehivavy izay an’ny tany ary hatsarainy isika ho lasa lehilahy sy vehivavy ho an’ny mandrakizay.”7
Vanim-potoana tena miavaka ireny fotoana ireny. Lasa nino izahay fa “tsy hisy tsy ho tanteraka miaraka amin’ Andriamanitra.”8 Mbola misy akony eo amin’ny fiainanay rehetra foana ny fahatsiarovana ireo tolakandro masina tany Prague, Bratislava, na Brno, niarahanay mpiray misiôna nandinika sy nahatsapa ny herin’i Jesoa sy ny tena fisiany.
Nandalina matetika ny Marka 2:1–12 izahay. Mahasarika ilay tantara ao. Te hamaky ny ampahany amin’izany avy ao amin’ny Marka mivantana aho, ary avy eo hizara izany araka ny nahatakarako azy taorian’ny fandalinana lalina sy ny resadresaka nifanaovako tamin’ireo misiôneranay sy ny hafa.9
“Ary nony niditra tao Kapernaomy indray [i Jesoa], rehefa afaka andro vitsivitsy, dia re fa tao an-trano Izy.
“Ka dia tafangona ny maro, ka tsy nisy hitoerana intsony, na dia teny anoloan’ny varavarana aza; ary Izy nitory ny teny taminy.
“Ary nisy nanatona nitondra ny anankiray mararin’ny paralysisa ho eo aminy, izay nolanjain’efa-dahy.
“Ary satria tsy afaka nanakaiky Azy izy noho ny habetsahan’ny vahoaka, dia nanesorany ny tafon’ny trano nitoeran’i Jesoa, ka nony efa voasokatra, dia nampidininy teo ny fandriana izay nandrian’ilay nararin’ny paralysisa.
“Ary Jesoa, nony nahita ny finoan’ ireo, dia nanao tamin’ilay mararin’ ny paralysisa hoe: Anaka, voavela ny helokao.”
Rehefa avy niresaka tamin’ny sasany tamin’ireo olona nitangorona i Jesoa,10 dia nijery ilay lehilahy mararin’ny paralysisa izy ka nanasitrana azy ara-batana nanao hoe:
“Lazaiko aminao: Mitsangàna, betao ny fandrianao, ka modia any an-tranonao.
“Dia nitsangana izy ka nambeta ny fandriany niaraka tamin’izay ary niala teo anatrehan’ny olona rehetra; dia talanjona izy rehetra ka nankalaza an’ Andriamanitra nanao hoe: Tsy mbola nahita izay toy izao izahay.”11
Izao kosa indray ilay tantara araka ny nahatakarako azy: Tany am-piandohan’ny asa fanompoany, i Jesoa dia niverina tany Kapernaomy izay tanàna kely mivelona amin’ny jono eo amin’ny sisiny avaratry ny Ranomasin’i Galilia.12 Vao tsy ela Izy no nanao andiana fahagagana tamin’ny fanasitranana ny marary sy fandroahana ireo fanahy ratsy.13 Naniry mafy ny handre sy hahita mivantana ilay lehilahy antsoina hoe Jesoa ireo mponin’ilay tanàna kely ka nivory tao amin’ny trano izay re siosio fa hitoeran’i Jesoa.14 Rehefa nanao izay izy ireo dia nanomboka nampianatra i Jesoa.15
Ny trano tao Kapernaomy tamin’izany dia fisaka ny tafony, misy rihana anankiray, ary mifanakaiky.16 Ny tafo sy ny rindrina dia vita amin’ny fifangaroan’ny vato, hazo, tanimanga, bozaka, ary tohatra tsotra eo amin’ny lafy ilan’ny trano no handehanana mankao.17 Vetivety dia nitombo ny olona nitangorona tao amin’ilay trano, ka nameno ny efitrano izay nampianaran’i Jesoa sy tafavoaka hatrany ivelany tany amin’ny lalana.18
Mifantoka amin’ny lehilahy iray “mararin’ny paralysisa” sy ireo namany efatra ny tantara.19 Ny paralysisa dia endrika iray isehoan’ny fahalemen’ny vatana, indraindray dia arahin’ny fahatrotrahana sy fangovitana.20 Azoko sary an-tsaina ny iray amin’izy efatra mirahalahy milaza amin’ny ambiny hoe: “Eto an-tanàna i Jesoa. Fantatsika rehetra ny amin’ireo fahagagana izay nataony sy ny amin’ireo izay nositraniny. Raha vitantsika fotsiny ny mitondra ny namantsika hankeo amin’i Jesoa, dia angamba mety ho sitrana ihany koa izy.”
Araka izany izy tsirairay dia samy naka zoron’ilay fandriana natorian’ny namany ka nanomboka ilay asa sarotry ny fitondrana azy namakivaky ny lalan’i Kapernaomy izay mikitaontaona sy matetika tery ary tsy misy rarivato.21 Narary sy vizaka ny sandry sy ranjon’izy efatra mirahalahy teo am-pandalovana ny fiolanana farany kanefa ny zavatra hitany dia ireo olona maro, na araka ny fiantsoan’ny soratra masina azy, ny “habetsahan’ny” vahoaka nitangorona mba hihaino hany ka tsy vita ny mampiditra ilay naman’izy ireo amin’ny varavarana mba hankeo amin’i Jesoa.22 Noho ny fitiavana sy ny finoan’izy efatra mirahalahy dia tsy nilavo lefona izy ireo. Fa lasa kosa izy ireo nihanika faingana ny tohatra mankamin’ilay tafo fisaka, sy nampiakatra am-pitandremana ilay namany sy ny fandriany, nanokatra ny tafon’ilay efitrano nampianaran’i Jesoa, ary nampidina ilay namany.23
Diniho hoe tanatin’ny fotoana nampianarana izay mety tena naha-hentitra an’i Jesoa no nandre feon-javatra mikasokasoka, dia nitraka, ka nahita lavaka nihalehibe teo amin’ny tafo sady milatsaka mankao an’efitrano ny vovoka sy ny bozaka. Avy eo dia misy lehilahy malemy eo ambony fandriana ampidinina mankeo amin’ny tany. Nahavariana ny fijerin’i Jesoa hoe tsy fanembatsembanana izany fa zavatra izay manan-danja kosa. Nijery ilay lehilahy teo am-pandriana Izy, dia namela ny helony am-pahibemaso, ary nanasitrana azy.24
Rehefa mieritreritra momba io tantara ao amin’ny Marka 2 io, dia fahamarinana manan-danja maro no lasa mazava momba an’i Jesoa Kristy. Voalohany, rehefa miezaka isika manampy ny olona tiantsika hanatona an’i Kristy, dia afaka manao izany amim-patokiana fa Izy dia afaka hanamaivana ny enta-mavesatry ny ota sy hamela heloka. Faharoa, rehefa entintsika eo amin’i Kristy ireo aretina ara-batana na ara-pihetseham-po na karazany hafa, dia afaka mahafantatra isika eo am-panaovana izany fa Izy dia manana ny hery hanasitranana sy hankaherezana. Fahatelo, rehefa manao ezaka tahaka ireo efa-dahy isika hitondrana ny hafa hankeo amin’i Kristy, dia afaka mahazo antoka isika eo am-panaovana izany fa hitany ny tena faniriantsika ary Izy hamaly izany araka ny tokony ho izy.
Tsarovy, ny fampianaran’i Jesoa dia tapaka noho ny fisian’ny lavaka teo amin’ny tafo. I Jesoa dia tsy nibedy na nandroaka azy efatra izay nanao ny lavaka ka nahatonga fampiatoana, fa hoy ny soratra masina hoe: “Jesoa … nahita ny finoan’ ireo.”25 Ireo izay nanatri-maso ilay fahagagana avy eo dia “raiki-tahotra ka nankalaza an’ Andriamanitra, Izay nanome ny olona fahefana toy izany.”26
Ry rahalahy sy anabavy, mamelà ahy ianareo hamarana amin’ny fanamarihana roa fanampiny. Na misiônera, na mpanompo, na fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana, na eveka, na mpampianatra, na ray aman-dreny, na mpiray tam-po, na namana, isika dia mirotsaka avokoa ao amin’ilay asa fitondrana ny hafa ho eo amin’i Kristy amin’ny maha-mpianatra sy Olomasin’ny Andro Farany antsika. Ireo toetra nasehon’izy efatra mirahalahy izay nanatitra ilay namany mararin’ny paralysisa ho eo amin’i Kristy dia mendrika ny hodinihana sy halain-tahaka.27 Izy ireo dia sahy, nampiasa ny zava-misy, nahonon-tena, nahay namorona, nahavita zavatra maro, feno fanantenana, vonona, feno finoana, nijery ny lafy tsarany, nanetry tena, ary nanam-paharetana.
Ambonin’izany, ireo namana efatra ireo dia nanantitrantitra ny maha-zava-dehibe ny fiombonana sy firahalahiana eo amin’ny ara-panahy.28 Mba hitondrana ny namany hankeo amin’i Kristy, dia nitondra zorom-pandriana iray avy izy efatra. Raha misy iray mamotsitra, dia mihasarotra ny toe-draharaha. Raha misy roa tsy miezaka intsony, dia lasa tsy azo tanterahana ilay asa. Manana anjara asa isika tsirairay ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra.29 Rehefa ataontsika izany anjara asantsika izany dia mitondra ny zorony tandrify antsika isika. Na any Argentine, na any Vietnam, na any Accra na any Brisbane, na sampana na paroasy, na fianakaviana na misiônera mpiara-manompo, dia samy tokony hitondra zorony isika. Rehefa manao izany isika, ary raha sitratsika izany, dia hitahy antsika rehetra ny Tompo. Tahaka ny nahitany ny finoan’ireo, no ahitany antsika koa sy hitahiany antsika vahoakany.
Tamin’ny vanim-potoana samy hafa teo amin’ny fiainako, dia niezaka ny hitazona ny zorony tandrify ahy aho, ary tamin’ny fotoana hafa dia izaho no ilay nentina. Anisan’ny herin’io tantara miavaka momba an’i Jesoa io ny fampahatsiahivany fa isika dia mila antsika samy isika, amin’ny maha-mpirahalahy sy mpianadahy antsika, mba hanatonana an’i Kristy sy mba ho voaova.
Ireo no ampahany kely amin’ny zavatra nianarako rehefa nanokana fotoana iarahana amin’i Jesoa aho tao amin’ny Marka 2.
“Andriamanitra anie hahatonga antsika ho afaka [hitondra ny zorony tandrify antsika], ka tsy hihemotra isika, tsy hatahotra, fa hatanjaka kosa ao amin’ny finoana, ary ho vonona amin’ny asantsika, mba hanatanteraka ireo tanjon’ny Tompo.”30
Mijoro ho vavolombelona aho fa velona i Jesoa, mahafantatra antsika Izy ary manana ny hery hanasitranana sy hanovana ary hamelana heloka. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.