2022
Efa ahitana fampandrenesana izao ao amin’ny application Médiathèque de l’Évangile
Nôvambra 2022


Vaovaom-piangonana

Efa ahitana fampandrenesana izao ao amin’ny application Médiathèque de l’Évangile

Misy fikirakirana vaovao mahakasika ny fampandrenesana ao amin’ny application Médiathèque de l’Évangile. Izany dia afaka mampahafantatra anao fa misy votoatin-javatra nivoaka. Misy fampandrenesana karazany telo: (1) fanentanam-panahy isan’andro (toy ny andinin-tsoratra masina sy teny notsongaina tamin’ny fihaonambe); (2) fampatsiahivana (toy ny drafitra fandalinana, sy fampandrenesana ireo hetsika mandeha mivantana); ary (3) ireo zava-baovao (toy ireo hafatra avy amin’ny mpaminany sy ireo laharana gazetiboky vaovao an’ny Fiangonana).

Safidio ireo fikirakirana ny fampandrenesana tianao ampiasaina amin’ny alalan’ny fanindriana ireo teboka telo eny amin’ny zoro ankavanana ambony ao amin’ilay application sy ny fisafidianana ny “Fikirakirana” ary avy eo ny hoe “Fampandrenesana.”

Hamoaka printy