2022
Tafio ny herinao, ry Ziona ô
Nôvambra 2022


13:57

Tafio ny herinao, ry Ziona ô

Tokony hanombantombana amin-kitsim-po sy amim-bavaka ny laharam-pahamehantsika ara-nofo sy ara-panahy isika tsirairay avy.

Ny fanoharana dia fitaovana mamaritra ny fomba feno fahaiza-manao enti-mampianatra izay nampiasan’i Jesoa Kristy Tompo. Raha faritana amin’ny fomba tsotra, ny fanoharan’ny Mpamonjy dia tantara nampiasaina hampitahana fahamarinana ara-panahy amina zavatra azo tsapain-tanana sy zavatra iainana eto an-tany. Ohatra, ireo Filazantsara ao amin’ny Testamenta Vaovao dia feno fampianarana mampitaha ny fanjakan’ny lanitra amin’ny voan-tsinapy,1 amin’ny vatosoa sarobidy,2 amin’ny lehilahy tompon-trano sy ny mpiasan’ny tanim-boalobony,3 ary amin’ny virijiny folo,4 sy amin’ireo ireo maro hafa. Nandritra ny ampahany tamin’ny fanompoan’ny Tompo tany Galilia dia milaza ny soratra masina fa “raha tsy tamin’ny fanoharana dia tsy niteny taminy Izy.”5

Ny hevitra na hafatra tiana hampitaina amin’ny alalan’ny fanoharana iray dia mazàna tsy ambara mazava. Fa ilay tantara kosa dia mampita fotsiny ihany fahamarinana masina amin’ny olona iray mandray izany arakaraka ny finoany an’ Andriamanitra sy ny fahavononany manokana ara-panahy ary ny finiavany hianatra. Ny olona iray araka izany dia tsy maintsy mampiasa ny fahafahany misafidy ary “mangataka sy mitady ary mandondòna”6 amim-pahazotoana mba hahitana ireo fahamarinana izay miafina ao amin’ny fanoharana iray.

Mivavaka mafy aho mba hanazava antsika tsirairay ny Fanahy Masina raha hiara-handinika ny maha zava-dehibe an’ilay fanoharana mikasika ny lanonana fampakaram-bady nataon’ny mpanjaka isika.

Ilay lanonana fampakaram-bady nataon’ny mpanjaka

“Ary Jesosy … nilaza fanoharana taminy indray ka nanao hoe,

“Ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny mpanjaka izay nanao fanasana fampakaram-bady ho an’ny zanany-lahy,

“Ary izy naniraka ny mpanompony hiantso izay efa nasaina mba hankao amin’ny fampakaram-bady; fa tsy nety ho avy ireo.

“Dia naniraka mpanompo hafa koa indray izy ka nanao hoe: Lazao amin’izay efa nasaina hoe: Indro, efa voavoatra ny nahandroko; efa voavono ny ombiko sy ny nafahiko, ka efa voavoatra avokoa ny zavatra rehetra; koa mankanesa aty amin’ny fampakaram-bady ianareo.

“Nefa tsy nahoany akory izany, fa samy lasa nandeha izy, ny anankiray ho any amin’ny sahany, ary ny anankiray ho any amin’ny varony.”7

Anisan’ny fotoam-pifaliana indrindra teo amin’ny fiainan’ny Jiosy tamin’ny andro fahiny ny fankalazana fanambadiana, fety izay naharitra iray na roa herinandro mihitsy aza. Nitaky drafitra voaomana tsara ny fety tahaka izany ary nampilazana fotoana ela mialoha ireo olona asaina, niaraka tamin’ny fandefasana fampahatsiahivana ny andro fanokafana ny fety. Noheverina ho toy ny didy ny fanasana ataon’ny mpanjaka ho an’ireo olom-peheziny ho an’ny fampakaram-bady toy izany. Kanefa betsaka tamin’ireo vahiny nasaina tao amin’ity fanoharana ity no tsy tonga.8

“Ny fandavana hanatrika ny fanasan’ny mpanjaka dia fikomiana iniana atao hanoherana ny fahefan’ny mpanjaka, sy fanalana baraka manokana ilay tompomanjaka sy ny zanany. … Ny fandavan’ilay lehilahy iray ilay didy ka nisafidy ny ho any an-tsahany, sy ilay iray hafa nisafidy ny [tombontsoany ara-barotra]”9 dia maneho ny fahadisoan’ny laharam-pahamehan’izy ireo sy ny tsy firaharahian’izy ireo tanteraka ny finiavan’ny mpanjaka.10

Dia mitohy ilay fanoharana:

“Dia hoy izy tamin’ny mpanompony: efa voavoatra ny fampakaram-bady fa ny nasaina no tsy mendrika.

“Koa mankanesa ianareo any amin’ny sampanan-dalana, ary izay hitanareo, dia asao ho ao amin’ny fampakaram-bady.

“Dia nivoaka ho any amin’ny lalana ireny mpanompo ireny ka namory izay rehetra hitany, na ny ratsy, na ny tsara; ary dia feno mpihinana ny fampakaram-bady.”11

Ny fomba fanao tamin’izany andro izany ho an’ny tompon’ny fampakaram-bady—eto amin’ity fanoharana ity, izay ny mpanjaka—dia manome akanjo fitondra amin’ny fampakaram-bady ho an’ireo nasaina. Akanjo lava tsotra sy tsy misy filirony no akanjo fitondra tamin’ny fampakaram-bady toy izany izay nanaovan’ireo mpanatrika rehetra. Amin’izay dia tsy misy intsony ny saranga sy ny laharana ary afaka nifangaroharo tsy misy fahasamihafana ny olona rehetra tao amin’ilay fanasana.12

Tsy ho nanana fotoana na vola hividianana akanjo sahaza hiomanana tamin’io hetsika io ireo olona nasaina teny an-dalana hanatrika ny fampakaram-bady. Vokatr’izany dia azo inoana fa ny mpanjaka no nanome akanjo ho an’ireo vahiny avy tao amin’ny fitoeran’akanjony manokana. Nomena fahafahana hiakanjo ny akanjon’ny mpanjaka ny olona tsirairay.13

Rehefa niditra tao amin’ny efitra misy ny fampakaram-bady ny mpanjaka, dia nanara-maso an’ireo mpanatrika ka nahatsikaritra avy hatrany fa tsy nanao ny akanjon’ny fampakaram-bady ny olona iray nasaina izay niavaka. Nentina nandroso ilay lehilahy dia nanontany ny mpanjaka hoe: “Ry sakaiza, ahoana no idiranao eto, nefa ianao tsy miakanjo ny akanjo fitondra amin’ny fampakaram-bady? Dia sina izy.”14 Raha ny marina dia izao no nanontanian’ny mpanjaka “Nahoana ianao no tsy nanao ny akanjo fiakanjo amin’ny fampakaram-bady na dia efa nomena aza ianao?”15

Hita nibaribary fa tsy nanao ny akanjo sahaza ho an’io fotoana miavaka io ilay lehilahy, ary ny andian-teny hoe “Dia sina izy” dia milaza fa tsy nanana fialan-tsiny ilay lehilahy.16

Manome ity fanamarihana mifono fampianarana ity mikasika ny maha-zava-dehibe ny zavatra nataon’ilay lehilahy ny Loholona James E. Talmage hoe: “Hita mazava avy amin’ny sahan-kevitra fa meloka ilay vahiny tsy nanao akanjo fitondra amin’ny fampakaram-bady noho ny tsy firaharahiana, na tsy fanajana iniana atao, na fanafintohinana lehibe kokoa. Tamin’ny voalohany ilay mpanjaka dia naneho fanajana tamin-katsaram-panahy, nanontany fotsiny ny fomba nahafahan’ilay lehilahy niditra tsy nanao akanjo fitondra amin’ny fampakaram-bady. Raha toa ka afaka nanazava ny fomba fitafiny niavaka ilay vahiny, na raha afaka nanolotra fialan-tsiny mitombina dia azo antoka fa ho niteny izy; saingy nolazaina antsika fa tsy nahateny izy. Ny fanasan’ny mpanjaka dia natolotra maimaim-poana ho an’ireo rehetra izay hitan’ireo mpanompony; saingy eo amin’ny varavarana fidirana no tsy maintsy hidiran’izy ireo tsirairay avy ao an-dapa; ary alohan’ny hahatongavana ao amin’ny efitrano fisakafoana izay hisehoan’ny mpanjaka mivantana, dia tsy maintsy manao fitafiana sahaza ny tsirairay; saingy ilay lehilahy naningana dia tsy hay hoe ahoana fa niditra tamin’ny fomba hafa; ary noho izy tsy nandalo ireo mpiambina teo am-bavahady dia olona niditra an-keriny izy.”17

Nanao fanamarihana i John O. Reid, lehilahy mpanoratra Kristianina iray fa ny fandavan’ilay lehilahy tsy hitafy ny akanjon’ny fampakaram-bady dia maneho tsy fanajana miharihary an’ilay mpanjaka sy ny zanany lahy.” Tsy hoe tsy nanana fitafy entina amin’ny fampakaram-bady fotsiny izy fa mbola nisafidy ny tsy hanao koa. Nandà tamim-pikomiana ny tsy hanao fitafiana sahaza ho an’ilay fotoana izy. Haingana sy hentitra ny fihetsiky ny mpanjaka: “Afatory ny tongony aman-tanany, dia ario any amin’ny maizina any ivelany izy; any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify.”18

Tsy nifototra tamin’ny tsy fanana fitafy amin’ny fampakaram-bady akory ny fitsaran’ny mpanjaka an’ilay lehilahy—fa “raha ny marina dia noho izy tapa-kevitra ny tsy hanao izany. Naniry ny homena voninahitra mba hanatrika ilay lanonana fampakaram-bady … ilay lehilahy saingy … tsy te hanaraka ny fombafomban’ny mpanjaka izy. Te hanao zavatra amin’ny fombany manokana izy. Nampibaribary ny fikomiana tao anatiny hanohitra ny mpanjaka sy ireo torolalany ny tsy fanaovany fitafy sahaza.”19

Maro no voantso fa vitsy no voafidy

Avy eo ilay fanoharana dia mifarana amin’ity soratra masina mampieritreritra ity: “Fa maro no antsoina, nefa vitsy no fidina.”20

Mahaliana fa nanao izao fanitsiana manaraka izao ho an’io andininy ao amin’ny Matio io i Joseph Smith, ao amin’ny dikan-teny nentanim-panahy nataony ho an’ny Baiboly: “Fa maro no antsoina, fa vitsy nofidina; noho izany, tsy ny rehetra no mitafy ny akanjon’ny fampakaram-bady.”21

Ny fanasana hamonjy ilay lanonana fampakaram-bady sy ny safidy handray anjara amin’ilay lanonana dia misy hifandraisany saingy misy fahasamihafana. Natao ho an’ny vehivavy rehetra sy ny lehilahy rehetra ny fanasana. Afaka manaiky ny fanasana mihitsy ny tsirairay ary mipetraka ao amin’ilay fety, kanefa tsy voafidy ny handray anjara izy satria tsy manana ny akanjo sahaza ho an’ny fampakaram-badin’ny fiovam-pon’ny finoana ny Tompo Jesoa sy ny fahasoavany masina. Noho izany dia sady antsoin’ Andriamanitra isika no manana ny valintenintsika manokana ho an’izany antso izany, fa mety maro no antsoina fa vitsy no fidina.22

Ny hoe voafidy na lasa voafidy dia tsy toetra miavaka izay nomena antsika. Fa izaho sy ianao amin’ny farany dia afaka misafidy ny ho voafidy amin’ny alalan’ny fampiasana amim-pahamarinana ny fahafahantsika misafidy.

Mba hevero ny fampiasana ny teny hoe voafidy ao amin’ireto andininy tsy zoviana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana ireto:

“Indro, misy maro no voantso fa vitsy no voafidy. Ary nahoana izy ireo no tsy voafidy?

“Satria ny fony dia mipetraka fatratra amin’ny zavatr’izao tontolo izao sy miandrandra ny voninahitry ny olona.”23

Mino aho fa mazava tsara ny zavatra tian’ireo andininy ireo holazaina. Andriamanitra dia tsy manana lisitry ny olona tiana indrindra izay tsy maintsy antenaintsika hampidirana ny anarantsika indray andro any. Tsy mametra “ny voafidy” ho olom-bitsy Izy. Saingy, ny fontsika, ny faniriantsika, ny fanajantsika ireo ôrdônansy sy fanekempihavanana masin’ny filazantsara, ny fakatoavantsika ireo didy ary indrindra indrindra ny fahasoavana sy ny famindrampo manavotry ny Mpamonjy kosa no mamaritra raha toa voaisa ho isan’ireo voafidin’ Andriamanitra isika.24

“Fa miasa araka ny zotom-po isika hanoratra mba handresy lahatra ny zanatsika ary koa ny rahalahintsika mba hinoany an’i Kristy sy hihavanany amin’ Andriamanitra; satria fantatsika fa noho ny fahasoavany no hamonjena antsika rehefa ataontsika ny zavatra rehetra azontsika atao.”25

Ao anatin’ny fahasahiranana amin’ny andavanandrontsika sy ny firotoroton’izao tontolo izao izay misy antsika, dia mety hanary ireo zavatra mandrakizay izay manan-danja indrindra isika raha toa manao ny fahafinaretana, ny harena sy ny laza ho laharampahamehan-tsika voalohany. Ny fandaniantsika andro anatin’ny fotoana fohy amin’ny “zavatr’ity izao tontolo izao ity” sy ny “voninahitry ny olona” dia mety hitarika antsika hanary ny fizokiana ara-panahy noho ny zavatra ratsy noho ny voanemba.26

Fampanantenana sy fijoroana ho vavolombelona

Averiko ny fananarana nataon’ny Tompo tamin’ny vahoakany nafahana tamin’ny alalan’i Hagay ilay mpaminanin’ny Testamenta Taloha: “Koa izao no lazain’i Jehovah, Tompon’ny maro: Hevero ny lalanareo.”27

Tokony hanombatombana amin-kitsim-po sy amim-bavaka ny laharam-pahamehantsika ara-nofo sy ara-panahy isika tsirairay avy mba hahitana ireo zavatra eo amin’ny fiainantsika izay mety manakana ireo fitahiana miavosa izay tian’ny Ray any An-danitra sy ny Mpamonjy harotsaka amintsika. Ary azo antoka fa hanampy antsika hahita ny tenantsika araka ny tena izy ny Fanahy Masina.28

Raha toa isika mikatsaka ny fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy hanana maso mba hahita sy sofina mba handre,29 dia mampanantena aho fa homena ny fahafahana sy ny fahaiza-manavaka mba hampahatanjaka ny fanekempihavanana mampifandray antsika amin’ny Tompo isika. Handray ihany koa ny herin’ny toetra araka an’ Andriamanitra eo amin’ny fiainantsika30 isika ary sady ho voantso no ho voafidy ho amin’ny fanasana ataon’ny Tompo amin’ny farany.

“Mifohaza, mifohaza; tafio ny herinao, ry Ziona ô.”31

“Fa tsy maintsy mitombo ao amin’ny hatsarana sy ao amin’ny fahamasinana i Ziona; tsy maintsy halalahina ny sisin-taniny, tsy maintsy hamafisina ny tsatòkany; eny, lazaiko aminareo marina tokoa, tsy maintsy mitsangana i Ziona ary manao ny fitafiany tsara tarehy.”32

Ambarako amim-piravoravoana ny fijoroana ho vavolombelona ananako momba ny maha-masina sy ny tena maha-velona an’ Andriamanitra, Ilay Raintsika Mandrakizay sy ny Zanaka Malalany, Jesoa Kristy. Mijoro ho vavolombelona aho fa i Jesoa Kristy no Mpamonjy sy Mpanavotra antsika ary velona Izy. Ary mijoro ho vavolombelona ihany koa aho fa niseho tamin’i Joseph Smith zazalahy ny Ray sy ny Zanaka, ary izay no nanomboka ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsarana’ny Mpamonjy amin’ny andro farany. Enga anie isika rehetra ka hikatsaka ny hanana ary hanana maso mba hahita sy sofina mba handre, izany no vavaka ataoko amin’ny anaran’ny Tompo Jesoa Kristy, amena.